< Kanawailua 1 >

1 EIA na olelo a Mose i olelo aku ai i ka Iseraela a pau ma keia aoao o Ioredane, ma ka waonahele, ma ka papu e ku pono ana i Zupa, mawaena o Parana a me Topela, a me Labana, a me Hazerota, a me Dizahaba.
Izao no teny izay nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra tany an-dafin’ i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Sofa, tanelanelan’ i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
2 (He umikumamakahi la hele mai Horeba, ma ke ala o Mauna Seira, a hiki i Kadesabanea.)
(lalana Iraika ambin’ ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seïra no aleha.)
3 A i ka makahiki kanaha, i ka malama umikumamakahi, i ka la mua o ka malama, olelo aku la o Mose i na mamo a Iseraela, e like me na mea a pau a Iehova i kauoha mai ai ia ia no lakou;
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahefa-polo dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy holazainy aminy,
4 Mahope iho o kana pepehi ana ia Sihona ke alii o ka Amora, ka mea i noho ma Hesebona, a ia Oga ke alii o Basana, ka mea i noho ma Asetarota i Ederei:
rehefa namono an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5 Ma keia aoao o Ioredane, ma ka aina o Moaba, i hoomaka'i o Mose e hai aku i keia kanawai, i aku la,
Tany an-dafin’ i Jordana, dia tany amin’ ny tany Moaba, no nanombohan’ i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
6 Olelo mai la o Iehova ko kakou Akua ia kakou ma Horeba, i mai la, Ua loihi ko oukou noho ana ma keia mauna:
Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin’ ny tendrombohitra ity;
7 E huli ae oukou, a i ka hele ana, e hele oukou i ka mauna o ka Amora, a i kona poe e noho ana a pau, ma na papu, ma na puu, a ma ke awawa, a ma ke kukuluhema, a ma kahakai, i ka aina o ko Kanaana, a i Lebanona, a i ka muliwai nui, ka muliwai o Euperate.
mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin’ ny tany havoan’ ny Amorita sy any amin’ izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron’ ny ranomasina, dia any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8 Aia hoi, ua haawi aku au i ka aina no oukou, e komo oukou, a e la we i ka aina a Iehova i hoohiki ai i ko oukou mau kupuna, ia Aberahama, ia Isaaka, a ia Iakoba, e haawi ia lakou, a me ka lakou poe mamo mahope o lakou.
Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
9 Olelo aku la au ia oukou i kela manawa, i aku la, Aole e hiki ia'u, owau wale, ke halihali ia oukou:
Ary niteny taminareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
10 Ua hoonui mai o Iehova ko oukou Akua ia oukou, aia hoi, ua like oukou i keia la me na hoku o ka lani, he nui loa.
Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra ianareo izao.
11 (A na Iehova ke Akua o ko oukou poe kupuna, e hoonui patausani aku ia oukou, a e hoomaikai mai ia oukou e like me kana i olelo mai ai ia oukou!)
(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
12 Pehea la e hiki ai ia'u, owau wale no ke halihali i ko oukou kaumaha, a me ko oukou luhi, a me ko oukou hoopaapaa ana?
Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
13 E wae oukou no oukou i na kanaka akamai, naauao, a ikeia e na hanauna kanaka o oukou, a e hoolilo au ia lakou i poe luna no oukou.
Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin’ ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
14 Olelo mai la oukou ia'u, i mai la, He mea pono ke hana i ka mea au i olelo mai nei.
Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
15 A lawe aku la au i na luna o ko oukou mau ohana, i na kanaka naauao, a ikeia, a hoolilo iho la ia lakou i poo maluna o oukou, i luna no na tausani, i luna no na haneri, i luna no na kanalima, a i luna no na umi. i alii no ko oukou mau ohana.
Ary nalaiko ny lohan’ ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ ny firenenareo.
