< Karin Magana 30 >

1 Maganganun Agur ɗan Yake, magana ce horarriya. Wannan mutum ya furta wa Itiyel da kuma ga Ukal,
Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala:
2 “Ni ne mafi jahilci a cikin mutane; ba ni da fahimi irin na mutum.
Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.
3 Ban koyi hikima ba, ba ni kuma da sani game da Mai Tsarkin nan,
Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna.
4 Wane ne ya taɓa haura zuwa sama ya dawo? Wane ne ya tattara iska a tafin hannuwansa? Wane ne ya nannaɗe ruwaye a cikin rigarsa? Wane ne ya kafa dukan iyakokin duniya? Mene ne sunansa, da kuma sunan ɗansa? Faɗa mini in ka sani!
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!
5 “Kowace maganar Allah ba ta da kuskure; shi ne garkuwa ga waɗanda suke neman mafaka daga gare shi.
Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy.
6 Kada ka ƙara ga maganarsa, in ba haka ba zai tsawata maka ya kuma nuna kai maƙaryaci ne.
Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
7 “Abu biyu ina roƙonka, ya Ubangiji; kada ka hana ni kafin in mutu.
Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
8 Ka kawar da ƙarya da kuma ƙarairayi nesa da ni; kada ka ba ni talauci ko arziki, amma ka ba ni abincina na yini kaɗai.
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
9 In ba haka ba, zan wadace in ƙi ka har in ce, ‘Wane ne Ubangiji?’ Ko kuwa in zama matalauci in yi sata ta haka in kunyata sunan Allahna.
Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
10 “Kada ka baza ƙarairayi game da bawa ga maigidansa, in ba haka ba, zai la’ance ka, za ka kuwa sha wahala a kan haka.
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11 “Akwai waɗanda sukan zagi mahaifinsu ba sa kuma sa wa mahaifiyarsu albarka;
Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
12 waɗanda sukan ɗauka su tsarkaka ne a ganinsu alhali kuwa ƙazamai ne su;
Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.
13 waɗanda kullum idanunsu masu kallon reni ne, waɗanda kallon da suke yi na daurin gira ne;
Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
14 waɗanda haƙoransu takuba ne waɗanda kuma muƙamuƙansu tarin wuƙaƙe ne don su cinye matalauta daga duniya da kuma mabukata daga cikin mutane.
Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.
15 “Matsattsaku tana da’ya’ya mata biyu. Suna kuka suna cewa, ‘Ba ni! Ba ni!’ “Akwai abubuwa uku da ba sa taɓa ƙoshi, guda huɗu ba sa taɓa cewa, ‘Ya isa!’
Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
16 Kabari, mahaifar da ba ta haihuwa, ƙasa, wadda ba ta taɓa ƙoshi da ruwa, da kuma wuta, wadda ba ta taɓa cewa ‘Ya isa!’ (Sheol h7585)
Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay. (Sheol h7585)
17 “Idon da yake yi wa mahaifi ba’a, wanda yake wa mahaifiya dariyar rashin biyayya, hankakin kwari za su ƙwaƙule masa ido, ungulai za su cinye su.
Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.
18 “Akwai abubuwa uku da suke ba ni mamaki, abubuwa huɗu da ba na iya fahimtarsu,
Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
19 yadda gaggafa take firiya a sararin sama, yadda maciji yake tafiya a kan dutse, yadda jirgin ruwa yake tafiya a teku, da kuma sha’ani tsakanin namiji da’ya mace.
Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy.
20 “Ga yadda mazinaciya take yi. Takan ci ta share bakinta ta ce, ‘Ban yi wani abu marar kyau ba.’
Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21 “Akwai abubuwa uku da duniya kan yi rawan jiki, abubuwa huɗu da ba ta iya jurewa,
Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
22 bawan da ya zama sarki, wawan da ya ƙoshi da abinci,
Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
23 macen da ba a ƙauna wadda ta sami miji, da kuma baiwar da ta ɗauki matsayin uwargijiyarta.
Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.
24 “Akwai abubuwa huɗu a duniya da suke ƙanana, duk da haka suna da hikima ƙwarai.
Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:
25 Kyashi halittu ne da ba su da ƙarfi sosai, duk da haka suna ajiyar abincinsu da rani;
Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy;
26 remaye halittu ne da ba su da ƙarfi sosai, duk da haka sukan yi gidajensu a duwatsu;
Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;
27 fāra ba su da sarki, duk da haka suna tafiya tare bisa ga girma;
Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28 ana iya kama ƙadangare da hannu, duk da haka akan same shi a fadodin sarakuna.
Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.
29 “Akwai abubuwa uku da suke jan jiki da kuma taƙama a tafiyarsu abubuwa huɗu waɗanda suke kwarjini da taƙama a tafiyarsu,
Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30 zaki mai ƙarfi a cikin namun jeji, wanda ba ya ratse wa kowa;
Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,
31 zakara mai taƙama, da bunsuru, da kuma sarki mai sojoji kewaye da shi.
Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
32 “In ka yi wauta ka kuma ɗaukaka kanka, ko kuwa wani yana ƙulla maka mugunta, ka dāfa hannunka a bisa bakinka!
Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
33 Gama kamar yadda kaɗaɗɗen madara takan kawo mai, murɗa hanci kuma takan sa a yi haɓo, haka tsokanar fushi takan kawo faɗa.”
Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.

< Karin Magana 30 >