< Kanawailua 34 >

1 PII aku la o Mose mai na papu aku o Moaba ma ka puu o Nebo, maluna pono o Pisega, e ku pono ana i Ieriko; a hoike mai la o Iehova ia ia i ka aina a pau o Gileada a hiki i Dana,
Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’ i Pisga, izay tandrifin’ i Jeriko. Ary nasehon’ i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
2 Me ka aina a pau o ka Napetali, a me ka aina o ka Eperaima, a me ko ka Manase, a me ka aina a pau o ka Iuda, a hiki aku i ke kai ma ke komohana,
sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ ny Joda rehetra hatramin’ ny ranomasina andrefana
3 A me ke kukuluhema, a me ka papu o ke awawa o Ieriko, ke kulanakauhale laau pama, a hiki i Zoara.
ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ ny lohasahan’ i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
4 Olelo mai la o Iehova ia ia, Eia ka aina a'u i hoohiki aku ai ia Aberahama, ia Isaaka, a me Iakoba, i ka i ana aku, Na'u no ia e haawi aku i kau poe mamo: ua hoike aku au ia i kou mau maka, aka, aole oe e hele aku ilaila.
Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
5 A make iho la o Mose ke kauwa a Iehova ilaila, i ka aina o Moaba, e like me ka olelo ana mai a Iehova.
Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.
6 Nana no ia i kanu ma kekahi awawa ma ka aina o Moaba, e ku pono ana i Betepeora: aka, aohe kanaka i ike i kona wahi i kanuia'i a hiki i keia manawa.
Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ ny tany Moaba, tandrifin’ i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7 Hookahi haneri a me ka iwakalua o ko Mose mau makahiki i kona manawa i make ai; aole i powehiwehi kona maka, aole hoi i emi kona ikaika.
Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
8 Auwe iho la na mamo a Iseraela ia Mose ma na papu o Moaba i na la he kanakolu; a pau iho la na la o ka uwe ana a me ke kanikau ana ia Mose.
Ary ny Zanak’ Isiraely nisaona an’ i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’ i Mosesy.
9 A o Iosua ke keiki a Nuna, ua piha ia i ka Uhane e naauao ai; no ka mea, ua kau aku o Mose i kona mau lima maluna iho ona: a hoolohe aku la na mamo a Iseraela ia ia, a hana aku la e like me ka Iehova i kauoha mai ai ia Mose.
Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
10 Aole i ku mai ke kaula ma ia hope mai iloko o ka Iseraela e like me Mose, ka mea a Iehova i ike mai ai, he maka no he maka;
Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrika
11 I na hoailona, a me na mea kupanaha a Iehova i hoouna mai ai ia ia e hana ma ka aina o Aigupita, ia Parao, i kana mau kauwa a pau, a i kona aina a pau,
tamin’ ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’ i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
12 I ka lima ikaika loa, a me ka mea makau nui loa a Mose i hoike aku ai imua o na maka o ka Iseraela a pau.
ary tamin’ ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon’ i Mosesy teo imason’ ny Isiraely rehetra.

< Kanawailua 34 >