< Na Helu 16 >

1 A KUKA iho la o Kora, ke keiki a Izekara, ke keiki a Kohata, ke keiki a Levi, a o Datana a me Abirama na keiki a Eliaba, a me Ona ke keiki a Peleta, na keiki a Reubena:
Ary Kora, zanak’ i Jizara, zanak’ i Kehata, zanak’ i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, sy Ona, zanak’ i Peleta, izay samy taranak’ i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
2 A ku iluna lakou me kekahi poe mamo a Iseraela imua o Mose, he elua haneri a me kanalima na luna o na kanaka, he poe pookela ma ke anaina kanaka, na kanaka kaulana:
ka nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’ Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady nanan-daza;
3 Houluulu ae la lakou e ku e ia Mose a ia Aarona, i mai la ia laua, He nui loa ka olua, no ka mea, ua laa ke anaina kanaka a pau loa, a o Iehova kekahi iwaena o lakou: no ke aha la hoi olua e hookiekie ae nei ia olua iho maluna o ke anaina kanaka o Iehova?
koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?
4 A lohe ae la o Mose, moe iho la ia ilalo ke alo.
Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
5 Olelo aku la ia ia Kora, a me kona poe a pau, i aku la, A kakahiaka ae, e hoike mai o Iehova i ka mea nona, a me ka mea laa; a e hookokoke aku ai ia ia io na la; o ka mea ana e koho ai, oia kana e hookokoke aku ai io na la.
ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
6 O keia ka oukou e hana'i; E lawe oukou i na ipukuniala, o Kora a me kona mau hoa a pau;
Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.
7 E hahao i ke ahi maloko, e hahao hoi i ka mea ala maloko imua o Iehova i ka la apopo: a o ka mea a Iehova e wae mai ai, oia ka mea laa: he nui loa ka oukou, e na mamo a Levi.
dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’ i Jehovah, dia izy no ho masìna; fa aoka izay ianareo, ry taranak’ i Levy!
8 I aku la o Mose ia Kora ma, Ke noi aku nei au ia oukou, e hoolohe mai oukou, e na mamo a Levi.
Dia hoy koa Mosesy tamin’ i Kora: Henoy, ry taranak’ i Levy:
9 He mea uuku anei ia oukou, i hookaawale ae ke Akua o ka Iseraela ia oukou mai ke anaina kanaka o ka Iseraela mai, e hookokoke oka ia oukou io na la, e hana i ka hana ma ka halelewa o Iehova, a e ku imua o ko anaina kanaka, e lawelawe na lakou?
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?
10 A ua hookokoke mai no oia ia oe a me kou poe hoahanau na mamo a Levi me oe: a ke imi nei anei hoi oukou i ka oihana kahuna?
Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak’ i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
11 No ia mea, ua akoakoa ae nei oe me ou poe a pau e ku e ia Iehova; heaha hoi o Aarona i ohumu aku ai oukou ia ia?
Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’ i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?
12 Hoouna aku la o Mose, e kii ia Datana laua o Abirama na keiki a Eliaba: i mai la hoi laua, Aole maua e hele aku.
Ary Mosesy naniraka nampaka an’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
13 He mea liilii anei kou lawe ana mai ia makou mailoko mai o ka aina e kahe ana o ka waiu a me ka meli, e pepehi ia makou ma ka waonahele, ke hiki ole ia oe e hoolilo ia oe iho i alii maluna o makou?
Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
14 Aole no hoi oe i lawe aku ia makou i ka aina e kahe ana o ka waiu a me ka melt, me ka haawi mai no makou i na kula a me na malawaina. K poalo anei oe i na maka o keia poe kanaka? Aole no maua e hele aku.
Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
15 Huhu loa iho la o Mose, a i aku la ia Iehova, Mai maliu mai oe i ka lakou mohai: aole au i lawe no'u i kekahi hoki o lakou, aole hoi au i hana eha aku i kekahi o lakou.
Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’ i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ ny anankiray aminy akory aza.
