< Oihana 7 >
1 NINAU aku la ke kahuna nui, Pela no anei keia mau mea?
Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2 I mai la keia, E na kanaka, na hoahanau, a me na makua, e hoolohe mai; Ua ikea mai ke Akua nani e ko kakou kupuna e Aberahama, i kona noho ana ma Mesopotamia, i ka wa mamua aku o kona noho ana ma Harana:
fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’ i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
3 A i mai la ia ia, E puka aku oe, mai kou aina aku, a mai kou poe hoahanau aku hoi, a e hele i ka aina a'u e kuhikuhi aku ai ia oe.
ka nanao taminy hoe: Mialà amin’ ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ ny tany izay hasehoko anao.
4 Alaila, hele aku la ia mawaho o ka aina o ko Kaledaio, a noho iho la ma Harana: a make kona makuakane, mai ia wahi mai i lawe mai ai oia ia ia, a i keia aina a oukou e noho nei.
Dia niala tamin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran’ Andriamanitra niala teo izy hankany amin’ ny tany izay onenanareo ankehitriny.
5 Aole hoi i haawi ia ia ia i hooilina maloko ona, aole no i kahi e ku ai ka wawae: ua olelo mai nae oia e haawi mai ia ia ia i kuleana nona, a no kana poe mamo mahope ona; ia manawa, aole ana keiki.
Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
6 I mai la ke Akua penei, E noho malihini ana kana poe mamo ma ka aina e; a e hooluluhi pio ia ilaila, a e hoomainoinoia mai lakou, i na makahiki eha haneri.
Ary nolazain’ Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin’ ny tanin’ ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7 A o ka lahuikanaka a lakou i hookauwa ai, na'u no ia e hoopai aku, wahi a ke Akua: a mahope iho o keia mau mea, e puka mai lakou iwaho, a e malama mai ia'u ma keia wahi.
Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin’ ity tany ity.
8 A haawi mai la ia ia i ka berita o ke okipoepoe ana; a hanau mai nana o Isaaka, a okipoepoe iho la ia ia i ka walu o ka la; a na Isaaka o Iakoba, a na Iakoba o na makualii, he umikumamalua.
Ary nomeny fanekena amin’ ny famorana izy. Ary dia niteraka an’ isaka izy ka namora azy tamin’ ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin’ ny folo lahy.
9 A huahuwa iho la na makualii ia Iosepa, a kuai lilo aku la ia ia i ko Aigupita: aia no me ia ke Akua,
Ary nialona an’ i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
10 A nana no i hoopakele mai ia ia, mailoko mai o kona mau popilikia a pau, a haawi mai ia ia i ka lokomaikaiia, a me ke akamai imua o Parao, o ke alii o Aigupita; a hoolilo iho la ia ia, i luna maluna o Aigupita, a me kona hale a pau.
ka nahafaka azy tamin’ ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin’ izay rehetra tao an-dapany.
11 Ua hiki mai he wi maluna o ka aina a pau o Aigupita a me Kanaana, a me ka popilikia nui: aole i loaa i ko kakou mau kupuna ka mea ai.
Ary nisy mosary eran’ i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
12 A lohe ae la o Iakoba he ai ma Aigupita, hoouna mua aku la ia i ko kakou mau kupuna.
Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin’ ny voalohany.
13 A i ka lua [o ka hele ana] hoike mai o Iosepa ia ia iho i kona poe hoahanau, a hoikeia'ku la ka ohana o Iosepa ia Parao.
Ary tamin’ ny fanindroany dia fantatr’ izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr’ i Farao koa ny havan’ i Josefa.
14 Alaila, hoouna mai la o Iosepa, a kii mai la i kona makuakane ia Iakoba, a me kona poe hoahanau a pau; he mau uhane kanahikukumamalima lakou.
Ary Josefa naniraka ka nampaka an’ i Jakoba rainy mbamin’ ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
15 Iho ae la o Iakoba i Aigupita, a make iho la ia, a me ko kakou poe kupuna.
Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
16 A laweia'ku la lakou i Sukema, a waiho iho la maloko o ka halelua a Aberahama i kuai mai ai i ke kala me na keiki a Hemora, a ka makuakane o Sukema mai.
ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin’ ny fasana izay novidin’ i Abrahama vola tamin’ ny zanak’ i Hamora tany Sekema.
17 A kokoke hiki mai ka wa i oleloia mai ai, a ke Akua i hoohiki mai ai ia Aberahema, mahuahua na kanaka, a lehulehu ae la ma Aigupita;
Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18 A ku mai la kekahi alii e ae, i ike ole ia Iosepa.
mandra-pitsangan’ ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.
19 Hana maalea mai la ia i ko kakou lahuikanaka, a hana ino mai i na kupuna o kakou, a kiola aku la i ka lakou keiki hou, i ole lakou e ola.
Ary izy nanao hafetsena tamin’ ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
20 Ia manawa i hanau ai o Mose, a ua maikai loa ia, a hanaiia oia i ekolu malama maloko o ka hale o kona makuakane.
Tamin’ izany andro izany no nahaterahan’ i Mosesy, ary tsara teo anatrehan’ Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon’ ny rainy.
