< II Na Lii 14 >
1 I KA makahiki elua o Ioasa ke keiki a Iehoahaza, ke alii o ka Iseraela, i noho alii ai o Amazia ke keiki a Ioasa ke alii o ka Iuda.
Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda.
2 I ka makahiki ona he iwakaluakumamalima, i lilo ai ia i alii, a he iwakaluakumamaiwa na makahiki ana i alii ai ma Ierusalema. A o Iehoadana ka inoa o kona makuwahine no Ierusalema.
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3 A hana pono aku no ia imua o Iehova; aole nae i like me ka Davida kona kupuna: hana aku no ia e like me na mea a pau a Ioasa a kona makuakane i hana'i.
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an’ i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon’ i Joasy rainy ihany no nataony.
4 Aka hoi, aole i laweia'ku na heiau: kaumaha aku no na kanaka, a kuni hoi i ka mea ala ma na heiau.
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 A i ka manawa i hookupaaia'i ke aupuni ma kona lima, pepehi aku la no ia i kana poe kauwa, nana i pepehi aku ke alii kona makuakane.
Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6 Aka, aole ia i pepehi aku i na keiki a ka poe pepehi kanaka: e like me ka palapala ma ka buke o ke kanawai o Mose, ka mea a Iehova i kauoha ai, i mai la, Aole e pepehiia na makua no na keiki, aole hoi e pepehiia na keiki no na makua; aka, e pepehiia kela kanaka keia kanaka no kona hewa iho.
Fa ny zanak’ ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ny olona.
7 Pepehi aku la ia i ka Edoma ma ke awawa paakai i na tausani he umi, a hoopio aku la i Sela ma ke kaua aua, a kapa aku la i kona inoa, o Ioketeela, a hiki i keia la.
Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin’ ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an’ i Sela tamin’ ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
8 Ia manawa hoouna aku la o Amazia i na elele io Iehoasa, ke keiki a Iehoahaza, ke keiki a Iehu ke alii o ka Iseraela, i aku la, Ea, e ike na maka o kaua.
Tamin’ izany Amazia dia naniraka olona tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
9 A hoouna mai la o Iehoasa ke alii o ka Iseraela io Amazia la, ke alii o ka Iuda, i mai la, Hoouna aku la ka puakala ma Lebanona i ka laau kedara ma Lebanona, i aku la, E haawi mai oe i kau kaikamahine i wahine na ka'u keikikane! a hele ae la ka holoholona o Lebanona, a hehi iho la i ka puakala.
Fa Joasy mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
10 Ua pepehi no nae oe i ka Edoma, a ua hookiekie kou naau ia oe iho; e hoonani oe ilaila, a e noho ma kou hale; no keaha la oe e kaua pu me ka hewa, i haule iho ai oe, o oe, a me ka Iuda me oe?
Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
11 Aka, aole i hoolohe o Amazia: no ia mea, pii ae la o Iehoasa ke alii o ka Iseraela; a ike na maka o laua me Amazia, ke alii o ka Iuda ma Betesemesa, no ka Iuda.
Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12 A pepehiia aku la o ka Iuda imua o ka Iseraela, holo lakou o kela kanaka keia kanaka i kona halelewa.
Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
13 A o Iehoasa ke alii o ka Iseraela, lawe pio aku la oia ia Amazia, i ke alii o ka Iuda, ke keiki a Iehoasa, ke keiki a Ahazia ma Betesemesa, a hele mai i Ierusalema, a hoohiolo i ka papohaku o Ierusalema, mai ka ipuka o Eperaima, a hiki i ka ipuka kihi, eha haneri hailima.
Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
14 A lawe aku la ia i ke gula a pau a me ke kala, a me na kiaha a pau i loaa ma ka hale o Iehova, a ma na waihona waiwai o ka hale o ke alii, a i na mea panihakahaka, a hoi aku la i Samaria.
