< Kinohi 45 >

1 A LAILA aole e hiki ia Iosepa ke uumi iho i ke aloha iloko ona imua o lakou a pau, o ka poe i ku pu mai la me ia: a hea aku la ia, E hele aku na kanaka a pau iwaho, mai o'u aku nei. Aole i noho mai kekahi kanaka me ia, i ka manawa a Iosepa i hoike ai ia ia iho i kona poe hoahanau.
Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’ izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’ i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ ny rahalahiny azy izy.
2 Hooho ae la ia i kona leo me ka uwe nui ana: a lohe ae la na kanaka o Aigupita a lohe pu no ko ka hale o Parao.
Dia nitomany mafy izy, ka ren’ ny Egyptiana, ary ren’ ny tao an-tranon’ i Farao koa.
3 Olelo aku la o Iosepa i kona poe hoahanau, Owau no o Iosepa; ke ola la no anei ko'u makuakane? Aole i hiki ke ekemu iki mai kona poe hoahanau ia ia: no ka mea, makau nui iho lakou imua ona.
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4 A olelo aku la o Iosepa i kona poe hoahanau, E neenee mai oukou io'u nei. A neenee mai la lakou. Olelo aku la ia, Owau no o Iosepa, ko oukou kaikaina a oukou i kuai ai iloko o Aigupita.
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5 Eia hoi, mai hookaumaha oukou, aole hoi e huhu oukou ia oukou iho i ka oukou kuai ana ia'u ia nei. No ka mea, na ke Akua au i hoouna mai mamua o oukou e hoola aku.
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6 No ka mea, ua wi ae nei ka aina i keia mau makahiki elua; a elima hoi makahiki e koe, aole e mahi, aole hoi e ohi mai.
Fa roa taona izao no efa nisian’ ny mosary teto amin’ ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7 A ua hoouna mai ke Akua ia'u mamua o oukou, e hookoe aku ia oukou ma ka honua, a e hoola ia oukou i ke ola nui.
Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ ny tany, fa hamelona anareo amin’ ny famonjena lehibe.
8 Aia hoi, aole na oukou i hoouna mai au ia nei, na ke Akua no, a ua hoolilo ae ia ia'u i makuakane no Parao, a i haku no kona hale a pau, a i kiaaina no Aigupita a pau.
Ary amin’ izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’ i Farao, sy ho tompon’ ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9 E wikiwiki oukou, e hoi aku i ko'u makuakane, a e i aku ia ia, Penei i olelo mai ai kau keiki o Iosepa, Ua hoolilo mai ke Akua ia'u, i haku no ka aina o Aigupita a pau; e hele mai oe ilalo io'u nei, mai hookaulua aku oe.
Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tompon’ i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10 A e noho oe ma ka aina o Gosena, a e kokoke mai oe me au, o oe, a me kau poe keiki, a me kau poe moopuna, a o kau poe hipa a me kau poe holoholona a me kou mea a pau loa.
dia honina eo amin’ ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao mbamin’ izay rehetra anananao.
11 Ilaila au e malama'i ia oe: no ka mea, elima makahiki wi a koe; o ilihune oe, a me ko ka hale ou, a me kau mau mea a pau.
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
12 Aia hoi, ua ike ko oukou mau maka, a me ka maka o ko'u kaikaina, o Beniamina, o ko'u waha no ka i olelo aku ia oukou.
Ary, indro, hitan’ ny masonareo sy ny mason’ i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
13 A e hai aku oukou i ko'u makuakane i kuu hanohano a pau ma Aigupita nei, a i na mea a pau a oukou i ike ai: a e wikiwiki oukou e lawe mai i ko'u makuakane ilalo.
Dia hambaranareo amin’ ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midìna atỳ ikaky.
14 Kau iho la ia ma ka a-i o kona kaikaina, o Beniamina, a uwe iho la; a uwe iho la hoi o Beniamina ma kona a-i.
Dia namihina ny vozon’ i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ ny vozony.
15 Honi aku la o Iosepa i kona poe hoahanau a pau, a uwe iho la iluna o lakou. A mahope iho o ia mea, kamailio pu kona poe hoahanau me ia.
Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16 Lohea iho la keia mea ma ka hale o Parao, oleloia iho la, Ua hiki mai na hoahanau o Iosepa. Ua pono hoi ia i na maka o Parao, a i na maka o kana poe kauwa.
Ary re tao an-tranon’ i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin’ i Josefa; dia sitrak’ i Farao sy ny mpanompony izany.
17 Olelo mai la o Parao ia Iosepa, E i aku oe i kou poe hoahanau, E hana peneia, e kau i ko oukou mea ma na hoki a hoi aku a hiki i ka aina o Kanaana.
Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Lazao amin’ ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin’ ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ ny tany Kanana;
18 E kii i ko oukou makuakane, a me na mea o ko oukou hale, a e hele mai io'u nei, a na'u no e haawi aku na oukou i ka maikai o ka aina o Aigupita, a e ai hoi oukou i ka momona o ka aina.
ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ ny tany ianareo.
19 Ua kauohaia oe, e hana hoi i keia, E lawe i mau kaa no oukou, mai ka aina o Aigupita aku, no ka oukou kamalii a no ka oukou wahine, a e kii i ko oukou makuakane, a e hele mai.
Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin’ ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
20 Mai aua ko oukou mau maka ma ko oukou mea a pau; no ka mea, no oukou ka maikai o ka aina a pau ma Aigupita.
Aza malahelo ny amin’ ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
21 A hana iho la na keiki a Iseraela pela; a haawi aku la o Iosepa ia lakou i mau kaa e like me ka olelo a Parao, a haawi no hoi i o na lakou ma ke ala.
Ary nataon’ ny zanak’ Isiraely izany, ka dia nomen’ i Josefa sariety izy, araka ny tenin’ i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22 Haawi aku la hoi ia i kapa komo no lakou a pau; a ia Beniamina, haawi aku la oia ia ia, i ekolu haneri moni, a me na kapa komo elima.
Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
23 A hoouna aku la ia no kona makuakane, he umi na hoki e lawe ana i na mea maikai o Aigupita, a he umi na hoki wahine, e lawe ana i ka palaoa a me ka ai i o na kona makuakane ma ke alanui.
Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ ny rainy ho entiny eny an-dalana.
24 Pela hoi i hoouna aku ai oia i kona poe hoahanau, a hoi aku la lakou. Olelo aku ia ia lakou, Mai paio oukou ma ke alanui.
Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25 A hoi aku la lakou, mai waho mai o Aigupita, a hiki aku la i ka aina o Kanaana, ia Iakoba, i ko lakou makuakane.
Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’ i Jakoba rainy tany amin’ ny tany Kanana.
26 A hai aku la lakou ia ia, i aku la, E, ke ola la no o Iosepa, oia ke kiaaina o ka aina o Aigupita a pau. A maule iho la ko Iakoba naau, no ka mea, aole kela i manaoio i ka.
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
27 Alaila, hai aku la lakou ia ia i ka olelo a pau a Iosepa i olelo mai ai ia lakou. A ike aku la ia i na kaa a Iosepa i hoouna mai ai e lawe ia ia, pohala iho la ka naau o ko lakou makuakane.
Dia nolazain’ izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’ i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’ i Jakoba rainy
28 A olelo aku la Iseraela, Ua nui ia, na ola o Iosepa kuu keiki; e hele aku au e ike ia ia mamua o kuu make ana.
Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.

< Kinohi 45 >