< Ezekiela 34 >
1 HIKI mai la ka olelo a Iehova ia'u, i mai la,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 E ke keiki a ke kanaka, e wanana ku e aku oe i na kahuhipa a ka Iseraela, e wanana hoi, a e olelo aku ia lakou, Ke i mai nei Iehova ka Haku i ua kahuhipa, penei; Auwe na kahuhipa o ka Iseraela, na mea e hanai ana ia lakou iho! aole anei he pono ke hanai na kahuhipa i ka ohana?
Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
3 Ke ai nei oukou i ka momona, a ke hoaahu nei oukou ia oukou iho me ka huluhulu, a ua pepehi oukou i na mea kupaluia; aka, aole oukou i hanai i ka ohana.
Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
4 Aole oukou i hooikaika i ka mea nawaliwali, aole hoi oukou i lapaau i ka mea mai, aole hoi oukou i wahi i ka mea hai, aole hoi oukou i hoihoi mai i ka mea i kipakuia'ku, aole hoi oukou i imi i ka mea nalowale; aka, me ka lalau wale, a me ke aloha ole i hoalii ai, oukou maluna o lakou.
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
5 A ua hele liilii lakou no ke kahuhipa ole; a ua lilo lakou i ai na na holoholona a pau o ke kula, i ko lakou hoopuehuia'ku.
Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin’ ny bibidia rehetra.
6 Ua auwana ka'u mau hipa maluna o na mauna a pau, a maluna hoi o kela puu keia puu kiekie; oia, ua hoopuehuia ko'u ohana ma ka ili o ka honua a pau. aohe mea huli, aohe mea imi aku ia lakou.
Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ ny tany rehetra no ielezan’ ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
7 Nolaila, e na kahuhipa, e hoolohe i ka olelo a Iehova;
Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
8 Ma ko'u ola ana, wahi a Iehova ka Haku, oiaio, no ka lilo ana o ka'u ohana i waiwai pio, a no ka lilo ana o ka'u ohana i ai na ua holoholona a pau o ke kula, no ke kahuhipa ole, aole hoi i imi kuu mau kahuhipa i ka'u ohana, aka, ua hanai na kahuhipa ia lakou iho, aole hoi i hanai i ka'u ohana;
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan’ ny ondriko sy ny nahatongavan’ ny ondriko ho rembin’ ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
9 Nolaila, e na kahuhipa, e hoolohe oukou i ka olelo a Iehova;
dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
10 Ke i mai nei Iehova ka Haku, Eia hoi, ke ku o nei au i na kahuhipa; a e kii aku au i ka'u ohana ma ko lakou lima, a e hooki au i ko lakou hanai aua i ka ohana, aole hoi e hanai hou aku na kahuhipa ia lakou iho: no ka mea, e hoopakele au i ka'u ohaua i ko lakou waha, i ole lakou e lilo i ai na lakou.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin’ ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11 No ka mea, ke i mai nei Iehova ka Haku, penei; Eia hoi, owau, e imi no wau i ka'u mau hipa, a huli hoi ia lakou.
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
12 Me ke kahuhipa i imi ai i kana ohana i ka la i noho ai ia iwaena konu o kana poe hipa, i hele liilii; pela e imi aku ai au i ka'u poe hipa, a e hoihoi mai ia lakou, mai loko mai o na wahi a pau i hoopuehuia'i lakou, i ka la paapu i na ao a me ka pouli.
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
13 A e lawe mai au ia lakou mai na lahuikanaka mai, a e houluulu ia lakou ma na aina mai, a e lawe mai ia lakou i ko lakou aina iho, a e hanai au ia lakou maluna o na mauna o ka Iseraela, ma na muliwai hoi a ma na wahi i nohoia a pau o ka aina.
Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.
14 Ma ka aina maikai e hanai aku ai au ia lakou, a maluna o na mauna kiekie o ka Iseraela auanei ko lakou pa; malaila lakou e moe ai iloko o ka pahipa maikai, a ma ka aina momona e ai ai lakou maluna o na mauna o ka Iseraela.
