< Lunakanawai 8 >
1 OLELO aku la na kanaka o Eperaima ia ia, Heaha keia mea au i hana mai ai ia makou, i kou hea ole ana mai ia makou, i kou wa i hele aku ai e kaua me ko Midiana? Ikaika loa ko lakou hoopaapaa ana ia ia.
Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Efraima tamin’ i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2 Olelo ae la oia ia lakou, Heaha ka'u i hana'i me ka oukou? Aole anei i oi ke koena ai no Eperaima mamua o ka hoiliili ana o ka Abiezera?
Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’ i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’ i Abiezera?
3 Ua haawi mai ke Akua i ko oukou lima i na'lii o Midiana, o Oreba, a me Zeeba. Heaha ka mea i hiki ia'u ke hana e like me ka oukou? Alaila, i kana olelo ana pela, maha ae la ko lakou huhu ia ia.
Teo an-tananareo no nanoloran’ Andriamanitra ny andrianan’ ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ ireo taminy.
4 Hele mai la o Gideona i Ioredane, a maalo ae la i kela aoao, oia a me ia mau haneri kanaka ekolu pu me ia, ua makaponiuniu, e hahai ana nae.
Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
5 I ae la ia i kanaka o Sukota, Ke nonoi aku nei au ia oukou, e haawi mai i mau popo berena na ka poe e hahai ana ia u; no ka mea, ua makaponiuniu lakou, a e hahai ana au ia Zeba, a me Zalemuna, i na'lii o ko Midiana.
Ary hoy izy tamin’ ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’ i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ ny Midiana.
6 I mai la na'lii o Sukota, Ua loaa anei na lima o Zeba, laua o Zalemuna i kou lima, i haawi aku ai makou i berena na kou poe kaua?
Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
7 I ae la o Gideona, No ia mea, i ka wa e haawi mai ai o Iehova ia Zeba, laua o Zalemuna, i ko'u lima, alaila e kahi au i ko oukou io i ke kakalaioa a me na mea ooi o ka nahelehele.
Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr’ i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin’ ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.
8 Pii aku la ia, mai laila aku, a i Penuela, a olelo aku la ia lakou pela. I mai la na kanaka o Penuela ia ia, e like me ka na kanaka o Sukota i i mai ai.
Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ ny mponina tao Sokota ihany.
9 Olelo ae la ia i na kanaka o Penuela, i aku la, A hoi mai au me ka malu, alaila, e wawahi au i keia halekiai.
Dia niteny tamin’ ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
10 E noho ana o Zeba, laua o Zalemuna ma Karekora, a o ko laua mau puali pu me laua, he umikumamalima tausani paha, o ka poe a pau i koe o na puali o ka poe i noho ma ka hikina. Ua haule hookahi haneri me ka iwakalua tausani kanaka, unuhi pahi.
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
11 Pii aku la o Gideona ma ke ala o ka poe noho ma na halelewa, ma ka hikina o Noba, a me Iogebeha, a luku aku la i ka puali; no ka mea, e noho makau ole ana ka puali.
Ary Gideona niakatra tamin’ ny lalan’ ny mpitoetra an-day, atsinanan’ i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
12 Hee aku la o Zeba, laua o Zalemuna, a hahai aku la ia ia laua, a pio iho la ia ia na'lii elua o Midiana, o Zeba a me Zalemuna, a auhee aku la ka puali a pau.
Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
13 Hoi mai la o Gideona, ke keiki a Ioasa, mai ke kaua ana mai, mamua o ka hiki ana a ka la.
Dia niverina avy tamin’ ny ady Gideona, zanak’ i Joasy, avy teo amin’ ny fiakarana Heresa;
14 Paa iho la ia ia kekahi kanaka ui o Sukota, a ninau aku la ia ia, a hoike mai la oia ia ia i na'lii o Sukota a me kolaila poe lunakahiko, he kanahikukumamahiku kanaka.
ary nisambotra zatovo tamin’ ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ ilay zatovo ny anaran’ ireo andrianan’ i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
15 Hele mai la ia i kanaka o Sukota, i ae la, Eia hoi o Zeba, laua o Zalemuna, na mea a oukou i hoowahawaha mai ai ia'u, i ka i ana mai, Ua loaa anei na lima o Zeba laua o Zalemuna i kou lima, i haawi aku ai makou i ka berena na kou poe kanaka makaponiuniu?
Ary Gideona dia nankany amin’ ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
16 Lalau iho la ia i na lunakahiko o ia kulanakauhale, a me ke kakalaioa, a me na mea oioi o ka nahelehele, a me ia mau mea no ia i ao aku ai i na kanaka o Sukota.
Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
17 Wawahi iho la no hoi ia i ka halekiai o Penuela, a luku aku la i kanaka o ia kulanakauhale.
Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
18 Alaila, ninau aku la oia ia Zeba laua o Zalemuna, Heaha ke ano o na kanaka a olua i pepehi ai ma Tabora? I mai la laua, E like me oe nei, pela lakou. Ua like lakou a pau me na keiki alii.
