< Pukaana 22 >

1 I NA e aihue ke kanaka i ka bipi a i hi pa paha, a kalua, a kuai lilo aku paha, alaila, e haawi aku oia i elima bipi no ka bipi, a i eha hipa no ka hipa.
Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon’ ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon’ ny ondry na osy iray.
2 Ina e loaa ka aihue e wawahi ana, a ina i pepehiia oia a make, aole e pili kona koko.
Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin’ izany;
3 Aka, ina i puka mai ka la maluna ona, alaila, ua pili no kona koko. Ua pono no ia ia ke uku pau loa mai, a ina i nele oia, alaila, ua pono ke kuaiia oia no kona aihue ana.
fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin’ izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
4 Ina i loaa maopopo ma kona lima ka mea i aihueia e ola ana, ina he bipi, a ina he hoki a ina he hipa paha, e haawi aku no oia i papalua.
Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
5 Ina e hoopau ke kanaka i ko ka mala, a i ko ka pawaina, a hookomo i kona holoholona iloko: a ai oia maloko o ka mala a hai, alaila e uku aku oia i kahi maikai o kana mala iho, a me kahi maikai o kaua pawaina.
Raha misy olona mampitondraka amin’ ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin’ olona izany biby izany, dia amin’ ny tsara indrindra ao amin’ ny sahany, ary amin’ ny tsara indrindra ao amin’ ny tanim-boalobony, no hanonerany.
6 A ina holo aku ke ahi, a loaa na kakalaioa, a aiia na puu huapalaoa, a o ka hua palaoa e ku ana paha, a o ko ka mala paha, alaila, e oiaio no e uku aku ka mea nana i kuni i ke ahi.
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
7 Ina haawi ke kanaka i wahi kala na kona hoalauna e malama, a i waiwai e paha, a ua aihueia mai kona hale aku, ina e loaa ka mea nana i aihue, e uku papalua aku oia.
Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin’ ny sasany ao amin’ ny tranon’ ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
8 Ina aole i loaa ka mea nana i aihue, alaila, e laweia mai ka hakuhale i na lunakanawai, ina paha ua kau aku oia i kona lima maluna o ka waiwai o kona hoalauna.
Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan’ Andriamanitra ny tompon’ ny trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan’ ny namany izy, na tsia.
9 O na hewa no kela mea keia mea, no ka bipi, no ka hoki, no ka hipa, no ka aahu, no na mea nalowale a pau a kekahi e olelo ai, nana ia, e laweia ko laua pono imua o na lunakanawai, a o ka mea a na lunakanawai e hoohewa ai, e uku papalua aku oia i kona hoalauna.
Ny amin’ ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon’ olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan’ Andriamanitra ny tenin’ izy roa tonta, koa izay helohih’ Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an’ ny namany.
10 Ina haawi ke kanaka i hoki na kona hoalauna e malama, a i bipi paha, a i hipa, a i kekahi holoholona e ae nana, a i make ia, a eha, a hooholoia ma kahi e paha, aole mea i ike aku;
Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
11 Alaila, mawaena o laua ka hoohiki ana ia Iehova, aole oia i kau i kona lima maluna o ka waiwai o kona hoalauna; a e ae aka no ka mea nana ka waiwai, aole kela e uku.
dia fianianana amin’ i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan’ ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken’ ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
12 Aka, ina i aihueia'ku ia mea, mai ona aka, e uka aku no oia i ka mea nana ka waiwai.
Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an’ ny tompon-javatra izy.
13 Ina e haehaeia oia, alaila, e lawe mai kela i ke kino, i mea koike, aole hoi oia e uku no ka mea i haehaeia.
Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
14 A ina nonoi ke kanaka i kekahi mea a kona hoalauna, a eha ia mea, a make paha, aole e noho pu ana ka mea nana ia, alaila, e oiaio no e uku oia.
Ary raha misy olona mindran-javatra amin’ ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
15 Aka ina e noho pu ana ka mea nana ka waiwai, alaila, aole oia e uku mai. Ina he mea hoolimalima, ua loaa ia no ka uku.
Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan’ ny hofany izany.
16 Ina e pue ke kanaka i ke kaikamahine i noopalau ole ia, a moe pu me ia, e oiaio no e kuai no oia ia ia i wahine nana.
Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
17 Ina hoole loa kona makuakane aole e haawi ia ia nana, e kaupauna aku oia i kala e like me ke kuai ana i na wahinepuupaa.
Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
18 Mai hoola i ke kupua.
Aza velomina ny vehivavy manana ody.
19 O ka mea moe pu me ka holoholona, e oiaio no e make ia.
Izay rehetra mandry amin’ ny biby dia hatao maty tokoa.
20 O ka mea mohai aku na kekahi akua e, aole na Iehova, e luku loa ia'ku la ia.
Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’ i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
21 Mai hookaumaha oe i ka malihini, aole hoi e hooluhi ia ia, no ka mea, he poe malihini oukou ma ka aina o Aignpita.
Ary aza manao izay sarotra amin’ ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
22 Mai hookaumaha oe i ka wahinekanemake, a me ke keiki makun ole.
Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
23 Ina hookaumaha iki oe in lakou, a uwe uuku mai lakou ia'u, e oiaio no e hoolohe au i ko lakou uwe ana:
Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
24 A e wela auanei ko'u huhu, a e pepehi aku au ia oukou i ka pahikaua, a e lilo no ka oukou wahine i wahinekanemake a me ka oukou kamalii i kamalii makua ole.
ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
25 Ina haawi aie aku oe i ke kala no ko'u poe kanaka i hune e noho pu ana me oe, mai lilo oe ia ia i mea hoouku kuala, mai kau hoi oe i ka uku hoopanee maluna ona.
Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
26 Ina lawe iki oe i ka aahu o kou hoalauna i ukupanai, e haawi hou aku no oe ia ia ia i ka wa e napoo ai ka la ilalo:
Raha maka ny lamban’ ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
27 No ka mea, oia kona mea e uhi ai, o kona aahu no kona ili. Maloko o ke aba oia e moe ai? A hiki i ka manawa e uwe mai ai oia ia'u e hoolohe no wau, no ka mea, ua lokomaikai no au.
Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin’ ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
28 Mai olelo hoino oe i na lunakanawai, aole hoi e olelo hoino i ka mea e noho alii ana maluna o ko'u poe kanaka.
Aza miteny ratsy an’ Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
29 Mai aua oe i kau ai i oo mua, a me kou waina mua, E haawi mai no oe i kau hiapo, o kau mau keikikane na'u.
Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin’ ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
30 Pela no oe e hana'i me kau mau bipi a me kau poe hipa; ehiku la e noho ai me kona makuwahine, a i ka walu o ka la, e haawi mai oe ia mea ia'u.
Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
31 A e lilo auanei oukou i poe kanaka hoano no'u, aole hoi oukou e ai i ka io i haehaeia e na holoholona ma ke kula, e kiola aku oukou ia na na ilio.
Ary ho olona masìna ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an’ ny amboa izany.

< Pukaana 22 >