< Ezekiela 38 >

1 HIKI mai la ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 E ke keiki a ke kanaka, e hooku e oe i kou maka ia Goga, i ka aina o Magoga, i ka moi nui o Meseka a me Tubala, a e wanana ku e ia ia.
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Goga avy any amin’ ny tany Magoga, izay mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
3 A e olelo aku, Ke i mai nei Iehova ka Haku, penei; Ke ku e nei au ia oe, e Goga, ka moi nui o Meseka a me Tubala:
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.
4 A e hoohuli au ia oe ihope a hookomo au i na kilou iloko o kou mau a, a e lawe mai au ia oe mawaho, a me kou poe kaua a pau, na lio, na hoohololio, e aahu ana i kela mea keia mea, he lehulehu nui hoi me na paleumauma, a me na palekaua, e lawelawe ana lakou a pau i ka pahikaua:
Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
5 Na Peresia, na Aitiopa, a me na Libua me lakou, ia lakou a pau ka palekaua a me ka mahiole:
miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,
6 O Gomera a me kona mau poe a pau; ka ohana a Togarema, a no na wahi kukulu akau, a me kona mau poe a pau; a me na kanaka he nui no me oe.
Gomera koa mbamin’ ny miaramilany rehetra, ny taranak’ i Togarma avy any amin’ ny farany avaratra mbamin’ ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7 E makaukau oe, a e hoomakaukau iho ia oe iho, o oe, a me kou poe a pau i akoakoa iou la, a e lilo oe i mea kiai no lakou.
Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.
8 A hala na la he nui no, e hoonohoia oe iluna: a i na makahiki hope, e komo oe i ka aina i hoihoiia mai mai ka pahikaua mai, i houluuluia mai waena mai o na lahuikanaka i ku e i na mauna o ka Iseraela i neoneo mau; aka, ua laweia mai mai ko na aina mai, a e noho maluhia lakou a pau.
Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin’ ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
9 E pii ae no oe a e hele mai e like me ka ino, a e like auanei oe me ke ao e uhi mai i ka aina, o oe, a me kou mau poe a pau, a me na kanaka he nui no me oe.
Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin’ ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminao.
10 Ke i mai nei Iehova ka Haku, penei; Ia la no e hiki no, a e kupu kekahi mau mea maloko o kou naau, a e noonoo no oe i ka manao ino.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
11 A e olelo oe, E pii aku au i ka aina kauhale paa ole i ka paia, e hele au i ka poe e noho maluhia ana, e noho ana lakou a pau me na pa ole, aole o lakou kaola pa, aole o lakou pukapa;
ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin’ izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
12 E lalau i ka waiwai pio, a e lawe hoi i ka waiwai kaili, a e hoohuli i kou lima ma na wahi neoneo, i noho hou ia, a maluna o na kanaka i houluuluia mai mai loko mai o na lahuikanaka, ua loaa ia lakou na holoholona a me na ukana, a e noho ana no mawaenakonu o ka aina.
mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ ny foiben’ ny tany.
13 O Seba a me Dedana, a me ka poe kalepa o Taresisa, a me kolaila poe liona opiopio a pau, ke olelo aku ia oe, Ua hele mai anei oe e lalau i ka waiwai pio? Ua houluulu anei oe i kou anaina e lawe i ka waiwai kaili? E lawe aku hoi i ke kala a me ke gula, e lawe aku hoi i na holoholona a me na ukana, a e lawe aku hoi i ka waiwai pio nui?
Sheba sy Dedana ary ny mpandranton’ i Tarsisy rehetra mbamin’ ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
14 Nolaila, e wanana oe, e ke keiki a ke kanaka, a e olelo aku ia Goga, Ke i mai nei Iehova ka Haku. penei; Aole anei i ka la e noho maluhia ai kuu poe kanaka o ka Iseraela, e ike oe ia?
Koa maminania, ry zanak’ olona, ka ataovy amin’ i Goga hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa amin’ izany andro hitoeran’ ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
15 A e hele mai oe mai kou wahi mai, mai loko mai o na wahi kukulu akau, o oe a me na kanaka he nui me oe, e holo ana lakou a pau maluna o na lio, he lehulehu loa, he poe koa ikaika.
Ary ho tonga avy any amin’ ny fonenanao avy any amin’ ny farany avaratra ianao mbamin’ ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
16 A e pii ku e mai oe i kuu poe kanaka Iseraela, e like me ke ao e uhi mai ka aina; a e hiki no ia i na la mahope, a e lawe mai au ia oe e ku e i kuu aina, i ike mai na lahuikanaka ia'u i ko'u wa e hoanoia'i ma ou la, e Goga, imua o ko lakou mau maka.
ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masìna eo anatrehany Aho amin’ ny ataoko aminao, ry Goga.
17 Ke i mai nei Iehova ka Haku, penei; O oe anei ka mea nona wau i olelo ai i ka wa kahiko, ma kuu mau kauwa na kaula o ka Iseraela, na mea i wanana i na makahiki ia manawa e lawe au ia oe e ku e ia lakou?
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ ny fahiny, dia ny mpaminanin’ ny Isiraely, izay naminany ela tamin’ izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
18 A e hiki no keia ia mau la, i ka wa e hele mai ai o Goga e ku e i ka aina o ka Iseraela, wahi a Iehova ka Haku, e pii mai no kuu ukiuki i kuu maka.
Ary amin’ izany andro izany, dia ny andro hihavian’ i Goga hamely ny tanin’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
19 No ka mea, i ko'u lili ana a me ke ahi o kuu huhu i olelo aku ai au, Oiaio, ia la e nui auanei ka haalulu ana ma ka aina o ka Iseraela:
Fa amin’ ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin’ izany andro izany dia hisy horohoro mafy any amin’ ny tanin’ ny Isiraely,
20 E haalulu hoi ma kou alo na ia o ke kai, na manu hoi o ka lewa, na holoholona hoi o ke kula, a me na mea kolo a pau e kolo ana ma ka lepo, a me na kanaka a pau e noho ana maluna o ka honua, a e hoohioloia na mauna ilalo, a e hiolo no na alapii, a e hiolo no na pa a pau ilalo i ka lepo.
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra ambonin’ ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
21 A e kahea au i pahikaua ku e ia ia maluna o kuu mau mauna a pau, wahi a Iehova ka Haku; e ku e ka pahikaua a kela kanaka keia kanaka i kona hoahanau iho,
Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin’ ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin’ ny namany avy izy rehetra.
22 A e hakaka au me ia me ka mai ahulau, a me ke koko; a e hooua au i ka ua kahe nui, a me na huahekili nui, a me ke ahi, a me ka luaipele maluna ona, a me kona mau poe a pau, a me na kanaka he nui, ka poe me ia.
Ary hamaly azy amin’ ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon’ orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ ny miaramilany mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.
23 Pela e hoonui ai au ia'u iho, a e hoano iho ai ia'u iho; a e ikeia mai au e na lahuikanaka he nui; a e ike lakou owau no Iehova.
Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

< Ezekiela 38 >