Dia hoy izy tamin’ i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’ andriana avokoa izy rehetra.
19 I aku la keia, he poe hoahanau lakou no'u, he poe keiki na ko'u makuwahine. Me Iehova e ola nei, ina i hoola olua ia lakou, ina aole au e pepehi aku ia olua.
Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
20 I mai la ia ia Ietera, i kana hiapo, E ku iluna, a pepehi ia laua. Aole unuhi ua keiki la i kana pahikaua; ua makau, no ka mea, he keiki ia.
Ary hoy izy tamin’ i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
21 Alaila, olelo mai o Zeba laua o Zalemuna, E ku mai oe, a e pepehi mai ia maua, no ka mea, e like me ke kanaka, pela kona ikaika. Ku ae la o Gideona, a pepehi iho la ia Zeba, laua o Zalemuna, a lawe oia i na lei o na a-i o ka laua mau kamelo.
Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’ i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ ny vozon’ ny ramevany.
22 Alaila, olelo aku la na kanaka o ka Iseraela ia Gideona, I alii oe maluna o makou, o oe a me kau keiki, a me ke keiki a kau keiki; no ka mea, ua hoola mai oe ia makou, mailoko ae o ka lima o ko Midiana.
Dia hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny Midiana ianao.
23 I mai la o Gideona ia lakou, aole au e lilo i alii maluna o oukou, aole e lilo ka'u keiki i alii maluna o oukou. E lilo no o Iehova i alii maluna o oukou.
Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
24 I mai la o Gideona ia lakou, He manao nonoi aku ko'u e nonoi aku ai ia oukou, e haawi mai kela kanaka keia kanaka o oukou ia'u, i na apo pepeiao o kona mea pio. (He apo pepeiao gula ko lakou, no ka mea, no ka Isemaela lakou.)
Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
25 I mai la lakou, E haawi io no makou. Hohola iho la lakou i lole, a hoolei iho la kela kanaka keia kanaka i na apo pepeiao o kona pio maluna iho.
Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ ny babony teo.
26 O ke kaumaha o ia mau apo pepeiao, ana i noi aku ai, hookahi ia tausani ehiku haueri sekela gula; a keu aku na lei, a me na momi pepeiao, a me ka lole poni mahana o na'lii o ko Midiana, a me na lei ma na a-i o ka laua mau kamelo.
Ary ny lanjan’ ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ ireo mpanjakan’ ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ ny vozon’ ny ramevany.
27 Hana iho la o Gideona ia mea, i epoda, a waiho iho la ma kona kulanakauhale, ma Opera. Hahai aku la ilaila ka Iseraela a pau, e kuko ana mamuli o ia mea; a lilo iho la ia i mea e hihia'i no Gideona, a me ko kona hale.
Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany.
28 Pela i pio ai ko Midiana imua o na mamo a Iseraela, aole lakou i hoala hou i ko lakou poo. Kuapapanui iho la ka aina hookahi kanaha makahiki, i ke kau ia Gideona.
Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ ny andron’ i Gideona.
29 Hele aku la o Ierubaala ke keiki a Ioasa, a noho iho la ma kona hale iho.
Dia nandeha Jerobala, zanak’ i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
30 He kanahiku ka Gideona mau keikikane, mailoko aku o kona puhaka, no ka mea, ua nui loa kana poe wahine.
Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
31 A o kana haiawahine ma Se kema, oia kekahi i hanau mai i keikikane nana, a kapa aku la oia i kona inoa o Abimeleka.
Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
32 Make iho la o Gideona ke keiki a Ioasa, ua elemakule maikai, a kanuia oia ma ka ilina o kona makuakane, ma Opera, no ka Abiezara.
Dia maty Gideona, zanak’ i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ ny fasan’ i Joasy rainy tao Ofran’ ny Abiezrita izy.
33 A mahope iho o ka make ana o Gideona, huli hou aku la na mamo a Iseraela, a moe kolohe iho la me Baalima, a hoolilo iho la ia Baalaberita, i akua no lakou.
Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’ Isiraely ka nanao an’ i Bala-berita ho andriamaniny.
34 Aole hoomanao na mamo a Iseraela ia Iehova, i ko lakou Akua, i ka mea i hoola'e ia lakou mai ka lima aku o ko lakou poe enemi, ma na aoao a puni.
Ary ny Zanak’ Isiraely tsy nahatsiaro an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra nanodidina,
35 Aole lakou i lokomaikai aku i ko ka hale o Ierubaala, oia hoi o Gideona, e like me na mea maikai a pau ana i hana mai ai i ka Iseraela.
sady tsy nanao soa tamin’ ny taranak’ i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon’ i Gideona tamin’ ny Isiraely, izy.