< Epeso 5 >

1 NO ia hoi, e hahai oukou i ke Akua, e like me na keiki punahele;
Koa amin’ izany dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
2 E haele hoi oukou me ke aloha, e like me ka Kristo i aloha mai ai ia kakou, a haawi hoi ia ia iho no kakou, i alana a me ka mohai i ke Akua, i mea ala oluolu.
ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
3 A o ka moe kolohe, a me na mea haumia a pau, a me ka puniwaiwai, aole loa e hoohikiia ia mau mea iwaena o oukou, me ia o pono ai na haipule;
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masìna izany,
4 Aole hoi ka olelo hilahila, ka olelo lapuwale, a me ka olelo ano lua, na mea pono ole: aka, o ka olelo hoomaikai ka pono.
na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5 No ka mea, ua ike oukou i keia, aole ka mea moe kolohe, aole hoi ka mea haumia, aole hoi ka mea puniwaiwai, oia hoi ka mea hoomana kii, aole loa o lakou noho ana i ke aupuni o Kristo a o ke Akua.
Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
6 E ao o hoopunipuni mai kekahi ia oukou i na olelo wehahee: no keia mau mea e hiki mai ana ka inaina o ke Akua maluna o na keiki hoolohe ole.
Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana.
7 Nolaila, mai noho a hoohalike pu me lakou.
Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8 No ka mea, he poeleele ko oukou mamua, i neia manawa hoi ua malamalama oukou i ka Haku: e haele oukou me he kamalii no ka malamalama la:
Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9 (No ka mea, o ka hua na ka Uhane, oia ka maikai a pau, a me ka pono a me ka oiaio: )
(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
10 E hooiaio oukou i ka mea a ka Haku i oluolu ai.
mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.
11 Mai hoolauna pu hoi oukou ma na bana hua ole o ka pouli, e hoohewa aku nae ia mau mea.
Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12 No ka mea, o na mea i hana malu ia e lakou, he mea hilahila ke olelo aku ia mau mea.
Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13 A o na mea a pau e pono ke hoohewaia aku, ua hoakakaia ma ka malamalama; o ka mea hoakaka aku, oia ka malamalama.
Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
14 No ka mea, ua oleloia, E ala'e oe, e ka mea hiamoe ana, e ku ae hoi mai ka make mai, na Kristo hoi oe e hoomalamalama mai.
Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
15 Nolaila, e nana oukou i hele pono e like me ka poe naauao, aole me ka poe naaupo,
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16 E malama pono ana i ka manawa; no ka mea, he mau la ino keia.
ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 No ia mea, mai noho a naaupo oukou, aka, e hoomaopopo i ka makemake o ka Haku.
Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.
18 Mai noho oukou a ona i ka waina, nolaila mai ka uhauha; aka, e hoopihaia oukou i ka Uhane;
Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19 E olelo ana kekahi i kekahi i na halelu, i na himeni, a me na mele na ka Uhane, e hoolea ana a e hookani ana i ka Haku, iloko o ko oukou naau;
ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,
20 No na mea a pau, e hoomaikai mau ana i ke Akua ka Makua, ma ka inoa o ko kakou Haku o Iesu Kristo:
misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
21 E malama ana i kekahi i kekahi me ka makau i ke Akua.
sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy,
22 E na wahine, e noho malalo o na kane ponoi a oukou, e like me ka ka Haku.
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23 No ka mea, o ke kano ke poo o ka wahine, e like me Kristo ke poo o ka ekalesia: a oia hoi ke ola no ke kino.
Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
24 No ia mea, e like me ka ekalesia e noho ana malalo o Kristo, pela boi na wahine malalo o na kane ponoi a lakou ma na mea a pau.
Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra.
25 E na kane, aloha aku i ka oukou mau wahine, e like me Kristo i aloha mai ai i ka ekalesia, a haawi mai ia ia iho nona;
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,
26 I hoolaa mai ai oia ia ia, hoomaemae ana ia ia i ka wai auau, a me ka olelo,
mba hahamasina azy amin’ ny anadiovany azy amin’ ny rano fanasana amin’ ny teny;
27 I hoolilo mai ai oia ia ia nona iho i ekaiesia nani, nole ona wahi paumaele, aole hoi minomino, aole hoi kekahi mea like; aka, i hemolele ia a me ka hala ole.
mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy.
28 Pela e pono ai na kane e aloha aku i ka lakou mau wahine, e like me ko lakou mau kino iho: o ka mea aloha i kana wahine, oia ke aloha ia ia iho.
Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29 No ka mea, aole loa kekahi i inaina i kona kino iho; aka, ua hanai no a me ka malama ia ia, e like me ka Haku i ka ekalesia:
Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’ i Kristy amin’ ny fiangonana;
30 No ka mea, he mau lala kakou no kona kino, no kona io, a me kona iwi.
fa momba ny tenany isika.
31 No ia hoi, e haalele ke kanaka i kona makuakane a me ka makuwahine, a e hoopiliia'ku ia i kana wahine, a e lilo laua elua i bookahi to.
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.
32 He mea pohihibi nui keia; ke olelo aku nei au no Kristo a me ka ekalesia.
Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’ i Kristy sy ny fiangonana aho.
33 Aka, e aloha aku kela mea keia mea o oukou a pau i kana wahine e like me ia ia iho: a o ka wahine, e hoomaikai aku ia i kana kane.
Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.

< Epeso 5 >