< Nehemia 12 >

1 EIA na kahuna a me na Levi i pii ae la me Zerubabela ke keiki a Sealetiela a me Iesua: o Seraia, Ieremia, Ezera,
Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
2 Amaria, Maluka, Hatusa,
Amaria, Maloka, Hatosy,
3 Sekania, Rehuma, Meremota,
Sekania, Rehoma, Meremota,
4 Ido, Gineto, Abia,
Ido, Ginetoy, Abia,
5 Miamina, Maadia, Bilega,
Miamina, Madia, Bilga,
6 Semaia, a me Ioiariba, Iedaia,
Semaia, Joiariba, Jedaia,
7 Salu, Amoka, Hilekia, Iedaia. Oia ka poe koikoi o na kahuna a me ko lakou poe hoahanau i na la o Iesua.
Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan’ ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin’ ny andron’ i Jesoa.
8 A o na Levi: Iesua, Binui, Kademiela, Serebia, Iuda, Matania; oia a me kona poe hoahanau ka poe maluna o ka hoolea ana'ku.
Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ ny fiderana.
9 A o Bakebukia, a me Uni a me ko laua mau hoahanau, ma ke alo aku lakou o kela poe ma ke kiai ana.
Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin’ ireo, dia nifanandrify tamin’ ny anjara-raharahany.
10 A na Iesua o Ioiakima, a na Ioiakims o Eliasiba, a na Eliasiba o Ioiada,
Ary Jesoa niteraka an’ i Joiakima; ary Joiakima niteraka an’ i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an’ i Joiada;
11 A na Ioiada o Ionatana, a na Ionatana o Iadua.
ary Joiada niteraka an’ i Jonatana; ary Jonatana niteraka an’ i Jadoa.
12 I na la ia Ioiakima, he poe kahuna, he poe koikoi lakou o na makua: na Seraia o Meraia, na Iremia o Hanania,
Ary tamin’ ny andron’ i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’ i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’ i Jeremia dia Hanania;
13 Na Ezera o Mesulama, na Amaria o Iehohanana,
ny avy tamin’ i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin’ i Amaria dia Johanana;
14 Na Meliku o Ionatana, na Sebania o Iosepa,
ny avy tamin’ i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin’ i Sebania dia Josefa;
15 Na Harima o Adena, na Meraiota o Helekai,
ny avy tamin’ i Hadma dia Adna; ny avy tamin’ i Meraiota dia Helkay;
16 Na Ido o Zekaria, na Ginetonao Mesulama,
ny avy tamin’ Ido dia Zakaria; ny avy tamin’ i Ginetona dia Mesolama;
17 Na Abiia o Zikeri, na Miniamina, na Moadia o Piletai,
ny avy tamin’ i Abia dia Zikry; ny avy tamin’ i Miniamina, avy tamin’ i Moadia, dia Piltahy;
18 Na Bilega o Samua, na Semaia o Iehonatana,
ny avy tamin’ i Bilga dia Samoa; ny avy tamin’ i Semaia dia Jonatana;
19 A na Ioiariba o Matenai, na Iedaia o Uzi,
ny avy tamin’ i Joariba dia Matenay; ny avy tamin’ i Jedaia dia Ozy;
20 Na Salai o Kalai, na Amoka o Ebera;
ny avy tamin’ i Salay dia Kalay; ny avy tamin’ i Amoka dia Ebera;
21 Na Hilekia o Hasabia, na Iedaia o Nataneela.
ny avy tamin’ i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin’ i Jedaia dia Netanela.
22 O na Levi i na lu ia Eliasiba, Ioiada, a me Iohanana, a me Iadua, ua kakauia lakou he poe koikoi o na makua; pela no hoi na kahuna a hiki i ke kau ia Dariu no Peresia.
Tamin’ ny andron’ i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan’ ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy Persiana.
23 O na mamo a Levi, ka poe koikoi o na makua, ua kakauia lakou ma ka buke o ka Oihanaalii a hiki i na la ia Iohanana ke keiki a Eliasiba.
Ny taranak’ i Levy, lohan’ ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantara hatramin’ ny andron’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba.
24 A o ka poe koikoi o na Levi, o Hasabia, Serebeia a me Iesua ke keiki a Kademiela, a o na hoahanau o lakou ma ko lakou alo aku e hoonani a e hoolea aku, e like me ke kauoha a Davids ke kanaka o ke Akua, he papa ma ke alo aku o kekahi papa.
Ary ny lohan’ ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’ i Kadmiela, mbamin’ ny rahalahin’ ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
25 O Matania, a me Bakebukia, o Obadia, Mesulama, Telemona, Akuba, he poe kiaipuka lakou e kiai ana ma na waihonawaiwai o na puka.
Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin’ ny trano firaketana.
26 Oia no ka poe i na la ia Ioiakima ke keiki a Iesua, ke keiki a Iozadaka, a i na la ia Nehemia ke kiaaina, a me Ezera ke kahuna, ke kakauolelo.
Ireo no tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy tamin’ ny andron’ i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
27 A i ka hoolaa ana o ka pa o Ierusalems, imi aku la lakou i na Levi mailoko mai o na wahi a pau loa o lakou, e hoakoakoa mai ia lakou i Ierusalema, e hana i ka hoolaa ana me ka olioli, a me ka hoolea ana'ku a me ke mele, me na kimebala, na lira a me na mea kani.
Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
28 Hoakoakoaia mai la ka poe mele mai ka papu mai a puni Ierusalema, a mai na kauhale o ko Netopa.
Dia niangona ny mpihira avy tamin’ ny tany lemaka manodidina an’ i Jerosalema sy ny avy tamin’ ny vohitry ny Netofatita
29 A mailoko mai o Gilegala, a mai na aina mai o Geba a me Azemaveta: no ka mea, ua kukulu ka poe mele i mau kauhale no lakou a puni Ierusalema.
sy Beti-gilgala ary ny sahan’ i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’ i Jerosalema ny mpihira.
30 Huikala iho la na kahuna a me na Levi ia lakou iho, a huikala no hoi lakou i ka poe kanaka a me na puka a me ka pa.
Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
31 Alaila alakai ae la au i na luna o ka Iuda maluna ae o ka pa, a hoomakaukau iho la au i elua poe nui e hoolea, e hele ae ma ka aoao akau aku kekahi, maluna ae o ka pa a i ka puka lepo.
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin’ ny ankavanana teo ambonin’ ny manda ho amin’ ny vavahadin-jezika;
32 A hele ae la mahope o lakou o Hosaia, a me ka hapalua o na luna o ka Iuda,
ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin’ ny Joda,
33 A me Azaria, Ezera, a me Mesulama,
dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
34 Iuda a me Beniamina a me Samaia a me Ieremia,
sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
35 A me kekahi o na keiki a na kahuna me na pu puhi; o Zekaria ke keiki a Ionatana, ke keiki a Semaia, ke keiki a Matania, ke keiki a Mikaia, ke keiki a Zakura, ke keiki a Asapa;
ary ny sasany tamin’ ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Semaia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mikaia, zanak’ i Zakora, zanak’ i Asafa,
36 A me kona mau hoahanau, o Semaia a me Azaraela, Milalai, Gilalai, Maai, Netaneela a me Iuda, Hanani, me na mea kani a Davida ke kanaka o ke Akua: a o Ezera ke kakauolelo mamua ia o lakou.
mbamin’ ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan’ ireo.
37 A ma ka puka waipuna e ku pono ana i ko lakou alo, pii ae la lakou ma na anuunuu o ke kulanakauhale o Davida ma kahi kiekie o ka pa, maluna aku o ka hale o Davida, a i ka puka wai ma ka hikina.
Ary hatreo amin’ ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongan’ ny Tanànan’ i Davida, tamin’ ny fiakarana amin’ ny manda eo ambonin’ ny tranon’ i Davida ka hatramin’ ny vavahadin-drano eo atsinanana.
38 A o ka lua o ka poe hoolea, hele ae la lakou ma ka aoao hema aku, a owau mahope o lakou, a me ka hapalua o ka poe kanaka maluna ae o ka pa, a maluna ae o ka halekiai ma kahi o na umu a hiki i ka pa palahalaha;
Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin’ ny manda hatreo ambonin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin’ ny manda lehibe,
39 A maluna ae o ka puka o Eperaima, a maluna ae o ka puka kahiko, a maluna o ka puka ia, a me ka halekiai o Hananeela, a me ka halekiai o Mea, a hiki i ka puka hipa; a ku lakou ma ka puka halepaahao.
ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.
40 Ku iho la na poe hoolea elua iloko o ka hale o ke Akua, a owau hoi, a me ka hapalua o na luna me au;
Dia nijanona tao an-tranon’ Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
41 A me na kahuna; Eliakima, Maaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenai, Zekaria, Hanania, me na pu;
ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
42 A me Maaseia, a me Semaia, a me Eleazara, a me Uzi a me Iehohanana, a me Malekia, a me Elama, a me Ezera. A hoolea aku la ka poe mele, a me Iezerahia ko lakou luna.
ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
43 Mohai aku la lakou ia la i na mohai nui, a hauoli iho la; no ka mea, ua hoohauoli ke Akua ia lakou me ka olioli nui; hauoli no hoi na wahine a me na kamalii; a lohea ka hauoli ana o Ierusalema ma kahi loihi.
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin’ izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
44 A hoonohoia ia la kekahi poe kanaka maluna o na keena no na mea laa, no na makana, no na hua mua, a no na hapaumi, e hoiliili iloko olaila, na na aina mai o na kulanakauhale, i na haawina i kauohaia'i no ka poe kahuna a me na Levi; no ka mea, hauoli iho la ka Iuda maluna o na kahuna a maluna o na Levi e ku mai ana.
Ary tamin’ izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian’ ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
45 Malama iho la ka poe mele a me ka poe kiaipuka i ka oihana a ko lakou Akua, a me ka oihana o ka huikala ana, e like me ke kauoha a Davida, a me Solomona kana keiki.
Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin’ Andriamaniny sy ny amin’ ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin’ i Davida sy Solomona zanany.
46 No ka mea, i na la o Davida a me Asapa, mai ka wa kahiko mai, he poe luna no maluna o ka poe mele, a he mau mele no e hoolea aku ai a e hoonani aku ai i ke Akua.
Fa fahiny tamin’ ny andron’ i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’ Andriamanitra.
47 A i na la o Zerubabela a i na la o Nehemia, haawi mai la ka Iseraela a pau i na haawina no ka poe mele a me ka poe kiaipuka, kekahi i kela la i keia la: a hoano ae la lakou i na mea no na Levi; a hoano ae la o na Levi no na mamo a Aarona.
Ary ny Isiraely rehetra tamin’ ny andron’ i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran’ ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan’ andro; ary nanokana izay ho an’ ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ ny taranak’ i Arona.

< Nehemia 12 >