< I Samuela 15 >

1 OLELO aku la o Samuela ia Saula, Na Iehova wau i hoouna mai e poni ia oe i alii maluna o kona poe kanaka, o ka Iseraela: ano hoi, e hoolohe oe i ka leo o na olelo a Iehova.
Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianao.
2 Ke olelo mai nei o Iehova o ke kaua, peneia, Ke hoomanao nei au i ka mea a ka Amaleka i hana mai ai i ka Iseraela, i kona ku e mai ia ia ma ke ala, i ka manawa i hele mai ai ia mai Aigupita mai.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hovaliako izay nataon’ ny Amalekita tamin’ ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
3 Ano hoi e hele oe, a e luku aku i ka Ameleka, a e luku aku i ko lakou mea a pau loa, mai minamina ia lakou; aka, e luku aku i ke kane a me ka wahine, i ke keiki a me ka mea omo waiu, i ka bipi a me ka hipa, i ke kamelo a me ka hoki.
Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
4 Houluulu ae la o Saula i na kanaka, a helu aku la ia lakou ma Telaima, elua haneri tausani kanaka koa hele wawae, a he umi tausani kanaka o ka Iuda.
Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin’ ny Joda.
5 A hele aku la o Saula i ke kulanakauhale o ka Amaleka, a kaua aku la ma ke awawa.
Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
6 Olelo aku la o Saula i ka poe Keni, E hele aku, e haalele, e iho ilalo mai waena mai o ka Amaleka, o luku aku auanei au ia oukou me lakou: no ka mea, ua lokomaikai oukou i na mamo a Iseraela, ia lakou i hele mai, mai Aigupita mai. Hele aku la ka poe Keni mailoko aku o ka Amaleka.
Ary hoy Saoly tamin’ ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin’ ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak’ Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin’ ny Amalekita ny Kenita.
7 Luku aku la o Saula i ka Amaleka ma Havila, a hiki aku i Sura e ku pono ana i Aigupita.
Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ ny lalana mankany Sora izay tandrifin’ i Egypta.
8 A lawe ola aku la oia ia Agaga ke alii o ka Amaleka, a luku aku la i na kanaka a pau i ka maka o ka pahikaua.
Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin’ ny lelan-tsabatra.
9 Aka, o Saula a me na kanaka i hoola aku la ia Agaga, a i na mea maikai o ka poe hipa, a o ka poe bipi, a i na mea maikai iki iho, a i na keiki hipa, a i na mea maikai a pau, aole i luku aku ia lakou: aka, o na mea i hoowahawahaia, a me na mea ino, ua pau loa ia mea i ka lukuia e lakou.
Fa Saoly sy ny olona tsy namono an’ i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak’ ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.
10 Alaila hiki mai ka olelo a Iehova ia Samuela, i mai la,
Ary tonga tamin’ i Samoela ny tenin’ i Jehovah hoe:
11 Ke mihi nei au i kuu hoonoho ana ia Saula i alii: no ka mea, ua huli ae ia mai ka hahai ana ia'u, aole ia i hooko i ka'u mau kauoha. Huhu iho la o Samuela; a kahea aku la ia ia Iehova ia po a pau.
Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.
12 I ka wanaao, ala ae la o Samuela e halawai me Saula i kakahiaka, ua haiia mai ia Samuela, i mai la, Ua hiki mai o Saula ma Karemela, a ua kukulu i mea hoomanao nona, a ua huli ae, a ua hele aku, a ua iho ilalo i Gilegala.
Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an’ i Saoly, dia nisy nilaza tamin’ i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
13 A hele aku la o Samuela io Saula la; i mai la o Saula ia ia, Pomaikai oe ia Iehova; ua hooko no wau i ka olelo a Iehova.
Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.
14 I aku la o Samuela, No ke aha keia alala ana o na hipa ma kuu pepeiao, a me ka uwo ana o na bipi a'u e lohe nei?
Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman’ osy ren’ ny sofiko izany sy ny fimàmàn’ ny omby reko?
15 I mai la o Saula, Ua lawe mai lakou ia mau mea mai ka Amaleka mai: no ka mea, ua hoola na kanaka i na mea maikai o ka poe hipa, a me na bipi, i mea e kaumaha aku ai ia Iehova, i kou Akua; a o na mea e ae, ua pau ia makou i ka lukuia.
Ary hoy Saoly: Avy tany amin’ ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman’ osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
16 Olelo aku la o Samuela ia Saula, Alia, a e hai aku au ia oe i ka mea a Iehova i olelo mai ai ia'u i neia po. I mai la kela ia ia, E hai mai.
Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain’ i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
17 I aku la o Samuela, I ka wa i uuku ai oe i kou maka, aole anei i lilo oe i luna no na ohana o ka Iseraela, a i poni mai hoi o Iehova ia oe i alii maluna o ka Iseraela?
Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ ny firenen’ Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely;
18 Hoouna aku la o Iehova ia oe ma ke ala, i aku la, E hele, a e luku loa aku i ka poe hewa o ka Amaleka, a e kaua aku ia lakou, a pau lakou i ka lukuia.
ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.
19 No ke aha la oe i hoolohe ole ai i ka leo o Iehova, a ua lawe hewa oe i ka waiwai pio, a ua hana hewa oe imua o Iehova.
Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin’ ny babo ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah?
20 I mai la o Saula ia Samuela, Ua hoolohe no wau i ka leo o Iehova, a ua hele au ma ke ala a Iehova i hoouna aku ai ia'u, a ua lawe mai au ia Agaga, i ke alii o ka Amaleka, a ua luku loa aku au i ka Amaleka.
Fa hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nihaino ny feon’ i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin’ izay nanirahan’ i Jehovah ahy ary nitondra an’ i Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
21 Aka, ua lawe na kanaka i ka waiwai pio, i ka hipa, a me ka bipi, i na mea maikai o na mea laa, i mea e kaumaha aku ai ia Iehova i kou Akua ma Gilegala.
Nefa nangalan’ ny olona ondry aman’ osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin’ ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
22 I aku la o Samuela, Ua like anei ka oluolu o Iehova i na mohaikuni, a i na alana, me ka hoolohe ana i ka leo o Iehova? Aia hoi, ua oi aku ka pono o ka hoolohe ana, mamua o ka mohai, a o ka maliu ana, mamua o ka momona o na hipakane.
Fa hoy Samoela: Sitrak’ i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’ i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ ondrilahy.
23 No ka mea, o ke kipi, ua like ia me ka hewa o ka anaana, a o ka hoopaakiki, me ka lapuwale o ka hoomanakii: no kou haalele ana i ka olelo a Iehova, ua haalele mai ia ia oe, aole oe ke alii.
Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
24 I mai la o Saula ia Samuela, Ua hewa au; no ka mea, ua malama ole au i ke kauoha a Iehova, a me kau mau olelo, no kuu makau ana i na kanaka, a ua hoolohe au i ko lakou leo.
Ary hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’ i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
25 Ano hoi, ke noi aku nei au ia oe, e kala mai oe i kuu hewa, a e huli ae me au, a e hoomana aku ia Iehova.
Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah.
26 I aku la o Samuela ia Saula, Aole au e huli ae me oe; no ka mea, ua haalele oe i ke kauoha a Iehova, a ua haalele mai o Iehova ia oe, aole oe ke alii maluna o ka Iseraela.
Fa hoy Samoela tamin’ i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin’ i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely intsony.
27 A i ka huli ana ae o Samuela e hele aku, lalau mai la kela i ka lepa o kona aahu, a nahae iho la ia.
Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin’ i Saoly ny sisin’ akanjony ka triatra.
28 I aku la o Samuela ia ia, Ua hoonahae mai o Iehova i ke aupuni mai ou aku la i keia la, a ua haawi aku ia mea i kekahi hoalauna ou, ua oi aku kona pono i kou.
Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
29 Aole no hoi e hoopunipuni ka Oiaio o ka Iseraela, aole hoi ia e mihi; no ka mea, aole no ia he kanaka, i mihi ai oia.
Ary koa, ny Tokin’ ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
30 I mai la ia, Ua hewa au; ke noi aku nei au ia oe, ano e hoomaikai mai oe ia'u imua o na lunakahiko o kuu poe kanaka, a imua hoi o ka Iseraela, a e huli hou ae me au, i hoomana aku ai au ia Iehova i kou Akua.
Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ ny loholoko sy eo anatrehan’ ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
31 A huli hou ae la o Samuela mahope o Saula, a hoomana aku la o Saula ia Iehova.
Ary Samoela dia niverina nanaraka an’ i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah.
32 Alaila, i aku la o Samuela, E kaina mai o Agaga, ke alii o ka Amaleka i o'u nei: a hele olioli mai o Agaga, i mai la, He oiaio, ua hala aku la ka awaawa o ka make.
Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian’ ny fahafatesana.
33 I aku la o Samuela, E like me kau pahikaua i hoonele ai i na wahine i keiki ole, pela hoi e hooneleia'i kou makuwahine i ke keiki ole iwaena o na wahine. Oki liilii iho la o Samuela ia Agaga imua o Iehova ma Gilegala.
Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan’ ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ ny reninao zanaka kosa ao amin’ ny vehivavy. Dia notetitetehin’ i Samoela teo anatrehan’ i Jehovah tao Gilgala Agaga.
34 A hele aku la o Samuela ma Rama; a pii ae la o Saula i kona hale ma Gibea o Saula.
Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin’ ny tranony tao Gibean’ i Saoly.
35 Aole hele hou o Samuela e ike ia Saula, a hiki i kona la e make ai; aka, uwe iho la o Samuela ia Saula: a mihi iho la o Iehova i kona hooalii ana ia Saula maluna o ka Iseraela.
Ary Samoela tsy namangy an’ i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an’ i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an’ i Saoly ho mpanjakan’ ny Isiraely.

< I Samuela 15 >