< Isaia 43 >

1 A NO, penei ka olelo ana mai a Iehova, ka mea nana oe i hana, e Iakoba, Ka mea nana oe i hookumu, e Iseraela; Mai makau, no ka mea, ua hoola au ia oe; Ua hea aku au ia oe ma ka inoa; no'u no oe.
Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
2 Ia oe e hele mawaena o na wai, owau pu no me oe; A maloko hoi o na muliwai, aole oe e halanaia ia lakou; Ia oe e hele ae maloko o ke ahi, aole oe e wela; Aole hoi e ai aku ka lapalapa ahi ia oe.
Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
3 No ka mea, owau no Iehova kou Akua, Ka Mea Hemolele o ka Iseraela, kou mea e ola'i; Ua haawi au ia Aigupita, i panai nou, Ia Aitiopa, a me Seba hoi, i uku panai nou;
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
4 No ka mea, ua makamae oe ma ko'u mau maka, Ua hoomaikaiia hoi oe, a ua aloha aku au ia oe; Nolaila au e panai aku ai i na kanaka nou, A e lilo no na lahuikanaka i panai no kou ola.
Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ ny ainao.
5 Mai makau oe, no ka mea, owau pu no me oe; Na'u no e lawe mai i kau poe mamo, mai ka hikina mai, A e hoakoakoa no au i kau, mai ke komohana mai.
Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
6 E olelo aku no au i ke kukulu akau, E haawi mai; A i ke kukulu hema hoi. Mai aua oe; E kai mai i ka'u mau keiki kane, mai kahi loihi mai, A me ka'u mau kaikamahine, mai na kihi o ka honua;
Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
7 O na mea hoi a pau i heaia ma ko'u inoa, A no ko'u nani i hana aku ai au ia lakou; Na'u no i hookumu, na'u hoi i hana.
Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
8 E kai mai i ka poe kanaka makapo, he mau maka no nae ko lakou, A me na mea kuli hoi, he mau pepeiao no nae ko lakou.
Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
9 E hoakoakoaia mai ko na aina a pau, E hoiliiliia mai hoi na lahuikanaka a pau; Owai ka mea o lakou e hiki ia ia ke hai i keia, A hoiko mai hoi i na mea kahiko? E kai mai lakou i ko lakou poe ike maka, i hoaponoia'i lakou: A o lakou kekahi e hoolohe mai, a olelo, Ua oiaio.
Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
10 O oukou no ko'u poe ike maka, wahi a Iehova, O ka'u kauwa hoi ka mea a'u i wae ai, I ike mai oukou, a manaoio mai ia'u; A hoomaopopo hoi, owau no Ia, Mamua o'u, aohe akua i hanaia, Aole hoi auanei mahope o'u.
Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
11 Owau, owau no o Iehova, Aole hoi mea hoola e ae, owau wale no.
Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
12 Ua olelo aku no au, ua hoola aku hoi, A ua hoikeike aku hoi, i ka wa aole akua malihini iwaena o oukou: O oukou no ko'u poe ike maka, wahi a Iehova, Owau no ke Akua,
Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
13 Mamua aku o ka manawa, owau no Ia; Aohe mea hiki ke hoopakele, mai ko'u lima aku; Hana no au, a owai la ka mea hiki ke hooki mai?
Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
14 Ke olelo mai nei o Iehova, ke oukou Hoolapanai, Ka Mea Hemolele hoi o ka Iseraela, penei; Ua hoouna aku au i Babulona no oukou, A ua kiola au ilalo i ko lakou poe auhee a pau, A me ko Kaledea, ka poe e olioli ana i na moku.
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
15 Owau no Iehova, ko oukou Mea Hemolele, Ka mea nana i hana ka Iseraela, o ko oukou Alii.
Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
16 Penei i olelo mai ai o Iehova, Ka mea nana i hana i alanui ma ke kai, I kuamoo hoi maloko o na wai nui;
Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manao lalana eny amin’ ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ ny rano manonja,
17 Ka mea i hoopuka mai i ke kaakaua, a me ka lio, I ka poe koa, a me ka mea ikaika; Moe pu no lakou ilalo, aole ala hou, Ua kinaiia lakou, ua pio hoi, e like me ka uiki.
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
18 Mai hoomanao oukou i na mea mamua, Mai manao hoi i na mea kahiko.
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
19 Aia hoi, e hana ana au i mea hou; I keia manawa no ia e puka mai ai; Aole anei oukou e ike mai? He oiaio no, e hana no wau i alanui ma ka waonahele, A i kahawai hoi ma ka waoakua.
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ ny tany sao no hasiako ony;
20 E hoomaikai mai no ia'u ka holoholona o ke kula, O na iliohae a me na keiki iana; No ka mea, ua haawi au i ka wai ma ka waonahele, A me na muliwai ma ka waoakua, I mea e hoohainu ai i ko'u poe kanaka, i ko'u poe hoi i waeia.
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
21 I keia poe kanaka no a'u i hana'i no'u iho; Na lakou no e hai aku i ko'u nani.
Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
22 Aka, aole oe i hea mai ia'u, e ka Iakoba, Ua uluhua oe ia'u, e ka Iseraela.
Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely.
23 Aole oe i lawe mai ia'u i ka hipa o kou mau mohaikuni; Aole hoi oe i hoomaikai mai ia'u i kau mau mohai. Aole au i hookaumaha aku ia oe i ka alana, Aole hoi au i hooluhiluhi aku ia oe ma na mea ala.
Tsy nitondranao ny zanak’ ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
24 Aole oe i kuai i oheala na'u, i ke kala, Aole hoi oe i hoomaona mai ia'u i ke kelekele o kau mau mohai; Aka, ua hookaumaha mai oe ia'u, i kou mau hewa, Ua hooluhiluhi mai oe ia'u i kou mau hala,
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ ny saboran’ ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao.
25 Owau, owau no ka mea nana e holoi i kou mau hewa, no'u iho; Aole hoi au e hoomanao i kou mau hala.
Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
26 E hooeueu mai oe i ko'u manao; E hooponopono pu kakou; E hai mai hoi oe, i hoaponoia mai ai oe.
Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
27 Hewa no kou makuakane makamua, A ua kipi mai no hoi ia'u kau mau luna.
Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,
28 A e hoohaumia aku au i na luna hoano, A e haawi aku au i ka Iakoba no ka poino, A me ka Iseraela no ka hoinoia.
Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masìna ho tsy masìna, sy nanolorako an’ i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.

< Isaia 43 >