< Zabura 116 >

1 Ina ƙaunar Ubangiji, gama ya ji muryata; ya ji kukata ta neman jinƙai.
Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.
2 Domin ya juye kunnensa gare ni, zan kira gare shi muddin ina da rai.
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3 Igiyoyin mutuwa sun shaƙe ni, wahalar kabari sun zo a kaina; na cika da wahala da ɓacin rai. (Sheol h7585)
Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. (Sheol h7585)
4 Sai na kira ga sunan Ubangiji na ce, “Ya Ubangiji, ka cece ni!”
Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5 Ubangiji mai alheri ne da kuma mai adalci; Allahnmu yana cike da tausayi.
Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6 Ubangiji yana tsare masu tawali’u; sa’ad da nake cikin tsananin bukata, ya cece ni.
Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
7 Ka kwantar da hankali, ya raina, gama Ubangiji mai alheri ne a gare ka.
Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8 Gama kai, ya Ubangiji, ka ceci raina daga mutuwa, idanuna daga hawaye, ƙafafuna daga tuntuɓe,
Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana.
9 don in iya tafiya a gaban Ubangiji a ƙasar masu rai.
Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho.
10 Na gaskata, saboda haka na ce, “An azabtar da ni ƙwarai.”
Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
11 Kuma cikin rikicewana na ce, “Dukan mutane maƙaryata ne.”
Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
12 Yaya zan sāka wa Ubangiji saboda dukan alherinsa gare ni?
Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Zan daga kwaf na ceto in kuma kira ga sunan Ubangiji.
Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.
14 Zan cika alkawurana ga Ubangiji a gaban dukan mutanensa.
Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.
15 Abu mai daraja a gaban Ubangiji shi ne mutuwar tsarkakansa.
Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masìna.
16 Ya Ubangiji, da gaske ni bawanka ne; ni bawanka ne, ɗan baiwarka; ka’yantar da ni daga sarƙoƙi.
Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
17 Zan yi hadayar godiya gare ka in kuma kira bisa sunan Ubangiji.
Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
18 Zan cika alkawurana ga Ubangiji a gaban dukan mutanensa,
Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra,
19 a filayen gidan Ubangiji, a tsakiyarki, ya Urushalima. Yabi Ubangiji.
Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.

< Zabura 116 >