< Karin Magana 6 >
1 Ɗana, in ka shirya tsaya wa maƙwabcinka don yă karɓi bashi, in ka sa hannunka don ɗaukar lamunin wani,
Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
2 in maganarka ta taɓa kama ka, ko kalmomin bakinka sun zama maka tarko,
Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
3 to, sai ka yi haka, ɗana don ka’yantar da kanka; da yake ka shiga hannuwan maƙwabcinka, ka tafi ka ƙasƙantar da kanka; ka roƙi maƙwabcinka!
Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.
4 Ka hana kanka barci, ko gyangyaɗi a idanunka ma.
Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
5 Ka’yantar da kanka, kamar barewa daga hannun mai farauta, kamar tsuntsu daga tarkon mai kafa tarko.
Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika.
6 Ku tafi wurin kyashi, ku ragwaye; ku lura da hanyoyinsa ku zama masu hikima!
Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7 Ba shi da jagora ba shugaba ko mai mulki,
Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
8 duk da haka yakan yi tanade-tanadensa da rani ya kuma tattara abincinsa a lokacin girbi.
Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano.
9 Har yaushe za ku kwanta a can, ku ragwaye? Yaushe za ku farka daga barcinku?
Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao?
10 Ɗan barci, ɗan gyangyaɗi, ɗan naɗin hannuwa don a huta,
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
11 talauci kuwa zai zo kamar’yan hari rashi kuma kamar ɗan fashi.
Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
12 Sakare da mutumin banza wanda yana yawo da magana banza a baki,
Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
13 wanda yake ƙyifce da ido, yana yi alama da ƙafafunsa yana kuma nuni da yatsotsinsa,
Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;
14 wanda yake ƙulla mugunta da ruɗu a cikin zuciyarsa, kullum yana tā-da-na-zaune-tsaye
Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
15 Saboda haka masifa za tă fāɗa farat ɗaya; za a hallaka shi nan da nan, ba makawa.
Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
16 Akwai abubuwa shida da Ubangiji ya ƙi, abubuwa bakwai da suke abin ƙyama gare shi,
Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
17 duban reni, harshe mai ƙarya, hannuwa masu zub da jinin marar laifi,
Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
18 zuciyar da take ƙulla mugayen dabaru, ƙafafun da suke sauri zuwa aikata mugunta,
Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19 mai shaidar ƙarya wanda yake zuba ƙarairayi, da kuma mutumin da yake tā-da-na-zaune-tsaye a cikin’yan’uwa.
Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.
20 Ɗana, ka kiyaye umarnan mahaifinka kada kuma ka ƙyale koyarwar mahaifiyarka.
Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
21 Ka ɗaura su a zuciyarka har abada; ka ɗaura su kewaye da wuyanka.
Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
22 Sa’ad da kake tafiya, za su bishe ka; sa’ad da kake barci, za su lura da kai; sa’ad da ka farka, za su yi maka magana.
Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
23 Gama waɗannan umarnai fitila ne, wannan koyarwa haske ne, kuma gyare-gyaren horo hanyar rayuwa ce,
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
24 suna kiyaye ka daga mace marar ɗa’a daga sulɓin harshen mace marar aminci.
Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga.
25 Kada ka yi sha’awarta a cikin zuciyarka kada ka bar ta tă ɗauki hankalinka da idanunta.
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
26 Gama karuwa takan mai da kai kamar burodin kyauta, mazinaciya kuma takan farauci ranka.
Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.
27 Mutum zai iya ɗiba wuta ya zuba a cinyarsa ba tare da rigunansa sun ƙone ba?
Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28 Mutum zai iya yin tafi a garwashi wuta mai zafi ba tare da ƙafafunsa sun ƙone ba?
Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
29 Haka yake da wanda ya kwana da matar wani; babu wanda ya taɓa ta da zai tafi babu hukunci.
Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
30 Mutane ba sa ƙyale ɓarawo in ya yi sata don yă ƙosar da yunwarsa sa’ad da yake jin yunwa.
Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
31 Duk da haka in aka kama shi, dole yă biya sau bakwai ko da yake abin zai ci dukan arzikin gidansa.
Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
32 Amma mutumin da ya yi zina ba shi da hankali; duk wanda ya yi haka yana hallaka kansa ne.
Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
33 Dūka da kunya ne za su zama rabonsa, kuma kunyarsa za tă dawwama.
Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.
34 Gama kishi kan tā da hasalar miji, kuma ba zai ji tausayi ba sa’ad da yake ramawa.
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.
35 Ba zai karɓi duk wata biya ba; zai ƙi cin hanci, kome yawansu.
Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.