< Korineto II 13 >
1 EIA ke kolu o kuu hele ana'ku io oukou la; ma ka waha o na mea ike elua, a ekolu paha e hookupaaia'i ua mea a pau.
Izao no fanintelon’ ny hankanesako atỳ aminareo. Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra.
2 Ua hai e aku au mamua, ke hai e aku nei hoi au, e like me au e noho hou ana me oukou; aka, ma kahi e ke palapala aku nei au i ka poe i hana hewa mamua, a me na mea e ae a pau, a hiki hou aku au, aole au e minamina ia lakou.
Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho ― toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa ― amin’ izay nanota teo aloha sy amin’ ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
3 No ka mea, ke imi nei oukou i ka mea e akaka ai ka Kristo olelo ana mai ma o'u nei aole ona nawaliwali ma o oukou la, aka, he ikaika kona iwaena o oukou.
satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
4 No ka mea, ina paha i kaulia'i oia ma ke kea no ka nawaliwali, e ola ana no hoi ia ma ka mana o ke Akua: ua nawaliwali no hoi makou iloko ona, aka, e ola ana no hoi makou me ia ma ka mana o ke Akua iwaena o oukou.
Fa voahombo tamin’ ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’ Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’ Andriamanitra.
5 E hoao oukou ia oukou iho, aia ma ka manaoio paha oukou; e huli oukou ia oukou iho i pono: aole anei oukou i ike ia oukou iho, aia no Iesu Kristo iloko o oukou, ke ahewa ole ia oukou?
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
6 Aka, ke manao nei au, e ike auanei oukou, aole makou e ahewaia.
Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7 A ke pule aku nei au i ke Akua i ole oukou e hana hewa iki; aole no ka ikeia o ko makou pono, aka, e hana aku oukou i ka mea maikai, ke manaoia mai makou he pono ole.
Ary mangataka amin’ Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
8 No ka mea, aole e pono ia makou ke hana i kekahi mea ku e i ka oiaio, aka, i ka mea ku pono i ka oiaio.
Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
9 Ke hauoli nei makou i ko makou nawaliwali, a i ko oukou ikaika: eia hoi ka makou e pule aku nei, i hemolele oukou.
Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.
10 No ia hoi, ke palapala aku nei au ia mau mea ma kahi e, o hoowalania aku au ke hiki aku io oukou la, e like me ka mana a ka Haku i haawi mai ai no'u, no ka hookupaa, aole no ka luku aku.
Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
11 Eia ke oki, e na hoahauau, aloha oukou; i hemolele oukou, i oluolu hoi, i hookahi ko oukou manao, e noho oukou me ke kuikahi: a o ke Akua nona ke aloha a me ke kuikahi e noho pu me oukou.
Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
12 E uwe aku kekahi i kekahi, i ka honi hoano.
Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
13 Ke uwe aku nei na haipule a pau ia oukou.
Ny olona masìna rehetra manao veloma anareo.
14 I mau aku ka lokomaikai o ka Haku o Iesu Kristo, me ke aloha o ke Akua, a me ka launa pu ana o ka Uhane Hemolele me oukou a pau. Amene.
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ ny Fanahy Masìna.