< Solomona 12 >

1 O KA mea makemake i ke aoia mai, oia ka i makemake i ka ike; O ka mea hoowahawaha i ke aoia mai, he holoholona ia.
Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2 O ka mea maikai, e loaa ia ia ka lokomaikai no Iehova mai; A e hoohewa mai oia i ke kanaka hoopunipuni.
Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3 Aole ma ka hewa e ku paa'i ke kanaka; O ka hookumu ana o ka poe pono, aole ia e neenee ae.
Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
4 O ka wahine noho pono he papale alii oia i kana kane; Aka, me he mea popopo la i kona mau iwi ka wahine e hoohilahila aku.
Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
5 O ka manao ana o ka poe pono, aia ma ka hoopono; O ke kuka ana o ka poe hewa, aia ma ka hoopunipuni.
Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
6 O ka olelo a ka poe hewa, he hoohalua ia i ke koko; Aka, o ka waha o ka poe pololei, oia ka lakou e hoopakele aku.
Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
7 Ua hooauhulihia ka poe hewa, a nalowale; E ku mau ana hoi ka hale o ka poe pono.
Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
8 E hoomaikaiia ke kanaka e like me kona akamai; Aka, o ka mea naau lokoino, e hoowahawahaia oia.
Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9 O ka mea i hoowahawahaia, a he kauwa nana, Oi aku oia i ka mea hoohanohano ia ia iho, a nele i ka ai ole.
Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10 Manao no ke kanaka pono i ka ola o kona holoholona; Aka, o ke aloha o ka poe hewa, he lokoino no ia.
Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;
11 O ka mea i mahi i kona aina, e maona no i ka ai; Aka, o ka hoopili mea ai me ka poe palaualelo, he lapuwale ia.
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
12 He lealea i ka mea hewa ka punihei ino ana; O ke kumu o ka poe pono e hua mai no ia.
Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.
13 Ma ka ino o na lehelehe i puniheiia'i ka mea hewa; E puka mai no hoi ka mea pono noloko ae o ka pilikia.
Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.
14 Ma ka hua o ka waha, e maona ai ke kanaka i ka maikai; O ka uku o ko ke kanaka lima e haawiia ia ia.
Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.
15 O ka aoao o ka mea naaupo, ua pololei ia i kona manao iho; Aka, o ka mea hoolohe i ke aoia mai, ua naauao oia.
Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
16 O ka huhu o ka naaupo o ike koke ia; Hoonalowale ka mea maalea i ka mea e hilahila'i.
Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
17 O ka mea hai aku i ka oiaio, hoike oia i ka pono; A o ka hoike wahahee hoi, hoike oia i ka hoopunipuni.
Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18 Olelo kekahi e like me ka hou ana o ka pahikaua; A o ke elelo o ka poe naauao, ma ka hoola ia.
Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.
19 O na lehelehe oiaio, e mau ana no ia; O ke elelo wahahee e pau koke no ia.
Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
20 He hoopunipuni ma ka naau o ka poe manao ino; A no ka poe kukakuka i ka maluhia, he olioli.
Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.
21 Aole e loohia mai ka mea pono e ka poino; Aka, piha no ka poe hewa i na mea e ino ai.
Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
22 He mea hoopailua ia Iehova na lehelehe hoopunipuni; O ka poe hana ma ka oiaio, oia kona olioli.
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23 O ke kanaka noeau, e waiho ana ia ia ka ike; O ka naau o na naaupo, hoike wale no ia i ka lapuwale.
Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
24 O ka lima o ka poe hana mau e lilo oia i haku; O ka mea hoomolowa, malalo no ia o ka hookupu.
Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25 O ke kaumaha iloko o ka naau o ka kanaka, he mea e kulou iho ai; Aka, ma ka olelo maikai ia e hooluoluia'i.
Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26 Ua maikai ka mea pono mamua o kona hoanoho; O ka aoao o ka poe hewa, e hoowalewale oia ia lakou.
Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27 Aole o hopu ka molowa i kana mea ai; Aka, o ka waiwai o ke kanaka maikai, he gula ia.
Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
28 Ma ke ala pono ke ola, Ma kolaila kuamoo no hoi, aole e make.
Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.

< Solomona 12 >