< Zabura 80 >

1 Don mai bi da kaɗe-kaɗe. Mai muryar “Lilin Alkawari.” Na Asaf. Zabura ce. Ka ji mu, ya Makiyayin Isra’ila, kai da ka bishe Yusuf kamar garke. Kai da kake zaune a kursiyi tsakanin kerubobi, ka haskaka
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra.
2 a gaban Efraim, Benyamin da Manasse. Ka tā da ƙarfinka; ka zo ka cece mu.
Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
3 Ka mai da mu, ya Allah; ka sa fuskarka ta haskaka a kanmu, za mu kuwa cetu.
Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
4 Ya Ubangiji Allah Maɗaukaki, har yaushe fushinka zai yi ta ƙuna a kan addu’o’in mutanenka?
Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
5 Ka ciyar da su da burodin hawaye; ka sa suka sha hawaye ta cikakken kwaf.
Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
6 Ka mai da mu abin faɗa ga maƙwabtanmu, kuma abokan gābanmu suna mana ba’a.
Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
7 Ka mai da mu, ya Allah Maɗaukaki; ka sa fuskarka ta haskaka a kanmu za mu kuwa cetu.
Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
8 Ka fitar da inabi daga Masar; ka kori al’ummai ka kuma dasa shi.
Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
9 Ka gyara wuri saboda shi, ya kuwa yi saiwa ya cike ƙasa.
Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
10 Aka rufe duwatsu da inuwarsa, manya-manyan itatuwan al’ul da rassansa.
Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
11 Ya miƙe rassansa zuwa Teku tohonsa har zuwa Kogi.
Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony.
12 Me ya sa ka rurrushe bangayensa don duk masu wucewa su tsinke’ya’yan inabinsa?
Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
13 Aladu daga kurmi suna ɓarnatar da shi halittun gonaki kuma suna cinsa.
Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
14 Ka komo wurinmu, ya Allah Maɗaukaki! Ka duba daga sama ka gani! Ka lura da wannan inabi,
Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
15 saiwar da hannun damarka ya dasa, ɗan da ka renar wa kanka.
Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
16 An yanke inabinka, an ƙone shi da wuta; a tsawatawarka mutanenka sun hallaka.
Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy.
17 Bari hannunka yă zauna a kan mutumin da yake hannun damarka, ɗan mutum da ka renar wa kanka.
Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
18 Ta haka ba za mu juye mu bar ka ba; ka rayar da mu, za mu kuwa kira bisa sunanka.
Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
19 Ka mai da mu, ya Ubangiji Allah Maɗaukaki; ka sa fuskarka ta haskaka a kanmu, za mu kuwa cetu.
Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.

< Zabura 80 >