< Nehemia 11 >

1 NOHO iho la na luna o ka poe kanaka iloko o Ierusalema; a o ke koena o ka poe kanaka, hailona iho la lakou e lawe i hookahi noloko mai o ka umi e noho iloko o Ierusalema ke kulanakauhale laa, a o na mea eiwa iloko o na kulanakauhale e ae.
Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
2 Hoomaikai aku la ka poe kanaka i na kanaka a pau i haawi oluolu ia lakou iho e noho iloko o Ierusalema.
Ary nisaoran’ ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
3 Eia ka poe koikoi o ka aina, ka poe i noho iloko o Ierusalema; aka, iloko o na kulanakauhale o Iuda, noho iho la kela kanaka keia kanaka ma kahi i hoiliia nona iloko o ko lakou mau kulanakauhale, o ka Iseraela, o na kahuna, a me na Levi, a me ka poe Netini a me na mamo a na kauwa a Solomona.
Ary izao no ben’ ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ ny Joda samy nonina tao amin’ ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona.
4 Noho iho la iloko o Ierusalema kekahi poe o na mamo a Iuda, a me na mamo a Beniamina. O na mamo a Iuda, o Ataia ke keiki a Uzia, ke keiki a Zekaria, ke keiki a Amaria, ke keiki a Sepatia, ke keiki a Mahalaleela, o na mamo a Pereza;
Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Benjamina. Ny avy tamin’ ny taranak’ i Joda dia Ataia, zanak’ i Ozia, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Amaria, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Mahalalila, avy tamin’ ny taranak’ i Fareza;
5 A o Maaseia ke keiki a Baruka, ke keiki a Kalahoze, ke keiki a Hazaia, ke keiki a Adaia, ke keiki a Ioiariba, ke keiki a Zekaria, ke keiki a Siloni.
ary Mahaseia, zanak’ i Baroka, zanak’ i Kola-hoze, zanak’ i Hazaia, zanak’ i Adaia, zanak’ i Joariba, zanak’ i Zakaria, zanak’ ilay Silonita.
6 O na mamo a pau a Pereza i noho iloko o Ierusalema, eha haneri a me kanaonokumamawalu kanaka koa.
Ny taranak’ i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
7 Eia ka poe mamo a Beniamina, o Salu ke keiki a Mesulama, ke keiki a Ioeda, ke keiki a Pedaia, ke keiki a Kolaia, ke keiki a Maaseia, ke keiki a Itiela, ke keiki a Iesaia.
Ary izao no taranak’ i Benjamina: Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Joeda, zanak’ i Pedaia, zanak’ i Kolaia, zanak’ i Mahaseia, zanak’ Itiela, zanak’ i Jesaia;
8 A mahope ona Gabai, Salai, eiwa haneri a me ka iwakaluakumamawalu.
ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
9 A o Ioela ke keiki a Zikeri ka luna maluna o lakou; a o Iuda ke keiki a Senua ka mea maluna o ka mokuna alua o ke kulanakauhale.
Ary Joela, zanak’ i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak’ i Senoa, no lefitry ny komandin’ ny tanàna.
10 O kekahi poe o na kahuna; o Iedaia ke keiki a Ioiariba, o Iakina;
Ny avy tamin’ ny mpisorona dia Jedaia, zanak’ i Joariba, ary Jakina.
11 O Seraia ke keiki a Hilekia, ke keiki a Mesulama, ke keiki a Zadoka, ke keiki a Meraiota, ke keiki a Ahituba, ka luna o ka hale o ke Akua.
Ary Seraia, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
12 A o ko lakou poe hoahanau ka poe nana i hana i ka hana o ka hale, ewalu haneri a me ka iwakaluakumamalua; a me Adaia, ke keiki a Ierohama, ke keiki a Pelalia, ke keiki a Amezi, ke keiki a Zekaria, ke keiki a Pasura, ke keiki a Malekia,
Ary ny rahalahin’ ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pelalia, zanak’ i Amzy, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia,
13 A me kona mau hoahanau, ka poe koikoi o na makua, elua haneri a me kanahakumamalua: a me Amasai ke keiki a Azareela, ke keiki a Ahezai, ke keiki a Mesilemota, ke keiki a Imera,
ary ny rahalahiny, izay samy lohan’ ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak’ i Azarela, zanak’ i Ahazay, zanak’ i Mesilemota, zanak’ Imera,
14 A me ko lakou mau hoahanau, he poe koa ikaika, hookahi haneri a me ka iwakaluakumamawalu; a o ka luna maluna o lakou o Zabediela, kekahi o ka poe koikoi.
mbamin’ ny rahalahin’ ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak’ i Hagedolima, no mpifehy azy.
