< Zakariya 14 >

1 Ranar Ubangiji tana zuwa sa’ad da za a raba muku ganimar da aka washe daga gare ku.
Indro, hisy andron’ i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao.
2 Zan tara dukan al’ummai su yaƙi Urushalima; za a ci birnin da yaƙi, za a washe gidaje, a kuma yi wa mata fyaɗe. Rabin birnin zai je bauta, amma ba za a kwashe sauran mutanen daga birnin ba.
Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an’ i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin’ ny tanàna.
3 Sa’an nan Ubangiji zai fita yă yi yaƙi da waɗannan al’ummai, kamar yadda yake yaƙi a ranar yaƙi.
Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin’ ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ ny andro fiadiana.
4 A ranan nan ƙafafunsa za su tsaya a kan Dutsen Zaitun, gabas da Urushalima, za a kuma tsage Dutsen Zaitun kashi biyu daga gabas zuwa yamma, yă zama babban kwari, rabin dutsen zai matsa zuwa wajen arewa, rabi kuma zai matsa zuwa wajen kudu.
Ary amin’ izany andro izany ny tongony hijoro eo an-tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’ i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
5 Za ku gudu ta wajen kwarin dutsena, gama zai miƙe har zuwa Azel. Za ku gudu kamar yadda kuka guje wa girgizar ƙasa a kwanakin Uzziya sarkin Yahuda. Sa’an nan Ubangiji Allahna zai zo, tare da duk masu tsarki.
Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ ny andron’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masìna rehetra momba Azy.
6 A ranan nan ba za a kasance da haske ko sanyi ba, ko hazo mai duhu ba.
Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
7 Za tă zama rana ce ta musamman, ba yini ko dare, rana da take sananne ga Ubangiji. Sa’ad da yamma ta yi, za a yi haske.
fa hisy andro iray, izay fantatr’ i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
8 A ranan nan ruwan rai zai kwararo daga Urushalima, rabi zai gangara gabas zuwa teku rabi kuma zai gangara yamma zuwa Bahar Rum, a damina da rani.
Ary amin’ izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina andrefana, na amin’ ny fahavaratra na amin’ ny ririnina dia samy hisian’ izany.
9 Ubangiji zai sama sarki bisa dukan duniya. A ranan nan za a kasance da Ubangiji ɗaya, ba wani suna kuma sai nasa.
Ary Jehovah ho Mpanjakan’ ny tany rehetra; amin’ izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
10 Ƙasar gaba ɗaya daga Geba zuwa Rimmon, kudu da Urushalima, za tă zama kamar Araba. Amma Urushalima za tă kasance a wurinta, daga Ƙofar Benyamin zuwa sashen Ƙofa ta Farko, zuwa Ƙofar Kusurwa, daga kuma Hasumiyar Hananel zuwa wurin matsin ruwan inabin sarki.
Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
11 Za a zauna a cikinka; ba za a ƙara hallaka ta ba. Urushalima za tă zauna lafiya.
Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
12 Ga bala’in da Ubangiji zai bugi dukan al’umman da suka yi yaƙi da Urushalima. Fatar jikinsu za tă ruɓe tun suna tsaye a ƙafafunsu, idanunsu za su ruɓe a cikin kwarminsu, harsunansu kuma zai ruɓe a cikin bakunansu.
Ary izao no areti-mandringana hamelezan’ i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’ i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin’ ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
13 A ranan nan Ubangiji zai sa maza su cika da tsoro ƙwarai. Kowane mutum zai kama hannun ɗan’uwansa, za su kai wa juna hari.
Ary amin’ izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’ i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
14 Yahuda ma za tă yi yaƙi a Urushalima. Za a tattara dukiyar al’umman da suke kewaye, za a tara zinariya da azurfa masu yawan gaske tare da tufafi.
Ary ny Joda koa hamely an’ i Jerosalema, ary hovorina ny haren’ ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.
15 Irin wannan bala’i zai auko wa dawakai da alfadarai, raƙuma da jakuna, da kuma dukan dabbobi a wannan sansani.
Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin’ ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
16 Sa’an nan waɗanda suka tsira daga cikin al’umman da suka yaƙe Urushalima za su haura shekara-shekara su yi wa Sarki, Ubangiji Maɗaukaki sujada, su kuma yi Bikin Tabanakul.
Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
17 In waɗansu mutanen da suke duniya ba su haura Urushalima suka yi wa Sarki, Ubangiji Maɗaukaki sujada ba, ba za su sami ruwan sama ba.
Ary na iza na iza amin’ ny firenena samy hafa amin’ ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
18 In mutanen Masar ba su haura sun yi sujada ba, ba za su sami ruwan sama ba. Ubangiji zai kawo masu bala’in da ya aika wa al’umman da ba su haura sun yi Bikin Tabanakul ba.
Ary raha ny firenen’ i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan’ i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
19 Wannan ne zai zama hukuncin Masar da kuma na dukan al’umman da ba su haura sun yi Bikin Tabanakul ba.
Izany no fampijaliana an’ i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
20 A ranan nan za a rubuta TSARKI GA Ubangiji a jikin ƙararrawar dawakai, kuma tukwanen dahuwa a gidan Ubangiji za su zama kamar kwanoni masu tsarki a gaban bagade.
Amin’ izany andro izany dia hisy ao amin’ ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon’ i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ ny alitara.
21 Kowace tukunya a Urushalima da Yahuda za tă zama mai tsarki ga Ubangiji Maɗaukaki, kuma duk wanda ya zo don miƙa hadaya zai ɗauki waɗansu tukwane yă yi dahuwa da su. A ranan nan kuwa, ba Bakan’ane da zai ƙara kasance a gidan Ubangiji Maɗaukaki.
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ ireny ka hahandro aminy. Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.

< Zakariya 14 >