< II Samuela 24 >
1 U A hoaa hou ia ka inaina o Iehova i ka Iseraela, a ua hoowalewaleia mai o Davida maluna o lakou, e kena aku ai, E haele e helu aku i ka Iseraela a me ka Iuda.
Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra indray tamin’ ny Isiraely, ka dia nanome saina an’ i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
2 I aku la ke alii ia Ioaba ka lunakaua, e noho ana me ia, E poaihele oukou i na ohana a pau o ka Iseraela, mai Dana a hiki aku i Beereseba, a e helu oukou i na kanaka, i ike hoi au i ka nui o na kanaka.
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba, komandin’ ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen’ isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3 I aku la o Ioaba i ke alii, E hoonui mai o Iehova i na kanaka i ko lakou nui, a pahaneri hou aku; a e ike aku hoi na maka o kuu haku o ke alii ia mea: i aha hoi e makemake nei ko'u haku ke alii ia mea?
Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4 Aka, ua ikaika aku ka olelo a ke alii maluna o ka loaba, a i ka poe lunakaua ona, Haele aku la o Ioaba a me na lunakaua mai ke alo aku o ke alii e helu iho i na kanaka o Iseraela.
Nefa tsy azon’ i Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nolavina ny tenin’ ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan’ ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
5 Hele aku la lakou ma kela aoao o Ioredane, a kukulu i na halelewa ma Aroera ma ka aoao akau o ke kulanakauhale mawaena konu o ke awawa o Gada, ma ka aoao ma Iazera:
Ary nita an’ i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ ilay tanàna afovoan’ ny lohasahan-driak’ i Gada, dia nankany Jazera.
6 Alaila hele aku la lakou i Gileada, a ma ka aina i Tahetima-hodesi; a hele aku la hoi lakou i Daniaana, a poai ae la a hiki aku i Zidona.
Dia tonga tany Gileada izy, tany amin’ ny tamin’ i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,
7 Hiki aku la lakou i ka pakaua paa i Turo, a i na kulanakauhale o ka Hivi, a me ka Kanaana: a hele aku la lakou ma ke kukuluhema o ka Iuda ma Beereseba.
ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin’ ny tanànan’ ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin’ ny tany atsimo izay an’ ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
8 A hala na malama eiwa me na la he iwakalua, ua pau ae la ka aina i ke kaaheleia a hoi mai la lakou i Ierusalema.
Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
9 A haawi aku la o Ioaba i ka huina o ka helu ana i na kanaka, i ke alii: a iloko o ka Iseraela he ewalu haneri tausani kanaka koa, na mea unuhi i ka pahikaua: a he elima haneri tausani kanaka no ka Iuda.
Dia natolotr’ i Joaba ny mpanjaka ny isan’ ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin’ ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ ny Joda.
10 Kui iho la ka naau o Davida ia ia iho, mahope iho o kana helu ana i na kanaka. I aku la Davida ia Iehova, Ua hewa nui au i ka mea a'u i hana iho nei: e Iehova, e lawe aku oe i ka hala o kau kauwa; no ka mea, ua hana lapuwale no wau.
Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11 A ala'e la o Davida i kakahiaka, hiki mai la ka olelo a Iehova i ke kaula io Gada la, i ke Davida kaula, i ka i ana mai,
Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin’ i Gada mpaminany, mpahitan’ i Davida, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
12 E hele oe, e i aku ia Davida, Penei ka Iehova olelo, Ke hoike aku nei au i ekolu mau mea nou; e koho oe i kekahi o ia mau mea, i hana aku ai au ia oe ilaila.
Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13 Hele mai la o Gada io Davida la, a hai mai la ia ia, i mai la, E hiki mai anei na makahiki wi ehiku i kou aina? a e auhee paha oe i ekolu malama imua o kou poe enemi i ko lakou alualu ana mai ia oe? a e hiki mai paha na la ahulau ekolu ma kou aina? E kuka iho oe, a e noonoo iho i ka olelo a'u e hoihoi aku ai i ka mea nana au i hoouna mai nei.
Ary Gada nankany amin’ i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin’ ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin’ izay naniraka ahy.
14 I aku la o Davida ia Gada, He pilikia nui ko'u: e aho e haule iho kakou ano iloko o na lima o Iehova; no ka mea, he nui kona aloha: aole au e make haule iloko o ka lima o kanaka.
Dia hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
15 A hoouna mai la o Iehova i ke ahulau iluna o ka Iseraela, mai ke kakahiaka a hiki i ka manawa i oleloia'i, a make iho la na kanaka mai Dana a hiki i Beereseba, he kanahiku tausani kanaka.
Ka dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin’ ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
16 I ka wa i o aku ai ka anela i kona lima maluna o Ierusalema, mihi iho la o Iehova no ka poino, i mai la ia i ka anela nana i luku mai i na kanaka, Ua oki; e alia kou lima ano. E ku ana ka anela ma kahi hehi palaoa no Arauna ka Iebusi.
Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
17 Olelo aku la o Davida ia Iehova i kona ike ana aku i ka anela nana i luku mai i na kanaka, i aku la, Eia hoi, ua hewa wau, ua hana ino no hoi: aka, o keia poe hipa, heaha la ka lakou i hana aku ai? ke noi aku nei au ia oe, e kauia mai kou lima maluna o'u, a maluna hoi o ka ohana a ko'u makuakane.
Ary nony hitan’ i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’ i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko.
18 Hele aku la o Gada io Davida la ia la, i mai la ia ia, E pii aku oe, e kukulu i kuahu no Iehova ma kahi hehi palaoa no Arauna ka Iebusi.
Ary Gada nankany amin’ i Davida tamin’ izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
19 Pii aku la o Davida ma ka olelo ana a Gada, e like me ka Iehova i kauoha mai ai.
Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, araka izay nandidian’ i Jehovah.
20 Nana aku la o Arauna, a ike aku la i ke alii a me kana poe kauwa e hele mai ana io na la. Hele aku la o Arauna iwaho, a kulou iho la imua o ke alii ilalo kona alo i ka honua.
Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka.
21 I aku la o Arauna i ke alii, No ke aha la i hele mai nei kuu haku ke alii i kana kauwa? I mai la o Davida, E kuai me oe i kahi hehi palaoa, i wahi e hana ai i kuahu no Iehova, i hookiia'i ke ahulau mai na kanaka aku.
Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan’ ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’ i Jehovah hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22 I aku la o Arauna ia Davida, E lawe kuu haku ke alii, a e mohai aku e like me kona manao he pono: eia hoi na bipikane i mohai kuni, a me na laau kaa palaoa, a me na mea laau a na bipi i wahie.
Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ ny omby hatao kitay.
23 Haawi aku la o Arauna me he alii la ia mau mea a pau i ke alii. I aku la hoi o Arauna i ke alii, E maliu mai hoi o Iehova ia oe.
Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen’ i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24 I mai la ke alii ia Arauna, Aole pela, oiaio no e kuai aku au me oe, ma ke kumukuai: aole au e kaumaha aku i na mohaikuni ia Iehova i ko'u Akua i ka mea i loaa ia'u ma ke kumukuai ole. A kuai aku la o Davida i kahi hehi palaoa a me na bipikane, i kanalima sekela kala.
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’ i Jehovah Andriamanitro amin’ izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’ i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
25 Hana iho la o Davida i kuahu malaila no Iehova, a kaumaha aku la ia i na mohaikuni, a me na mohai hoomalu. A maliu mai la o Iehova i ka aina, a hookiia iho la ke ahulau mai ka Iseraela aku.
Ary Davida nanao alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken’ i Jehovah ny fifonana natao ho an’ ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.