< Pukaana 38 >

1 A HANA no hoi oia i ke kuahu no ka mohaikuni: elima kubita kona loihi, a elima kubita kona laula, he ahalike: a ekolu kubita kona kiekie.
Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin’ ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2 A hana oia i kona mau pepeiao, ma na kihi eha ona; no ia mea hookahi no na pepeiao, a uhi oia ia i ke keleawe.
Ary nanao ny tandrony teo amin’ ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
3 A hana oia i na oihana a pau o ke kaahu, i na ipu, a me na papale, a me na kiaha, a me na o io, a me na ipu ahi; hana no oia i kona oihana a pau, he keleawe.
Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran’ afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4 A hana no hoi oia no ke kuahu, i papa manamana pukapuka malalo iho o ke kae ona, mawaenakonu.
Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ ny alitara izy, dia eo ambanin’ ny sikiny, hatreo am-bodin’ ny alitara ka hatreo amin’ ny fisasahany.
5 A hoohehee oia i eha mau apo no na welau eha o ua mea manamana keleawe la, i wahi no na auamo.
Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ ny bao.
6 A hana oia i na auamo, he laau sitima, a ubi iho la ia laua i ko keleawe.
Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
7 A hookomo oia i na auamo iloko o na apo ma na aoao o ke kuahu i mea e lawe ai, a hana oia i ke kuahu, he papa laau, ua kawaha.
Ary nampiditra ny bao teo amin’ ny vava vola teo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8 A hana oia i ka ipu auau, he keleawe, ko loko o kona kumu, he keleawe, a me na aniani keleawe o ka poe e akoakoa nui ana, ka poe i akoakoa ma ka puka o ka halelewa o ke anaina.
Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
9 A hana oia i ke kahua, ma ka aoao hema, ma ka hema hoi; a o na pale o ke kahua, he olona ia i hiloia, hookahi haneri kubita.
Ary nanao ny kianja izy: tamin’ ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ ny kianja natao tamin’ ny rongony fotsy madinika voahasina;
10 O ko lakou mau pou, he iwakalua, o ko lakou mau Kumu keleawe, he iwakalua. O na lou o na pou, a me ko lakou auka e paa ai, ne kala.
ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
11 A no ka aoao akau, hookahi haneri kubita, o ko lakou mau pou, he iwakalua, a o ko lakou mau kumu keleawe, he iwakalua. O na lou o na pou, a me ko lakou auka e paa ai, he kala.
Ary tamin’ ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
12 A no ka aoao komohana, he pale no, he kanalima kubita ka loihi, o ko lakou mau pou, he umi, a o ko lakou mau kumu he umi. O na lou o na pau a me ko lakou auka e paa ai, he kala.
Ary tamin’ ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
13 A no ka aoao hikina ma na hikina, he kanalima kubita.
Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
14 A o na pale ma kekahi aoao o ka puka, he umikumamalima kubita; a o ko lakou mau pau ekolu, a o ko lakou mau kumu, ekolu.
Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
15 A no kela aoao o ka puka o ke kahua, he mau pale ma keia aoao a ma kela aoao, he umikumamalima kubita, o ko lakou mau pau ekolu, a o ko lakou mau kumu ekolu.
Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
16 O na pale a pau a puni ke kahua, he olona no i hiloia.
Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban’ ny kianja manodidina.
17 A o na kumu no na pou, he keleawe ia. O na lou o na pou, a me ko lakou mau auka e paa ai, he kala no. A o ka uhi ana o ko lakou mau poo, he kala: a paa no na pau a pau o ke kahua i na auka kala.
Ary ny faladian’ ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
18 A o ka pale o ka puka o ke kahua, he hana no ia a ka mea humuhumu lope ano e, he uliuli, he poni, he ulaula, he olona i hiloia: he iwakalua kubita ka loihi, a o ke kiekie ma ka laula, elima no kubita, e like me na pale o ke kahua.
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ ny kianja dia asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin’ ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon’ ny fefy lamban’ ny kianja.
19 A o ko lakou mau pou, eha, a. o ko lakou mau kumu, eha no, he keleawe; o ko lakou lou, he kala, a o ka uhi ana o ko lakou mau poo, a o ko lakou mau auka e paa ai, he kala no.
Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin’ ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
20 A o na makia a pau o ka halelewa, a me ke kahua e puni ana, he keleawe no ia.
Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21 Eia ka huina o ka halelewa, o ka halelewa hoi o ke kanawai, e like me ia i heluia, mamuli o ke kauoha a Mose, no ka hana a ko Levi, ma ka lima o Itamara, ke keiki a Aarona, ke kahuna.
Ary izao no isan’ ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’ i Mosesy; natao fanompoan’ ny Levita, fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
22 A hana iho la o Bezalela, ke keiki a Uri, ke keiki a Hura, no ka ohana a Iuda, i na mea a pau a Iehova i kauoha mai ai ia Mose.
Ary Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda, nanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
23 A me ia pu no o Aholiaba, ke keiki a Ahisamaka, no ka ohana a Dana, he kahuna kalai, he mea akamai i ka hana, a he mea humuhumu lope ano e, he uliuli, a he poni, a he ulaula, a me ke olona keokeo.
Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
24 A o ke gula a pau i hanaia ma ka hana o ia mea laa, o ke gula laa he iwakaluakumamaiwa talena a me na sekela ehiku haneri me kanakolu, ma ka sekela o ke keenakapu.
Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masìna, ny volamena rehetra izay lany tamin’ ny asa rehetra tamin’ ny fitoerana masìna, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
25 A o ke kala o ka poe i heluia o ka aha kanaka, hookahi haneri talena, a me ka sekela hookahi tausani, ehiku haneri, me kanahikukumamalima, ma ka sekela o ke keenakapu.
Ary ny volafotsy avy tamin’ ny olona izay voaisa tamin’ ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masìna:
26 He beka no kela kanaka keia kanaka, he hapalua sekela hoi, ma ka sekela o ke keenakapu, no kela mea keia mea i hele ae i ka helu ana, mai ka iwakalua o ka makahiki a keu aku, no na kanaka eono haneri kumamakolu tausani, elima haneri, a me kanalima.
beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masìna, no naloan’ izay rehetra voalamina, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
27 A noloko o ia haneri talena kala, i hooheheeia'i na kumu o ke keenakapu, a me na kumu o ka paku: hookahi haneri kumu, noloko o ia mau haneri talena, hookahi talena, hookahi kumu.
Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ ny fitoerana masìna sy ny faladian’ ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
28 A noloko mai o ke tausani sekela a me na haneri keu ehiku, a me kanahikukumamalima, hana iho la oia i mau lou no na pou, a uhi iho la i ko lakou poo, a hoopaa ne la ia lakou i na auka.
Ary tamin’ ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin’ ny andry, sy nametahana takela-bola tamin’ ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
29 A o ke keleawe o ka haawina, he kanahiku ia mau talena, a me na sekela keu elua tausani, a me na haneri eha.
Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
30 A noloko olaila hana ae la oia i na kumu no ka puka o ka halelewa o ke anaina kanaka, a me ke kuahu keleawe, a me kona papa manamana pukapuka, a me ka oihana a pau o ke kuahu,
Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
31 A me na kumu o ke kahua a puni, a me na kumu o ka puka o ke Kahua, a me na makia a pau o ka halelewa, a me na makia a pau o ke kahua a puni.
ary ny faladia tamin’ ny kianja manodidina sy ny faladia tamin’ ny vavahadin’ ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin’ ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin’ ny kianja manodidina.

< Pukaana 38 >