16 A kauoha aku la au i na lunakanawai o oukou i kela manawa, i ka i ana'e, E hoolohe oukou i na mea iwaena o na hoahanau o oukou, a e hoopono ma ka pololei iwaena o ke kanaka a me kona hoahanau, iwaena o ka malihini me ia.
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin’ ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
17 Mai nana oukou i na maka i ka hooponopono ana; e lohe oukou i ka ka mea uuku e like me ka ka mea nui; mai makau oukou i ka maka o ke kanaka; no ka mea, na ke Akua ka hooponopono ana; a o ka mea pohihihi ia oukou, e lawe mai ia mea ia'u, a na'u ia e lohe aku.
Aza mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’ Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
18 A kauoha aku la au ia oukou i kela manawa i na mea a pau a oukou e hana aku ai.
Dia nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ny amin’ ny zavatra rehetra izay hataonareo.
19 A ia kakou i haalele ai ia Horeba, hele kakou maloko o kela waonahele nui weliweli a pau, a oukou i ike ai ma ke ala o ka mauna o ka Amora, e like me ka Iehova i kauoha mai ai ia kakou; a hiki kakou ma Kadesabanea.
Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin’ ny lalana mankany amin’ ny tany havoan’ ny Amorita, araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
20 A aku la au ia oukou, Ua hiki mai oukou ma ka mauna o ka Amora, ka mea a Iehova ko kakou Akua i haawi mai ai no kakou.
Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin’ ny tany havoan’ ny Amonita, izay omen’ i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
21 Aia hoi, ke waiho mai nei o Iehova kou Akua i ka aina imua ou: e pii ae, e komo, e like me ka Iehova ke Akua o kou mau kupuna i olelo mai ai ia oe; mai makau, mai hoopauaho.
indro, efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
22 A hele mai la oukou a pau io'u nei, i mai la, E hoouna aku kakou i na kanaka imua o kakou, a e makaikai lakou i ka aina no kakou, a e hai mai ia kakou i ke ala a kakou e pii aku ai, a me na kulanakauhale a kakou e hele aku ai.
Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
23 Oluolu iho la au ia olelo: a lawe ae la au i na kanaka o oukou, he umikumamalua, pakahi ke kanaka no kela ohana, keia ohana.
Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin’ ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
24 Huli ae la lakou, a pii aku la ma ka mauna, a hiki ma ke kahawai o Esekola, a makaikai aku la i ka aina
ary niainga ireo ka niakatra tany amin’ ny tany havoana, dia tonga tao amin’ ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
25 Lawe lakou i ka hua o ka aina ma ko lakou mau lima, a iho mai io kakou nei, a hai mai ia kakou, i mai la, He maikai ka aina a Iehova ko kakou Akua e haawi mai nei ia kakou.
dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
26 Aole nae oukou i pii aku, aka, kipi aku oukou i ke kauoha a Iehova ko oukou Akua.
Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
27 A ohumu ae la oukou iloko o ko oukou mau halelewa, i iho la, No ka inaina o Iehova ia kakou, i lawe mai ai oia ia kakou mailoko mai o ka aina o Aigupita, e haawi ia kakou iloko o ka lima o ka Amora, e luku mai ia kakou.
Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan’ i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan’ ny Amorita handringanana antsika.
28 Mahea la uanei kakou e pii aku ai? Ua hooweliweli mai ko kakou mau hoahanau i ko kakou naau, ua i mai, Ua nui e aku na kanaka, na loihi hoi lakou ia kakou; a o na kulanakauhale nui, ua paa i ka pa pohaku a hala i ka lani; a ua ike hoi makou i na keiki a Anaka malaila.
Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
29 I aku la au ia oukou, Mai hopohopo oukou, mai makau hoi ia lakou.
Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
30 O Iehova ko oukou Akua, ka mea hele imua o oukou, nana no e kaua aku no oukou, e like me na mea a pau ana i hana'i no oukou ma Aigupita imua o ko oukou maka:
Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
31 A ma ka waonahele, kahi au i ike ai ia Iehova kou Akua, e like me ka ke kanaka hali ana i kana keiki, pela ia i hali ai ia oe ma ke ala a pau a oukou i hele ai, a hiki mai oukou ma keia wahi.
ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran’ ny olona ny zanany, dia teny amin’ ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin’ ity tany ity.
32 Aka, ma keia mea, aole no oukou i hooiaio aku i ka Iehova ko oukou Akua;
Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
33 Oia ka i hele ae ma ke ala imua o oukou, ma ke ahi i ka po, a ma ke ao i ke ao, e imi ana i wahi no oukou e kukulu ai i ko oukou mau halelewa, e kuhikuhi ana ia oukou i ke ala e hele ai.
Izay nandeha tamin’ ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34 A lohe mai la o Iehova i ka leo o ka oukou olelo, a huhu mai la ia oukou, a hoohiki iho la, i ka i ana mai,
Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
35 He oiaio, aole loa kekahi o keia poe kanaka o keia hanauna ino e ike aku i ka aina maikai a'u i hoohiki ai e haawi aku no ko oukou poe kupuna;
Tsy hisy olona mihitsy amin’ izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
36 O Kaleba wale no ke keiki a Iepune; oia ke ike aku ia, a e haawi aku au i ka aina ana i hehi iho ai nona, a no kana mau keiki; no ka mea, ua hahai kupaa aku la ia ia Iehova.
afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah izy.
37 Huhu mai no hoi o Iehova ia'u no oukou, i mai la, Aole hoi oe e hele ilaila.
Ary izaho koa dia notezeran’ i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
38 O Iosua, ke keiki a Nuna, e ku ana imua on, oia ke hele ilaila: e hooikaika oe ia ia, no ka mea, nana no ia e hooili aku no ka Iseraela.
fa Josoa, zanak’ i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak’ Isiraely ny tany.
39 O ka oukou poe keiki uuku a oukou i i mai ai e lilo auanei i poe pio, a me na keiki a oukou, ka poe ike ole ai i ka pono a i hewa ia la, o lakou ke hele ilaila, a na'u ia e haawi aku no lakou, a e komo no lakou ia wahi.
Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’ izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
40 Aka, o oukou, e haliu ae oukou, a e hele ma ka waonahele ma ke ala o ke Kaiula.
Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
41 Alaila, olelo mai la oukou, i mai la ia'u, Ua hana hewa makou ia Iehova, e pii no makou, a e kaua aku, e like me na mea a pau a Iehova ko kakou Akua i kauoha mai ai ia kakou. A i ka wa a oukou, a kela kanaka, keia kanaka i hawele ai i kana mea kaua, ua makaukau oukou e pii maluna o ka puu.
Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
42 I mai la o Iehova ia'u, E i aku oe ia lakou, Mai pii oukou, aole hoi e kaua aku: no ka mea, aole owau me oukou; o lukuia mai oukou e ko oukou poe enemi.
Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
43 A olelo aku la au ia oukou, aole oukou i hoolohe mai; hoohala oukou i ke kauoha a Iehova, aa aku la oukou, a pii ae la maluna o ka puu.
Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin’ i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
44 A o ka Amora e noho ana ma ua puu la, hele mai lakou e ku e ia oukou, a hahai mai lakou ia oukou, e like me ka ka nalomeli hana ana, a pepehi mai ia oukou ma Seira a hiki mai i Horema.
Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’ izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seïra ka hatrany Horma.
45 A hoi hou mai oukou, a uwe iho la imua o Iehova: aka, aole o Iehova i hoolohe mai i ko oukou leo, aole hoi ia i haliu mai i ka pepeiao ia oukou.
Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.
46 A noho iho la oukou ma Kadesa i na la he nui, e like me na la a oukou i noho ai.
Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.

< Kanawailua 1 >