< Kanawailua 19 >

1 A IA hoopau o Iehova kou Akua i na lahuikanaka, no lakou ka aina a Iehova kou Akua e haawi mai ai nou, a lilo ko lakou wahi nou, a e noho iho oe ma ko lakou kulanakauhale, a maloko hoi o ko lakou mau hale;
Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon’ ny tany omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2 Alaila e hookaawale oe i na kulanakauhale ekolu nou iwaena o kou aina a Iehova kou Akua e haawi lilo mai ai nou.
dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
3 E hoomakaukau i alanui nou, a o kou aina a Iehova kou Akua i hoolilo mai ai nou, o kau ia e mahele i na mokuna ekolu, i holo ai na pepehi kanaka a pau ilaila.
Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran’ ny mahafaty olona rehetra ao.
4 Eia ke ano o ka pepehi kanaka e holo ai ilaila i ola ia: o ka mea pepehi i kona hoalauna me ka ike ole, aole ia i inaina aku ia ia mamua;
Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
5 A o ka mea e hele aku i ka ululaau me kona hoalauna e kua laau, a hahau iho kona lima me ke koilipi e oki i ka laau, a hemo aku la ke koilipi mai ke au aku, a pa i kona hoalauna a make ia, e holo aku ia i kekahi o ia mau kulanakauhale, a ola;
toy ny olona izay miaraka amin’ ny namany ho any an’ ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
6 O hahai auanei ka hoopai koko mahope o ka pepehi kanaka i kona wa e ukiuki ai kona naau, no ka mea, ua loihi ke ala, a pepehi ia ia; aole nae ona hewa e make ai, no ka mea, aole ia i inaina aku ia ia mamua.
fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
7 No ia mea, ke kauoha aku nei au ia oe, i ka i ana'ku, E hookaawale nou i na kulanakauhale ekolu.
Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
8 Ina e hoopalahalaha o Iehova kou Akua i kou mokuna e like me kana i hoohiki ai i kou mau kupuna, a haawi ia oe i ka aina a pau ana i olelo ni e haawi i kou mau kupuna:
Ary raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin’ ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
9 Ina paha oe e malama i keia mau kauoha a pau e hana aku ia mea a'u e kauoha aku nei ia oe i keia la, e aloha aku in Iehova kou Akua, a e hele ma kona aoao i na la a pau, alaila e hookaawale oe nou i na kulanakauhale hou ekolu me kela mau mea ekolu:
(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin’ ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
10 I ole e hookaheia ke koko hala ole iloko o kou aina a Iehova kou Akua i hoolilo mai ai nou, a maluna ou ke koko.
mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin’ ny rà ianao.
11 Aka, ina e inaina aku kekahi kanaka i kona hoalauna, a halua ia ia, a popoi ia ia, a hahau ia ia a make ia, a holo aku ia iloko o kekahi o keia mau kulanakauhale:
Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,
12 Alaila e hoouna aku na lunakahiko o kona kulanakauhale, a e lawe ia ia mai laila mai. a haawi aku ia ia iloko o ka lima o ka mea hoopai koko, i make ai oia.
ny loholona amin’ ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan’ ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13 Mai minamina kou maka ia ia; aka, e huikala aku oe i ke koko hala ole mai ka Iseraela aku, i pomaikai ai oe.
Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny heloka ny amin’ ny rà marina, mba hahita soa ianao.
14 Mai hoonee aku oe i ka palena aina o kou hoalauna a ka poe kahiko i hoonoho ai ma kou aina, au i loaa ai ma ka aina a Iehova kou Akua e hoolilo mai ai nou.
Aza mamindra ny fari-tanin’ ny namanao, izay efa vitan’ ny razana teo amin’ ny zara-taninao, izay azonao eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
15 Mai ku mai ka mea hoike hookahi i ke kanaka, no kekahi hala, a no kekahi hewa i na hewa a pau ana i hana hewa ai: ma ka waha o na mea hoike elua, a o na mea hoike ekolu paha, e hookupaaia'i ia mea.
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’ izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
16 Ina paha e ku mai ka mea hoike hewa i kekahi kanaka, a hoike wahahee ia ia;
Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17 Alaila, o laua, na mea hoopaapaa, e ku imua o Iehova, imua o na kahuna a me na lunakanawai e noho ana ia manawa;
dia hitsangana eo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpitsara amin’ izany andro izany;
18 A e imi pono na lunakanawai: aia hoi, he wahahee ka mea nana i hoike, a ua hoike wahahee i kona hoahanau:
ary raha hadinin’ ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
19 Alaila e hana aku oukou ia ia e like me kana i manao ai e hana aku i kona hoahanau: a e lawe aku oe i ka hewa mai ou aku la.
dia araka izay nokasainy hatao amin’ ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20 A e hoolohe ka poe i koe, a makau hoi, aole e hana hou lakou e like me keia hewa iwaena o oukou.
Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
21 Mai minamina kou maka; he ola no ke ola; he maka no ka maka; he niho no ka niho; he lima no ka lima; he wawae no ka wawae.
Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon’ ny aina, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra.

< Kanawailua 19 >