Eny amin’ ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin’ ny tany tsara, ary eny amin’ ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
15 E hanai aku au i ka'u ohana, a e hoomoe iho au ia lakou ilalo, wahi a Iehova ka Haku.
Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
16 E imi aku au i ka mea i nalowale, a e hoihoi mai i ka mea i kipakuia'ku, a e wahi aku au i ka mea i hai, a e hooikaika au i ka ka, mea mai; aka, e luku au i ka mea momona a me ka ikaika, a e hanai aku au ia lakou me ka hoopai ana.
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.
17 A o oukou, e ka'u ohana, wahi a Iehova ka Haku, ke hooponopouo nei au iwaena o ka holoholona a me ka holoholona, mawaena hoi o na hipa kane, a me na kao kane.
Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin’ ny ondry aman’ osy, dia ny ady ataon’ ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
18 Ho mea uuku anei ia oukou, ka oukou ai ana i ka ai maikai, a ua hehi iho oukou i ke koena o ka oukou ai me ko oukou mau wawae? a o ko oukou inu ana i ka wai maikai, a hoolepo hoi i ke koena me ko oukou mau wawae?
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen’ ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin’ ny tongotrareo ny sisa?
19 A o ka'u ohana, ua ai lakou i ka mea a oukou i hehi ai me ko oukou mau wawae; a ua inu lakou i ka mea a oukou i hoolepo ai me ko oukou mau wawae.
Ary ny amin’ ny ondriko, moa izay voahosihosin’ ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton’ ny tongotrareo va no hosotroiny?
20 Nolaila ke i mai nei Iehova ka Haku ia lakou, Aia hoi, e hooponopono aku au iwaena o na hipa momona a me na hipa wiwi.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ ny ondry matavy amin’ ny ondry mahia.
21 No ka mea, ua hooke aku oukou me ka aoao a me ka pohiwi, a ua hou oukou me ko oukou mau pepeiaohao i na mea mai, a hoopuehu aku oukou ia lakou.
Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany;
22 Nolaila, e hoola au i ka'u ohaua, aole loa aku lakou he waiwai pio; a e hooponopono hoi au iwaena o ka hipa a me ka hipa.
dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ ny ondry amin’ ny ondry namany.
23 A e hoonoho aku au i ke kahuhipa hookahi maluna o lakou, a e hanai oia ia lakou, o ka'u kauwa, o Davida, e hanai oia ia lakou, a oia auanei ko Iakou kahuhipa.
Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
24 A owau, o Iehova auanei ke Akua no lakou, a o ka'u kauwa o Davida ke alii iwaena o lakou; na'u na Iehova i olelo aku.
Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
25 A e hana au i berita hoomalu me lakou, a e hooki aku au i na holoholona ino mai loko aku o ka aina; a e noho maluhia lakou ma ka waonahele, a e moe hoi maloko o na ululaau.
Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
26 A e hoolilo au ia lakou, a me na wahi e hoopuni ana i kuu puu e hoomaikai ana; a e hoohaule au i ka ua i kona manawa, a he mau ua auanei o ka hoomaikai ana.
Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27 A e hoohua mai ka laau o ke kula i koua hua, a e haawi mai ka honua i kona mea ulu, a e noho maluhia lakou ma ko lakou aina, a e ike hoi owau no Iehova, aia moku ia'u ua kaula o ka lakou auamo, a hoopakele ae ia lakou mai loko ae o ka lima o ka poe i hookauwa ia lakou na lakou iho.
Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin’ ny tànan’ izay nampanompo azy izy.
28 Aole loa aku lakou he waiwai pio no na lahuikanaka, aole hoi e ai na holoholona o ka aina ia lakou; aka, e noho maluhia lakou, aohe mea nana lakou e hooweliweli.
Ary tsy ho babon’ ny jentilisa na ho rembin’ ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
29 E hooku ae au iluna i ka mea kanu i kaulana no lakou, aole no hoi lakou e pau e i ka pololi ma ka aina, aole e hilahila hou i ka hoinoia e na lahuikanaka.
Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin’ ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ ny jentilisa intsony;
30 Pela e ike ai lakou owau o Iehova ko lakou Akua kekahi pu me lakou, a o lakou, o ka ohana a Iseraela, ko'u poe kanaka, wahi a Iehova ka Haku.
ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’ Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
31 A o oukou, kuu ohana, ka okana o kuu aina, he poe kanaka; a owau ko oukou Akua, wahi a Iehova ka Haku.
Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.