< Tesalonike II 1 >

1 NA Paulo aku, a me Silevano, a me Timoieo, i ka ekalesia o ko Tesalonike, iloko o ke Akua o ko kakou Makua, a me ka Haku Iesu Kristo:
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2 Ia oukou ke aloha, a me ka malu, mai ke Akua mai o ko kakou Makua, a me ka Haku Iesu Kristo.
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3 E pono no makou e hoomaikai mau aku i ke Akua no oukou, e na hoahanau; he mea maikai no ia, no ka ulu nui ana o ko oukou paulele, a o ke aloha o oukou a pau loa, ua mahuahua ae ia i kekahi i kekahi.
Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4 Oia ka makou e mahalo ai ia oukou, iloko o na ekalesia o ke Akua, no ko oukou ahonui, a me ko oukou manao kupaa i ko oukou hoomaauia mai, a me na ehaeha a pau a oukou e hoomanawanui ai.
ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
5 O ka hoailona akaka ia o ka hoopai pono ana mai o ke Akua, i manaoia mai oukou he poe pono no ke aupuni o ke Akua, no ko oukou mea i hoinoiai.
famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
6 He mea pono no hoi ia i ke Akua ke hoihoi i ka poino i ka poe i hoopoino mai ia oukou;
fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7 A ia oukou hoi ka poe i hoopoinoia, i ka hoomaha pu me makou, i ka wa e hoikeia mai ai o ka Haku o Iesu, mai ka lani mai, me kona poe anela mana,
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
8 Me ko ahi e lapalapa ana, e hoopai ana i ka make maluna o ka poe ike ole i ke Akua, a me ka malama ole i ka euanelio o ko kakou Haku o Iesu Kristo:
amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
9 O lakou ke hoopaiia'na i ka make mau loa, mai ke alo mai o ka Haku a me kona mana nani; (aiōnios g166)
dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, (aiōnios g166)
10 Ia la, i kona hiki ana mai e hoonaniia'ku ai e kona poe hoano a pau, a e mahaloia aku ai iwaena o ka poe a pau i manaoio ia ia, (no ka mea, ua manaoioia mai ka makou hoike ana e oukou.)
raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masìna sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
11 Nolaila hoi makou i pule mau aku ai no oukou, i manao mai ai ko kakou Akua ia oukou he poe pono e hoopomaikaiia, a e hooko mai oia i ke aloha a pau o kona maikai, a me ka hana o ka manaoio me ka mana;
Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’ Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny finoana,
12 I hoonaniia'ku ka inoa o ko kakou Haku o Iesu Kristo, iloko o oukou, a o oukou hoi iloko ona, mamuli o ke aloha ana mai o ko kakou Akua, a me ka Haku Iesu Kristo.
mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

< Tesalonike II 1 >