15 A o kekahi poe o na Levi; o Semaia ke keiki a Hasuba, ke keiki a Azerikama, ke keiki a Hasabia, ke keiki a Buni;
Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Bony;
16 A me Sabetai a me Iozabada, na mea maluna o ka hana mawaho no ka hale o ke Akua, kekahi o ka poe koikoi o ka Levi;
ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin’ ny lohan’ ny Levita, no tonian’ ny raharaha teo ivelan’ ny tranon’ Andriamanitra.
17 A me Matania ke keiki a Mika, ke keiki a Zabedi, ke keiki a Asapa, ka luna puana o ka mele ma ka pule ana; a me Bakebukia malalo iki ae o kona poe hoahanau, a me Abeda, ke keiki a Samua, ke keiki a Galala, ke keiki a Iedutuna.
Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona.
18 O na Levi a pau iloko o ke kulanakauhale hoano, elua haneri a me kanawalukumamaha.
Ny Levita rehetra tao an-tanàna masìna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
19 A o na kiaipuka, o Akuba, o Talemona a me ko laua mau hoahanau, ka poe i kiai i na puka, hookahi haneri a me kanahikukumamalua
Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin’ ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.
20 A o ke koena o ka Iseraela, ka poe kahuna, na Levi, iloko no lakou o na kulanakauhale a pau o Iuda, kela kanaka keia kanaka ma kahi i hoiliia nona.
Ary ny sisa tamin’ ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ ny zara-taniny avy.
21 Noho iho la ka poe Netini iloko o Opela; a maluna o ka poe Netini, o Ziha a me Gisepa.
Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
22 A o ka luna o na Levi iloko o Ierusalema, o Uzi ke keiki a Bani, ke keiki a Hasabia, ke keiki a Matania, ke keiki a Mika. Noloko mai o ka poe mamo a Asapa, ka poe mele ma ka hana ana iloko o ka hale o ke Akua.
Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin’ ny raharaha momba ny tranon’ Andriamanitra dia Ozy, zanak’ i Bany, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mika, isan’ ny mpihira, taranak’ i Asafa.
23 No ka mea, kauoha ae la ke alii ia lakou i haawiia i ka poe mele kekahi oihana i kela la i keia la.
Fa ny didin’ ny mpanjaka ny amin’ ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan’ andro.
24 A o Petahia ke keiki a Mesezabeela, kekahi o na mamo a Zera ke keiki a Iuda, ma ko ke alii aoao no ia, i na mea a pau i pili i na kanaka.
Ary Petahia, zanak’ i Mesezabela, isan’ ny taranak’ i Zera, zanak’ i Joda, dia teo anilan’ ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ ny olona.
25 No na kauhale ma ko lakou mau aina: noho iho la kekahi poe mamo a Iuda ma Kiriata-areba a me na kauhale e pili pu ana me ia. a ma Dibona a me na kauhale e pili pu ana me ia, a ma Iekabezeela a me na kauhale e pili pu ana me ia,
Fa ny amin’ ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
26 A ma Iesua, a ma Molada, a ma Beta-peleta,
ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
27 A ma Hazara-suala, a ma Beeraseba, a me na kauhale e pili pu ana me ia,
sy Hazara-soala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
28 A ma Zikelaga, a ma Mekona, a me na kauhale e pili pu ana me ia,
ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,
29 A ma Ena-rimona a ma Zarea, a ma Iaremuta,
ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
30 Zanoa, Adulama, a me na kauhale e pili pu ana me lakou, ma Lakisa, a me na aina e pili pu ana me ia, ma Azeka, a me na kauhale e pili pu ana me ia. Noho iho la lakou mai Beeraseba aku a i ke awawa o Hinoma.
sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy.
31 A o na mamo a Beniamina, mai Geba aku a ma Mikemasa a me Aia, a me Betela, a me na kauhale e pili pu ana me ia,
Ary ny taranak’ i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
32 Ma Anatots, Noba, Anania,
ary tany Anatota sy Noba sy Anania
33 Hazora, Rama, Gitaima,
sy Hazora sy Rama sy Gitaima
34 Hadida, Zeboima, Nebalata,
sy Hadida sy Zeboïma sy Nebala
35 Loda, a me Ono, ke awawa o ka poe kahuna hana.
sy Loda sy Ono, lohasahan’ ny mahay tao-zavatra.
36 A o ka poe no na Levi, ua maheleia lakou ma Iuda a ma Beniamina.
Ary tao amin’ ny Benjamina nisy Levita, izay isan’ ny antokon’ ny Joda.

< Nehemia 11 >