< Rut 2 >

1 To, fa, Na’omi tana da dangi a gefen mijinta da iyalin Elimelek, mutum mai martaba, mai suna Bowaz.
Ary nisy havan’ ny vadin’ i Naomy avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
2 Sai Rut mutuniyar Mowab ta ce wa Na’omi, “Bari in tafi gonaki in yi kala raguwar hatsi a bayan duk wanda na sami tagomashi daga gare shi.” Na’omi ta ce mata, “Ki je,’yata.”
Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin’ i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’ izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
3 Saboda haka ta tafi ta fara kala a gonaki a bayan masu girbi. Sai ya zamana, ta sami kanta tana aiki a gonar da take ta Bowaz, wanda yake daga dangin Elimelek.
Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ ny tanimbarin’ i Boaza, izay avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, izy.
4 Sai ga Bowaz ya iso daga Betlehem ya gai da masu girbi, “Ubangiji yă kasance tare da ku!” Sai suka amsa, “Ubangiji yă albarkace ka!”
Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin’ ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
5 Sai Bowaz ya tambayi shugaban masu girbinsa, “Wace yarinya ce wannan?”
Dia hoy Boaza tamin’ ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak’ iza moa io zazavavy io?
6 Shugaban ya amsa, “Ita ce mutuniyar Mowab da ta zo daga Mowab tare da Na’omi.
Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an’ i Naomy avy tany amin’ ny tany Moaba io;
7 Ta ce, ‘Ina roƙo a bar ni in bi bayan masu girbin in yi kala.’ Haka ta shiga cikin gonar ta kuwa yi aiki tun da safe har zuwa yanzu, sai ɗan hutun da ta yi kaɗan.”
fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian’ ny mpijinja eny anelanelan’ ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
8 Saboda haka Bowaz ya ce wa Rut, “’Yata, ki saurare ni. Kada ki tafi ki yi kala a wani gona, kada kuma ki tafi daga nan. Ki tsaya nan tare da’yan matana bayi.
Dia hoy Boaza tamin’ i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan’ ny zatovovavy.
9 Ki lura da gonar da mutanena suke girbi, ki bi su tare da’yan matana. Na riga na faɗa wa mazan kada su taɓa ke. Kuma duk sa’ad da kika ji ƙishirwa, ki tafi ki ɗebo ruwa daga tulunan da mazan suka cika.”
Aoka ny masonao ho amin’ ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ ny siny, ka misotroa amin’ izay antsakain’ ny zatovo.
10 Jin haka, sai ta rusuna da fuskata har ƙasa ta ce, “Me ya sa na sami irin wannan tagomashi a idanunka da har ka lura da ni, ni da nake baƙuwa?”
Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
11 Bowaz ya amsa, “An faɗa mini duka game da abin kika yi domin surukarki tun mutuwar mijinki, yadda kika bar mahaifinki da mahaifiyarki da kuma ƙasarki kika zo ki yi zama da mutanen da ba ki taɓa sani ba.
Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao.
12 Bari Ubangiji yă sāka maka saboda abin da ka yi. Bari Ubangiji, Allah na Isra’ila yă sāka maka a yalwace, a ƙarƙashin fikafikan da ka sami mafaka.”
Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
13 Ta ce, “Bari in ci gaba da samun tagomashi a idanunka ranka yă daɗe. Ka ta’azantar da ni ka kuma yi wa baranyarka magana mai alheri ko da yake ban kai matsayi ɗaya daga cikin bayinka’yan mata ba.”
Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho.
14 A lokacin cin abinci Bowaz ya ce mata, “Zo nan. Ki ɗebo burodi ki tsoma cikin ruwan inabi.” Da ta zauna tare da masu girbin, sai ya ba ta gasasshe hatsi. Ta ci duk abin da take so har ta bar ragowa.
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
15 Da ta tashi don tă yi kala, sai Bowaz ya yi umarni wa samarinsa cewa, “Ko ta tara daga cikin dammuna, kada ku wulaƙanta ta.
Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian’ i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan’ ny amboara aza, ka aza maninona azy.
16 Ku kuma riƙa zarar mata waɗansu daga dammunan don ta ɗauka, kada ku kwaɓe ta.”
Ary asio latsadatsaka avy amin’ ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.
17 Saboda haka Rut ta yi kala a gonar har yamma. Sa’an nan ta sussuka hatsin sha’ir da ta kalata ta sami kamar efa.
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
18 Ta ɗauka ta koma gari sai surukarta ta ga yawan abin da ta kalato. Rut kuma ta fitar da ragowar abin da ta ci bayan ta ƙoshi ta ba ta.
Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan’ ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
19 Surukarta ta tambaye ta, “Ina kika yi kala a yau? Ina kika yi aiki? Albarka ta tabbata ga mutumin nan ta ya lura da ke!” Sai Rut ta faɗa wa surukarta game da wurin wanda ta yi ta aiki. Ta ce, “Sunan mutumin da na yi aiki da shi a yau Bowaz ne.”
Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany
20 Sai Na’omi ta ce wa surukarta, “Ubangiji yă yi masa albarka! Bai daina nuna alheri ga masu rai da matattu ba.” Ta ƙara da cewa, “Wannan mutum danginmu ne na kusa; shi ɗaya daga cikin danginmu mai fansa.”
Dia hoy Naomy tamin’ ny vinantonivavy: Hotahin’ i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’ izay mahavotra antsika izy.
21 Sa’an nan Rut mutuniyar Mowab ta ce, “Ya ma ce mini, ‘Ki riƙa bin ma’aikatana sai sun ƙare yin girbin dukan hatsina.’”
Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan’ ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
22 Na’omi ta ce wa Rut surukarta, “Zai fi miki kyau,’yata ki riƙa tafiya da’yan matansa, domin a gonar wani dabam mai yiwuwa a yi miki lahani.”
Ary hoy Naomy tamin’ i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.
23 Saboda haka Rut ta tsaya kusa da bayi mata na Bowaz don tă yi kala sai da girbin sha’ir da na alkama suka ƙare. Ta kuwa zauna tare da surukarta.
Ary izy tsy nety nisaraka tamin’ ny zatovovavin’ i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin’ ny rafozani-vavy Izy.

< Rut 2 >