21 A i kona wa i hooleiia'i mawaho, lawe ae la ke kaikamahine a Parao ia ia, a malama iho la i keiki nana.
Fa rehefa nariana izy, dia nalain’ ny zanakavavin’ i Farao ka notezainy ho zanany.
22 Ua aoia o Mose i ke akamai a pau o ko Aigupita, a ua mana hoi ma na olelo, a ma na hana ana.
Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ ny Egyptiana, ary nahery tamin’ ny teniny sy ny asany izy.
23 A hala na makahiki ona he kanaha, kupu iho la ka manao maloko o kona naau, e hele aku e ike i kona poe hoahanau, i ka poe mamo a Iseraela.
Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak’ isiraely, rahalahiny
24 A ike aku la ia i kekahi mea e hana ino ia'ua, kokua aku la oia ia ia, a hooponopono mamuli o ka mea i hooluhi hewa ia mai, a pepehi aku la i ke kanaka o Aigupita.
Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
25 Manao iho la ia e hoomaopopo auanei kona poe hoahanau e haawi mai ana ke Akua i ola no lakou, ma kona lima; aka, aole lakou i ike.
Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’ Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
26 A ia la ae, ikea oia ia lakou e paio ana, a koi aku la oia ia laua e kuikahi, i ae la, E na kanaka, he mau hoahanau olua, no ke aha la olua e hana ino nei kekahi i kekahi?
Ary nony ampitson’ iny dia niseho tamin’ ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27 Aka, o ka mea hana ino i ka hoa, kipaku aku la oia ia ia, i aku la, Nawai la oe i hoonoho ai i alii, a i lunakanawai maluna o makou?
Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28 Ke manao nei anei oe e pepehi mai ia'u, e like me kou pepehi ana i ke kanaka o Aigupita inehinei?
Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana omaly?
29 Holo aku la o Mose no keia olelo, a lilo i malihini ma ka aina Midiana, malaila i hanau ai nana, na keikikane elua.
Ary tamin’ izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin’ ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30 A pau na makahiki hookahi kanaha, ikeia mai la he anela o ka Haku ia ia, ma ka waonahele, ma ka mauna Sinai, maloko o ka lapalapa ahi o ka laau ooi.
Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin’ ny voaroy.
31 A ike aku la o Mose, kahaha aku la i keia mea i ikeia; a hookokoke aku la no hoi ia e makaikai, a hiki mai ka leo o ka Haku io na la,
Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon’ ny Tompo nanao hoe:
32 Owau no ke Akua o kou mau makua, ke Akua o Aberahama, ke Akua o Isaaka, ke Akua a Iakoba. Haalulu iho la o Mose, a makau ke makaikai aku.
Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33 Olelo mai la ka Haku ia ia, E wehe oe i kou mau kamaa, mai kou mau kapuwai aku; no ka mea, o kahi au e ku nei, he aina hoano ia.
Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin’ ny tongotrao; fa masìna io tany ijanonanao io.
34 I ka nana ana, ua ike au i ka poino ana o ko'u poe kanaka ma Aigupita, a ua lohe no au i ko lakou kaniuhu ana, a ua iho mai nei au e hoopakele ia lakou: e hele mai hoi oe, a e hoouna aku au ia oe i Aigupita.
Hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao.
35 O ua Mose la, ka mea a lakou i hoole ai, me ka i ana'e, Owai ka mea i hoonoho ia oe, i alii, a i lunakanawai? oia no ka ke Akua i hoouna aku ai i alii, a i ola, ma ka lima o ka anela ana i ike aku ai iwaena o ka laau ooi.
Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? kanjo izy ihany no nirahin’ Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ ny tanan’ ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin’ ny voaroy.
36 Nana no lakou i alakai iwaho, e hana ana i na mea kupanaha, a me na hoailona ma ka aina o Aigupita, a me ke Kaiula, a ma ka waonahele i na makahiki hookahi kanaha.
Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin’ ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37 O ua Mose la keia, ka mea nana i olelo mai i na mamo a Iseraela, E hoala mai ana ka Haku, ko oukou Akua, i kekahi Kaula, mailoko mai o ko oukou poe hoahanau, e like me au nei; oia no ka oukou e hoolohe aku ai.
Izany no Mosesy izay nilaza tamin’ ny Zanak’ isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan’ Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy.
38 Oia no ka mea maloko o ka ekalesia ma ka waonahele me ka anela nana i olelo mai ia ia, ma ka mauna ma Sinai, a me ko kakou poe kupuna hoi; a loaa no ia ia na olelo hoola, e haawi mai ia kakou.
Izy ilay teo amin’ ny fiangonana tany an-efitra mbamin’ ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin’ ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
39 Aole i makemake ai ko kakou poe kupuna e hoolohe ia ia, aka, kipaku aku la, a ma ka naau, huli hou no lakou i Aigupita,
Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an’ i Egypta ny fony,
40 I ae la ia Aarona, E hana oe i mau akua no kakou, e hele aku mamua o kakou; no ka mea, o ua Mose la, ka mea i alakai mai ia kakou nei, mai ka aina o Aigupita mai, aole kakou i ike i kona wahi i lilo aku ai.
ka hoy izy tamin’ i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
41 A ia mau la, hana iho la lakou i bipi keiki, a haawi aku la i mohai na ua kii akua la, a olioli iho la lakou i ka mea a ko lakou mau lima iho i hana'i.
Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’ izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ ny sampy ka niravoravo tamin’ ny asan’ ny tànany.
42 Alaila huli aku la ke Akua, a kuu mai la ia lakou e hoomana aku i ka puali o ka lani; e like me ka mea i palapalaia maloko o ka buke a ka poe kaula, E ka ohana a Iseraela e, ua lawe mai anei oukou na'u i na mea i pepehiia, a me na mohai, i na makahiki hookahi kanaha ma ka waonahele?
Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin’ ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak’ isiraely?
43 A ua kaikai oukou i ka halelewa o Moloka, a me ka hoku o ko oukou akua o Remepana, i na kii a oukou i hana'i, i mea e hoomana aku ai ia lakou; a na'u no oukou e lawe aku ma o aku o Babulona.
Tsia, fa nobetainareo ny tranolain’ i Moloka sy ny kintan’ ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr’ i Babylona Aho.
44 Ua loaa no i ko kakou poe kupuna ma ka waonahele, ka halelewahoike, e like me ka olelo ana i olelo mai ai ia Mose, e hana ia mea me ke kumu ana i ike ai.
Ny trano-lain’ ny Vavolombelona dia teo amin’ ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin’ izay niteny tamin’ i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
45 O ka mea hoi a ko kakou poe kupuna i lawe a kai mai ai me Iosua, i ke kuleana o ka lahuikanaka e a ke Akua i kipaku aku ai, mai ka maka aku o ko kakou poe kupuna, a hiki wale mai i na la o Davida.
Izany koa dia noraisin’ ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin’ i Josoa tamin’ ny nahazoany ny tanin’ ny firenena izay noroahin’ Andriamanitra hiala teo anoloan’ ny razantsika hatramin’ ny andron’ i Davida;
46 Loaa no hoi ia ia ka lokomaikaiia mai imua i ke alo o ke Akua, noi aku la ia e hoomakaukau i wahi e noho ai, no ke Akua o Iakoba.
izy nahita fitia anatrehan’ Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
47 Na Solomona nae i kukulu i hale nona.
Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
48 Aka, aole e noho ka Mea Kiekie maloko o na luakini i hanaia e na lima; e like me ka mea i oleloia mai ai e ke kaula,
Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin’ izay nataon-tànan’ olona; araka ny nolazain’ ny mpaminany hoe:
49 O ka lani ko'u nohoalii, a o ka honua hoi ko'u keehana wawae. Heaha ka hale a oukou e kukulu ai no'u? wahi a ka Haku; heaha hoi ko'u wahi e maha ai?
Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50 Aole anei na ko'u lima i hana keia mau mea a pau?
Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?
51 E ka poe ai oolea, ka poe i okipoepoe ole ia ma ka naau, a ma ka pepeiao, ua mau loa ko oukou pale ana i ka Uhane Hemolele; e like me ko oukou kupuna, pela no hoi oukou nei.
Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masìna mandrakariva; tahaka ny nataon’ ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52 Owai kekahi mea o ka poe kaula i hoomaau ole ia e ko oukou poe kupuna? Ua pepehi hoi lakou i ka poe nana i hai mua mai i ka hiki ana mai o ka Mea Hemolele, ka mea a oukou i kumakaia iho nei a pepehi iho la.
Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’ ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
53 Ua loaa no hoi ia oukou ke kanawai, na ka poe anela i hoolaha mai, aole nae oukou i malama.
dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ ny nandaharan’ anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54 A lohe lakou i keia mau mea, walania iho la ko lakou naau, nau iho la ko lakou mau kui ia ia.
Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55 Aka, ua piha no ia i ka Uhane Hemolele, a haka pono aku la ia i ka lani, a ike aku la i ka nani o ke Akua, a me Iesu e ku ana ma ka lima akau o ke Akua;
Fa Stefana, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’ Andriamanitra,
56 I mai la ia, Aia hoi, ke ike aku nei au i na lani e hamama ana, a me ke Keiki a ke kanaka e ku ana ma ka lima akau e ke Akua.
dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra.
57 Uwa aku la lakou me ka leo nui, papani iho la i ko lakou mau pepeiao, a lele lokahi mai la maluna ona;
Ary ny olona niantso tamin’ ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58 Kiola aku la ia ia mawaho o ke kulanakauhale, a hailuku aku la; a waiho iho la na mea hoike i ko lakou aahu ma ka wawae o kekahi kanaka ui, i kapaia o Saulo.
dia nandroaka azy ho eny ivelan’ ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
59 Hailuku aku la lakou ia Setepano, kahea ana me ka olelo aku, E ka Haku, e Iesu, e hookipa aku oe i kuu uhane.
Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
60 Kukuli iho la ia a hea aku la me ka leo nui, E ka Haku, mai kau oe i keia hewa maluna o lakou. A pau kana olelo ana pela, hiamoe iho la ia.
Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.