< Zakariya 12 >

1 Annabci, maganar Ubangiji game da Isra’ila. Ubangiji, wanda ya shimfiɗa sammai, wanda ya kafa harsashin duniya, wanda kuma ya yi ruhun mutum a cikinsa ya ce,
Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ ny tany ary mamorona ny fanahin’ ny olona ao anatiny:
2 “Zan sa Urushalima ta zama kwaf mai sa mutanen da suke a dukan kewayenta, jiri. Yaƙi zai kewaye Urushalima har yă shafi Yahuda ma.
Indro, Izaho hanao an’ i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan’ izany ny hanaovana fahirano an’ i Jerosalema.
3 A ranan nan, sa’ad da duk al’umman duniya za su tayar mata, zan sa Urushalima ta zama dutsen da ba a iya matsarwa ga dukan al’ummai. Duk waɗanda suka yi ƙoƙari su matsar da shi za su ji ciwo.
Ary amin’ izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ ny tany.
4 A ranan nan zan sa kowane doki yă tsorata, mai hawan dokin kuma yă haukace,” in ji Ubangiji. “Zan sa idanuna in tsare gidan Yahuda, amma zan makantar da dukan dawakan al’ummai.
Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin’ ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin’ ny taranak’ i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an’ ny firenena amin’ ny fahajambana.
5 Sa’an nan shugabannin Yahuda za su ce a cikin zukatansu, ‘Mutanen Urushalima suna da ƙarfi domin Ubangiji Maɗaukaki shi ne Allahnsu.’
Ary ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny.
6 “A ranan nan zan sa shugabannin Yahuda su zama kamar tukunyar wuta a tarin itacen wuta; kamar harshen wuta a dammunan hatsi. Za su ƙone dukan mutanen da suke kewaye da su hagu da dama, amma babu abin da zai taɓa mutanen Urushalima.
Amin’ izany andro izany ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin’ ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin’ ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin’ ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
7 “Ubangiji zai ceci wuraren zaman Yahuda da farko, don kada darajar gidan Dawuda da mazaunan Urushalima su fi na Yahuda daraja.
Ary hovonjen’ i Jehovah aloha ny lain’ ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin’ ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak’ i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
8 A ranan nan Ubangiji zai kiyaye waɗanda suke zama a Urushalima, domin marasa ƙarfi a cikinsu su zama kamar Dawuda, gidan Dawuda kuma zai zama kamar Allah, kamar mala’ikan Ubangiji da yake tafiya a gabansu.
Amin’ izany andro izany dia harovan’ i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin’ izany andro izany dia ho tahaka an’ i Davida; ary ny taranak’ i Davida ho tahaka an’ Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin’ i Jehovah eo anoloany.
9 A ranan nan zan fito don in hallaka dukan al’umman da suka yaƙi Urushalima.
Amin’ izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an’ i Jerosalema Aho.
10 “Zan kuma zubo wa gidan Dawuda da mazaunan Urushalima ruhun alheri da na addu’a. Za su dube ni, wannan da suka soke shi, za su kuma yi makoki dominsa kamar yadda mutum yakan yi makokin mutuwar ɗansa tilo, su kuma yi baƙin ciki ƙwarai kamar yadda mutum yakan yi baƙin ciki don ɗan fari.
Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.
11 A ranan nan kuka a Urushalima zai yi yawa kamar kukan Hadad Rimmon a filin Megiddo.
Amin’ izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ ny lohasaha Megido.
12 Ƙasar za tă yi makoki, kowane iyali zai yi makoki a ware, tare da matansu su ma a ware, iyalin gidan Dawuda da matansu, iyalin gidan Natan da matansu,
Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian’ i Davida mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Natana mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
13 iyalin gidan Lawi da matansu, iyalin gidan Shimeyi da matansu,
ny fianakavian’ ny taranak’ i Levy mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Simey mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
14 dukan sauran iyalan kuma da matansu.
ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ ireo mitokana.

< Zakariya 12 >