< Hebera 4 >
1 NO ia hoi, i ka waiho ana mai o ka olelo mua no ke komo ana iloko o kona wahi maha, e ao kakou o loaa ole ia i kekahi o oukou.
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 No ka mea, ia kakou kekahi i haiia mai ka euanelio e like me ia ia lakou; aka, o ka olelo i lohea, aole ia i hoopomaikai ia lakou, i ka hoopili ole ia me ka manaoio iloko o ka poe i lohe.
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
3 Aka hoi, o kakou ka poe manaoio ke komo iloko o kahi maha, me ia kana olelo ana, Pela hoi aui ko'u huhu i. hoohiki ai, aole lakou e komo iloko o ko'u wahi maha; oia hoi i ka pau ana o na hana mahope iho o ka hookumu ana o ke ao nei.
Fa isika izay nino no miditra amin’ izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: “Toy ny nianiako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”, na dia vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 No ka mea, ua olelo mai ia ma kekahi wahi no ka hiku o ka la, peneia, I ka hiku o ka la i hoomaha'i ke Akua i kana mau hana a pau.
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ ny teny anankiray araka izao: “Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ ny asany rehetra tamin’ ny andro fahafito”.
5 Eia hoi peneia, Aole lakou e komo iloko o ko'u wahi maha.
Ary amin’ izao koa: “Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”.
6 Oia hoi, no ke koe ana mai o ke komo ana o kekahi poe iloko o ua mea la, a o ka poe i hai mua ia'ku ai keia pono, aole lakou i komo no ka manaoio ole;
Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 Ua hoakaka hou mai ia i kekahi la, e olelo ana ma Davida, I keia la, i ka manawa mahope loa mai; ua oleloia mai peneia, I keia la i ko oukou lohe ana i kona leo, mai hoopaakiki i ko oukou naau.
dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin’ i Davida hoe: “Anio”, araka ny voalaza teo hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo”
8 No ka mea, ina ua hoomaha aku o Iosua ia lakou, ina aole ia i olelo hou no kekahi la okoa.
Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.
9 Nolaila hoi, e waiho ana no he wahi maha no na kanaka o ke Akua.
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ ny olon’ Andriamanitra.
10 A o ka mea hoi i komo iloko o kona wahi maha, ua hoomaha no ia i kana mau hana iho, me ke Akua la hoi i hoomaha ai i kana.
Fa izay niditra tao amin’ ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin’ ny asany, tahaka an’ Andriamanitra tamin’ ny Azy.
11 No ia mea, e hooikaika nui kakou e komo iloko o ia wahi maha, i ole ai e haule kekahi mamuli o ua manaoio ole la.
Koa aoka isika hazoto hiditra amin’ izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ ny tsi-finoana tahaka izany koa.
12 No ka mea, he ikaika, he mana hoi ko ka olelo a ke Akua, he oi nui kona mamua o ko ka pahikaua oi lua, e o ana a kaawale ke ola a me ka uhane, o na ami a me ka lolo; oia ka lunakanawai no ka noonoo a me ka naau.
Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo.
13 Aohe mea nalo i kona maka; aka, ua weheia, a ua akaka loa na mea a pau i ka maka o ka mea ia ia kakou e hai aku ai.
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’ izay iafaran’ ny ataontsika.
14 A, no ka loaa ana ia kakou ke kahuna nui, i hala aku i na lani, o Iesu, ke Keiki a ke Akua, e hoopaa kakou i ko kakou hooiaio ana.
Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’ Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
15 No ka mea, aole ia kakou ke kahuna i aloha ole mai i ko kakou nawaliwali; aka, o kekahi i hoowalewaleia'ku i na mea a pau me kakou la i hoowalewaleia mai ai, aole hoi ona hala.
Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16 Nolaila, e hookokoke aku kakou ma ka nohoalii aloha me ka manaolana, i alohaia mai kakou, a i loaa hoi ka lokomaikai e kokua mai ai i ka wa popilikia.
Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory.