< Solomona 17 >

1 MAIKAI hahi huna ai maloo me ke aloha pu kekahi, Mamua o ka hale i piha i na mohai ke pili me ka hakaka.
Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
2 O ke kauwa noonoo, e noho oia maluna o ke keiki e hana hilahila ana; A mawaena o na hoahanau e loaa ia ia kekahi hooilina.
Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy.
3 He ipu hoohehee, no ke kala ia; no ke gula hoi he kapuahi uuku; Aka, na Iehova e hoao mai i na naau.
Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
4 O ka mea hewa la hoolohe oia i na lehelehe wahahee; O ka mea wahahee hoi, haliu kona pepeiao i ke elelo ino.
Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
5 O ka mea hoomaewaewa i ka mea nele, Ua hoowahawaha oia i ka mea nana ia i hana; O ka mea hoi i olioli i ka poino, Aole ia e pakele i ka hoopai ana.
Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
6 O ka lei o ka poe elemakule, oia na keiki a na keiki; O ka nani hoi o na keiki, oia na makuakane o lakou.
Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
7 Aole i kupono i ka mea naaupo ka lehelehe pololei; Aole loa hoi i ke alii ka lehelehe wahahee.
Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga.
8 He pohaku waiwai io ka makana i ka maka o ka mea nana ia; Ma na wahi a pau e loaa ana he mea ia e pono ai.
Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
9 O ka mea huna i ka hewa, oia ke imi i ke aloha; O ka mea hoolaha hou ae, hookaawale oia i na makamaka.
Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
10 Komo ke aoia mai iloko o ka mea naauao, Mamua o na hahau ana he haneri iloko o ka mea lapuwale.
Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala.
11 Ma ke kipi wale no e imi ai ke kanaka ino; Nolaila, hoounaia ka ilamuku io na la.
Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
12 E aho ke halawai ka bea keiki make me ke kanaka, Aole ka mea naaupo iloko o kona lapuwale.
Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana.
13 O ka mea hana ino aku na ka mea hana pono mai, Aole e kaawale ka ino mai kona hale aku.
Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
14 E like me ka hookahe ana o ka wai, Pela ka hoomaka ana o ka hakaka; Nolaila, e oki e i ka hakaka mamua o kona mahuahua ana.
Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
15 O ka mea hoopono aku i ka mea hewa, A o ka mea hoahewa aku i ka mea pono, Ho mau mea hoopailua laua ia Iehova.
Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
16 No ke aha la keia, he kumu kuai ma ka lima o ka mea lapuwale, E kuai aku ai i ke akamai, aohe ona manao malaila?
Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
17 I na manawa a pau e aloha ana ka makamaka, A no ka la popilikia i hanau ai ka hoahanau.
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana.
18 O ke kanaka naauao ole, pai oia i ka lima, Lilo ia i mea panai imua o kona makamaka.
Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.
19 O ka mea makemake i ke kipi, oia ka i makemake i ka hakaka; O ka mea hookiekie ae i kona ipuka, imi oia i ka make.
Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
20 O ka mea naau kekee, aole i loaa ia ia ka maikai; O ka mea elelo hoopunipuni, e haule oia i ka ino.
Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.
21 O ka mea i hanau mai nana ke keiki lapuwale, he kaumaha kona; Aole e olioli ka makuakane o ke keiki naaupo.
Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly.
22 O ka naau olioli, he laau lapaau ia e hooluolu ana; O ka uhane i hana pepe ia, hoomaloo ia i na iwi.
Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
23 Kaili ae ka mea hewa i ka waiwai kipe, I kona hoohaunaele ana i ka aoao pono.
Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
24 Imua i ke alo o ka mea noonoo malaila ka naauao; Aia hoi na maka o ka mea lapuwale, ma na welau o ka honua.
Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany.
25 O ke keiki lapuwale, ke kaumaha ia no kona makuakane, He mea awahia hoi i ka mea nana ia i hanau mai.
Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy.
26 O ka hoopai hewa i ka mea pono, aole ia he maikai, Aole hoi ke papai aku i na'lii no ka pololei.
Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
27 O ka mea ike nui, akahele oia i ka olelo; He uhane noho malie ko ke kanaka naauao.
Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
28 O ka mea naaupo hoi, i kona mumule ana, ua kuhiia oia he naauao; O ka mea pani i kona mau lehelehe hoi, he kanaka ike no ia.
Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.

< Solomona 17 >