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
15 A o na hana i koe a Iehoasa ana i hana'i, a me kona ikaika a me kona kana ana me Amazia ke alii o ka Iuda, aole anei i kakauia lakou iloko o ka buke oihanaalii a na'lii o ka Iseraela.
Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ ny heriny sy ny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
16 A hiamoe iho la o Iehoasa me kona poe kupuna, a kanuia iho la ia ma Samaria me na'lii o ka Iseraela: a noho alii iho la o Ieroboama kana keiki ma kona wahi.
Ary Joasy lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17 A ola iho la o Amazia ke keiki a Ioasa ke alii o ka Iuda i na makahiki he umikumamalima, mahope iho o ka make ana o Iehoasa ke keiki a Iehoahaza, ke alii o ka Iseraela.
Ary ny andro niainan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahada, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
18 A o na hana i koe a Amazia aole anei i kakauia lakou iloko o ka buke oihanaalii a na'lii o ka Iuda?
Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
19 A kipi aku la lakou ia ia ma Ierusalema, a holo aku la ia i Lakisa, a hoouna aku la lakou mahope ona i Lakisa; a pepehi aku la ia ia malaila.
Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
20 A lawe mai lakou ia ia maluna o na lio; a kanuia oia ma Ierusalema me kona poe kupuna ma ke kulanakauhale o Davida.
Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy.
21 A lawe na kanaka a pau o ka Iuda ia Azaria, he umikumamaono kona mau makahiki, a hooalii aku la lakou ia ia i hope no Amazia kona makuakane.
Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Azaria, izay vao enina ambin’ ny folo taona tamin’ izay, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
22 A hana aku la ia i Elata, a hoihoi aku la ia wahi no ka Iuda mahope o ka hiamoe ana o ke alii me kona poe kupuna.
Izy no hanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka.
23 I ka makahiki umikumamalima o Amazia ke keiki a Ioasa, ke alii o ka Iuda, i lilo ai o Ieroboama, ke keiki a Ioasa ke alii o ka Iseraela, i alii ma Samaria, he kanahakumamakahi na makahiki o kona alii ana.
Tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
24 Hana ino aku la ia imua o Iehova: aole ia i haalele i na hewa a pau o Ieroboama ke keiki a Nebata, nana i hoolilo ka Iseraela i ka hewa.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25 Hoihoi aku no ia i ka mokuna o ka Iseraela, mai ke komo ana i Hamata, a hiki i ke kai o ka papu, e like me ka olelo a Iehova ke Akua o ka Iseraela ana i olelo ai ma kana kauwa, ma Iona ke keiki a Ametai, ke kaula no Gatehepera.
Izy no nampody ny sisin-tanin’ ny Isiraely ka azony hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, araka ny tenin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak’ i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
26 No ka mea, ua ike no o Iehova i ka mea kaumaha o ka Iseraela, he awaawa nui: no ka mea, aohe mea i paa, aohe mea i paa ole, aohe mea nana e kokua ka Iseraela.
Fa efa hitan’ i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian’ ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27 Aole o Iehova i olelo mai e hookae aku ia i ka inoa o ka Iseraela malalo ae o ka lani; aku, hoopakele no ia ia lakou ma ka lima o Ieroboama ke keiki a Ioasa.
Fa tsy mba nolazain’ i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anaran’ ny Isiraely; fa ny tànan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28 A o na hana i koe a Ieroboama, a o na mea a pau ana i hana'i, a o kona ikaika ana i kaua aku ai, a me kona loaa ana o Damaseko, a me Hamata no ka Iuda, i ka Iseraela, aole auei i kakauia lakou iloko o ka buke oihanaalii a na'lii o ka Iseraela?
Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa mbamin’ izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an’ i Damaskosy sy Hamata, izay an’ ny Joda fahiny, ho an’ ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
29 A hiamoe iho la o Ieroboama me kona poe kupuna, me na'lii o ka Iseraela; a noho alii iho la o Zakaria kana keiki ma kona hakahaka.
Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.