< Isaia 29 >

1 A UWE o Ariela, o Ariela, ke kulanakauhale, Kahi a Davida i noho ai! E hookui aku oukou i kekahi makahiki me kekahi makahiki; E hoomau hoi i ka ahaaina ana.
Lozan’ i Ariela’, lozan’ i Ariela, Tanàna nitoeran i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana;
2 E hookaumaha aku no wau ia Ariela, A e nui auanei ka ehneha a me ke kaniuhu, A e like auanei ia ia'u me Ariela.
Dia hampahory an’ i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
3 E hoomoana ku e aku au ia oe a puni, E hoopilikia aku au ia oe i na mea kaua, A e hana au i pakaua imua ou.
Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4 A e hoohaahaaia auanei oe, A e kamailio mai no oe, mailoko mai o ka honua, A mai ka lepo mai e hooliiliiia kau olelo ana; E like auanei kou leo me ko ka poe ninau kupapau mailoko mai o ka honua, E like no hoi kau olelo ana, me ka ioio ana, mai ka lepo mai.
Dia haetry ianao ka hiteny ao amin’ ny tany, ary ao amin’ ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin’ ny tany tahaka ny an’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin’ ny vovoka no ikiakiahan’ ny teninao.
5 E like auanei ka lehulehu o kou poe malahini, Me na huna uuku o ka lepo, E like no hoi ka lehulehu o ka poe ikaika me ka opala lele, E hiki wawe ia, ma ke sekona.
Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
6 E hele hoohikilele mai o Iehova o na kaua ia oe, Me ka hekili a me ke olai, Me ka uwalaau nui, a me ka puahiohio, Me ka ino, a me ka lapalapa ahi e hoopau ana.
Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hihavian’ ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7 E like me ka moe uhane, i ka wa e hihio ai i ka po, Pela auanei ka lehulehu o na lahuikanaka a pau, I kaua aku ia Ariela. Ka poe hoi i kaua aku i kona pakaua, A hookaumaha aku ia ia.
Ary ho tahaka ny fahitana eo amin’ ny nofy amin’ ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an’ i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
8 E like mo ka moe uhane ana o ka mea pololi, Aia hoi, ke ai la; aka i kona hikilele ana, Ua hakahaka kona naau; E like hoi me ka moe uhane ana o ka mea makewai, Aia hoi, ke inu la; aka i kona hikilele ana, Aia hoi, ua nawaliwali, a ua ikaika loa ka makemake o kona naau: Pela auanei ka lehulehu o na lahuikanaka a pau, E kaua ana i ka mauna o Ziona.
Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
9 E pihoihoi oukou, e kahaha hoi, E olioli no, a e makapo, Ua ona lakou, aole nae i ka waina, Ke hikaka nei, aole nae i ka wai ona.
Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin’ ny toaka.
10 Ua ninini mai o Iehova maluna o oukou i ka manao hiamoe loa, A ua hoopili hoi i ko oukou mau maka; Ua uhi no oia i na kahuna, a me ko oukou poe alii a me na kaula.
Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
11 I like ka hoike ana a pau ia oukou Me na olelo o ka buke i hoopaaia i ka wepa, A i haawiia ia i ka mea ike i ka palapala, me ka olelo aku, E heluhelu i keia, ke noi aku nei au ia oe; A i mai kela, Aole hiki ia'u, no ka mea, ua paa i ka wepa.
Ary ny fahitana ny amin’ izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12 A haawiia ka buke i ka mea ike ole i ka palapala, me ka olelo aku, Ke nonoi aku nei au ia oe, e heluhelu i keia; A i mai hoi oia, Aole au i ike i ka palapala.
Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
13 Nolaila i olelo mai ai ka Haku, No ka hookokoke ana mai o keia poe kanaka ia'u me ko lakou waha, A hoomaikai mai ia'u ma ko lakou lehelehe, A ua mamao aku ko lakou naau mai o'u aku nei, A mamuli o ke kauoha a kanaka lakou e ao ai i ka makau ia'u;
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
14 Nolaila au e hana aku ai i keia poe kanaka i ka mea kupanaha, I ka mea kupanaha a mana hoi; A e pau auanei ko akamai o ko lakou poe akamai, A e pee wale aku ka naauao o ka poe naauao.
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
15 Auwe ka poe imi e huna i ka ohumu ana mai o Iehova aku, A aia ma ka pouli ka lakou hana ana, A olelo mai no hoi lakou, Owai la ka mea nana mai ia makou? Owai la hoi ka mea ike mai ia makou?
Lozan’ izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’ i Jehovah, sady ao amin’ ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16 Auwe ko oukou lauwili! E manaoia anei ka lepo me ka mea nana i kawili: E olelo anei ka mea i hanaia i ka mea nana ia i hana, Aole ia i hana mai ia'u? E olelo anei ka mea i kapiliia i ka mea nana ia i kapili, Aole ia i ike?
Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17 Aole anei he manawa uuku e koe, A lilo o Lebanona i mahinaai hua nui? A lilo hoi ka mahinaai hua nui, i ululaau?
Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
18 A ia la, e lohe no ka mea kuli i na huaolelo o ka buke, A mailoko mai o ka pouli, a mailoko mai o ka poeleele, E nana mai ai na maka o ka poe makapo.
Amin’ izany andro izany dia ho ren’ ny marenina ny tenin’ ny taratasy, ary na dia ao amin’ ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ ny jamba.
19 E hoomahuahua no ka poe hoohaahaa i ka olioli ia Iehova, A e hauoli hoi ka poe hune o na kanaka i ka Mea Hemolele o ka Iseraela.
Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
20 No ka mea, ua oki loa ka mea oolea, Ua pau hoi ka mea hoowahawaha, Ua lakuia ka poe a pau i makaala i ka hewa:
Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin’ ny ratsy,
21 Ka poe i hoohewa mai i ke kanaka no ka olelo hookahi, A hoopahele hoi i ka mea hooponopono ma na pukapa, Aole hoi he kumu no ka lakou hana paewaewa ana i ka poe i pono.
Dia ireo manameloka olona amin’ ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin’ ny lainga foana.
22 Nolaila, no ka hale o Iakoba i olelo mai ai o Iehova, Ka mea i hoola ia Aberahama, Aole Iakoba o hilahila hou, Aole e nananakea hou kona maka.
Koa ny amin’ ny taranak’ i Jakoba dia izao no lazain’ i Jehovah, Izay nanavotra an’ i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23 A i kona ike ana i kana mau keiki, i ka hana a kuu lima, E hoolaa no lakou i ko'u inoa iwaenakonu ona, E hoolaa no lakou i ka Mea Hemolele o ka Iakoba, A e makau no hoi i ke Akua o ka Iseraela.
Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
24 E naauao auanei ka poe i lalau ma ka naau, E ao no hoi ka poe ku e, a o loaa ia lakou ka ike.
Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.

< Isaia 29 >