< Ru’uya ta Yohanna 4 >

1 Bayan wadannan abubuwa na duba, sai ga budaddiyar kofa a sama. Muryar fari da na ji kamar kakaki, na cewa hauro in nuna maka abubuwan da dole za su faru bayan wadannan al'amura.”
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an’ ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
2 Nan da nan ina cikin Ruhu, sai na ga wani kursiyin da aka ajiye shi a sama, da wani zaune bisansa.
Ary niaraka tamin’ izay dia voatsindrin’ ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
3 Shi da ke zaune a kan tana da kamanin yasfa da yakutu. Akwai Bakangizo kewaye da kursiyin kamanin bakangizon kuwa zumurudu.
Ary ny tarehin’ ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin’ emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4 A kewaye da kursiyin kuwa akwai kursiyoyi ashirin da hudu, masu zama bisa kursiyoyin nan kuwa dattawa ne ashirin da hudu, sanye da fararen tufafi, da kambunan zinariya bisa kawunansu.
Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.
5 Daga kursiyin walkiya na ta fitowa, cida, da karar aradu. Fitilu bakwai na ci a gaban kursiyin, fitilun sune ruhohin Allah guda bakwai.
Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton’ Andriamanitra ireo.
6 Gaban kursiyin akwai tekun gilashi, mai haske kamar karau. A tsakiyar kursiyin da kewayen kursiyin akwai rayayyun hallitu guda hudu cike da idanu gaba da baya.
Ary teo anoloan’ ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan’ aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
7 Rayayyen hallitta na farko na da kamanin zaki, rayayyen hallitta na biyun kamanin dan maraki ne, rayayyen hailitta na uku fuskar sa kamar dan adam, kuma rayayyen hallitta ta hudu na da kamanin gaggafa mai tashi.
Ary ny zava-manan’ aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan’ aina faharoa dia tahaka ny zanak’ omby, ary ny zava-manan’ aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’ olona, ary ny zava-manan’ aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8 Dukan rayayyun hallittan nan hudu na da fukafukai shida shida, cike da idanu a bisa da karkashin fukafukan. Dare da rana ba sa daina cewa, Mai Tsarki, Mai Tsarki, Mai Tsarki ne Ubangiji Allah, mai iko duka, shine da shine yanzu shine mai zuwa.”
Ary ny zava-manan’ aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masìna, masìna, masìna ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9 A dukan lokacin da rayayyun hallittun nan suke ba da girma, daukaka, da godiya ga shi da ke zaune bisa kursiyin, wanda ke raye har abada abadin, (aiōn g165)
Ary raha ny zava-manan’ aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, (aiōn g165)
10 sai dattawan nan ashirin da hudu suka fadi da fuskokinsu a kasa gaban shi da ke zaune bisa kursiyin. Suka yi sujada ga shi da ke rayuwa har abada abadin, suna jefar da kambinsu a gaban kursiyin, suna cewa, (aiōn g165)
dia hiankohoka eo anoloan’ izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ ny seza fiandrianana ka hanao hoe: (aiōn g165)
11 “Ka cancanta, ya Ubangijinmu da Allahnmu, ka karbi yabo da daukaka da iko. Domin kai ka hallicci dukan komai, da kuma nufinka ne, suka kasance aka kuma hallicce su.
Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.

< Ru’uya ta Yohanna 4 >