16 I aku la o Mose ia Kora, Apopo, e hele oe me ou poe a pau imua o Iehova, o oe, o lakou a me Aarona.
Dia hoy Mosesy tamin’ i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’ i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
17 E lawe hoi keia kanaka kela kanaka i kona ipukuniala, e hahao i ka mea ala maloko, a e lawe mai na kanaka o oukou a pau i ko lakou ipukuniala imua o Iehova, i elua haneri a me kanalima na ipukuniala; o oe hoi, a o Aarona, o kela mea keia mea me kona ipukuniala.
Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran’ afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’ i Jehovah, dia fitondran’ afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran’ afony avy.
18 A lawe ae la kela kanaka keia kanaka i kona ipukuniala, hahao iho la i ke ahi maloko, a kau i ka mea ala maluna, a ku ae la ma ka puka o ka halelewa o ke anaina me Mose a me Aarona.
Ary samy naka ny fitondran’ afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy mbamin’ i Mosesy sy Arona.
19 Houluulu ae la o Kora i ke anaina kanaka a pau ma ka puka o ka halelewa e ku e ia laua: a ikea ae la ka nani o Iehova e ke anaina kanaka a pau.
Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ ny fiangonana rehetra ny voninahitr’ i Jehovah.
20 Olelo mai la o Iehova ia Mose a me Aarona, i mai la,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
21 K hookaawale ae olua ia olua iho mai keia anaina kanaka aku, i hoopau koke ai au ia lakou.
Mihataha amin’ ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja.
22 Moe iho la laua, ilalo ke alo, i aku la, E ke Akua, ke Akua o na uhane o na kanaka a pau, a i hewa ke kanaka hookahi, e inaina mai no anei oe i ke anaina kanaka a pau?
Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
23 Olelo mai la o Iehova ia Mose, i mai la,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
24 E olelo aku oe i ke anaina kanaka, e i aku, E hookaawale ae ia oukou iho mai kela aoao a mai keia aoao aku o ka halelewa o Kora, o Datana a o Abirama.
Mitenena amin’ ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama.
25 Ku ae la o Mose, a hele aku la io Datana a me Abirama la, a hahai aku la na lunakahiko o ka Iseraela ia ia.
Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’ i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ ny Isiraely.
26 Olelo aku la ia i ke anaina kanaka, i aku la, E hookaawale aku ia oukou iho mai na halelewa aku o keia mau kanaka hewa, mai hoopa aku i kekahi mea o lakou nei, o make auanei oukou iloko o ko lakou hewa a pau.
Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
27 Alaila, haalele aku la lakou i ka halelewa o Kora a me Datana a me Abirama mai keia aoao a mai kela aoao aku: a puka mai la o Datana laua o Abirama iwaho, a ku mai la ma ka puka o ko laua mau halelewa, me ka laua mau wahine, me na keikikane a laua, a me ka laua mau keiki uuku.
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy mbamin’ ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
28 I aku la o Mose, Ma keia mea e ike ai oukou, owau no ka Iehova i hoouna mai nei e hana i keia mau hana a pau; no ka mea, aole ia na kuu manao iho.
Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ ny saiko izany:
29 Ina paha e make keia poe kanaka e like me ka make ana o na kanaka a pau, a i ikeia'ku lakou e like me ka ikeia'na o na kanaka a pau, alaila aole na Iehova wau i hoouna mai.
Raha maty toy ny fahafatin’ ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
30 Aka ina e hana mai o Iehova i ka mea hou, a hamama ae ka honua i kona waha, a moni iho ia lakou nei, me na mea a pau ia lakou, a iho koke lakou ilalo i ka lua; alaila e ike pono oukou, ua hoonaukiuki aku keia mau kanaka ia Iehova. (Sheol h7585)
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’ izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita’ izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’ i Jehovah ireo lehilahy ireo. (Sheol h7585)
31 A i ka manawa i hooki ai oia i ka olelo ana i keia mau mea a pau, naha'e la ka honua malalo iho o lakou:
Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
32 A hamama ae la ka honua i kona waha, ale iho la ia lakou, me ko lakou mau hale, a me na kanaka a pau i pili aku ia Kora, a me ko lakou waiwai a pau.
eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
33 O lakou a me ko lakou mea a pau, iho ola iho la iloko o ka lua, a paa hou mai la ka honua maluna o lakou; a make iho la lakou maiwaena aku o ke anaina kanaka. (Sheol h7585)
Dia latsaka velona ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’ izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ ny fiangonana intsony izy. (Sheol h7585)
34 A holo aku la ka Iseraela a pau ma kela aoao a ma keia aoao o lakou, i ko lakou hooho ana; i ae la lakou, O ale auanei ka honua ia kakou.
Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
35 Puka mai la ke ahi mai o Iehova mai, a ai mai la i na kanaka elua haneri me kanalima, o ka poe i mohai aku i ka mea ala.
Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
36 Olelo mai la o Iehova ia Mose, i mai la,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
37 E olelo aku ia Eleazara ke keiki a Aarona, ke kahuna, e lawe ia i na ipukuniala mailoko ae o ke ahi, a e hoolei aku i ke ahi ma o; no ka mea, ua laa ia mau mea.
Mitenena amin’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ ny may ny fitondran’ afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masìna ireny;
38 O na ipukuniala o keia poe i hana hewa aku i ko lakou mau uhane, e hana lakou ia mau mea i mau pa palahalaha, i uhi no ke kuahu: no ka mea, na kaumaha iho la lakou ia mau mea imua o Iehova, nolaila ua laa; a e lilo lakou i hoailona no na mamo a Iseraela.
ary ny fitondran’ afon’ ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’ i Jehovah ireny ka masìna; ary ho famantarana ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny.
39 A lawe ae la o Eleazara ke kahuna i na ipukuniala keleawe, i na mea a ka poe pau i ke ahi i mohai aku ai; a ua hanaia ua mau mea la i mau pa palahalaha no ke kuahu:
Ary nalain’ i Eleazara mpisorona ny fitondran’ afo varahina, izay efa nanateran’ ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ ny alitara
40 I mea hoomanao no na mamo a Iseraela, i ole ai ke kanaka e, ka mea aole na ka hua a Aarona, e hele mai a kokoke e kuni i ka mea ala imua o Iehova, i like ole ai ia me Kora, a me kona poe; me ka Iehova i olelo mai ai ia ia ma ka lima o Mose.
ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
41 Ia la ae, ohumu ae la ke anaina kanaka a pau o na mamo a Iseraela, ia Mose a ia Aarona, i mai la, Ua make ia olua ko Iehova poe kanaka.
Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’ i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’ i Jehovah.
42 Aia akoakoa ae ke anaina kanaka e ku e ia Mose a ia Aarona, nana ae la lakou i ka halelewa o ke anaina, aia hoi, uhi mai la ke ao, a ikea mai la hoi ka nani o Iehova.
Ary raha niangona hanome tsiny an’ i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’ i Jehovah.
43 Hele aku la o Mose laua o Aarona imua o ka halelewa o ke anaina.
Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.
44 Olelo mai la o Iehova ia Mose, i mai la,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
45 E hookaawale ae ia olua iho maiwaena ae o keia anaina kanaka, i hoopau koke ai au ia lakou. A moe iho la laua ilalo ke alo.
Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
46 I aku la o Mose ia Aarona, E lawe oe i wahi ipukuniala, a e hahao i ke ahi maloko mailuna mai o ke kuahu, e kau hoi i ka mea ala maluna, a e hele koke aku i ke anaina kanaka, a e hookalahala no la kou; no ka mea, ua hele aku la ka inaina mai o Iehova aku; ua hoomakaia ke ahulau.
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Alao ny fitondran’ afo, ka asio afo avy eo ambonin’ ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’ i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
47 Lawe aku la o Aarona, e like me ka Mose i kauoha'i, a holo aku la iwaena o ke anaina kanaka; aia hoi, ua hoomakaia ke ahulau iwaena o ka poe kanaka: kau iho la ia i ka mea ala, a hookalahala aku la no ka poe kanaka.
Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.
48 Ku iho la ia iwaena o ka poe make a me ka poe ola; a hookiia iho la ke ahulau.
Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
49 A o ka poe i make i ke ahulau, he umikumamaha tausani a me na haneri ehiku; he okoa ka poe i make no ka mea o Kora.
Ary izay efa matin’ ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’ i Kora.
50 A hoi hou ae la o Aarona io Mose la, ma ka puka o ka halelewa o ke anaina: a ua hookiia ke ahulau.
Ary Arona niverina ho eo amin’ i Mosesy teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.

< Na Helu 16 >