< Karin Magana 3 >

1 Ɗana, kada ka manta da koyarwata, amma ka kiyaye umarnaina a cikin zuciyarka,
Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
2 gama za su ƙara maka tsawon rai da shekaru masu yawa su kuma kawo maka wadata.
Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3 Kada ka bar ƙauna da aminci su rabu da kai; ka ɗaura su kewaye da wuyanka, ka rubuta su a allon zuciyarka.
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
4 Sa’an nan za ka sami tagomashi da kuma suna mai kyau a gaban Allah da kuma a gaban mutane.
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
5 Ka dogara ga Ubangiji da dukan zuciyarka kada kuma ka dangana ga ganewarka;
Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
6 cikin dukan hanyoyinka ka amince da shi, zai kuwa sa hanyoyinka su miƙe.
Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7 Kada ka zama mai hikima a ganinka; ka ji tsoron Ubangiji ka kuma guji mugunta.
Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
8 Wannan zai ba wa jikinka lafiya yă kuma adana ƙasusuwanka.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9 Ka girmama Ubangiji da dukan dukiyarka, ta wurin miƙa masa nunan fari na dukan amfanin gonarka;
Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
10 ta haka rumbunanka za su cika har su zuba, randunanka kuma su cika har baki da sabon ruwan inabi.
Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
11 Ɗana, kada ka rena horon Ubangiji kada kuma ka ƙi tsawatawarsa,
Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
12 domin Ubangiji yakan hori waɗanda yake ƙauna, kamar yadda mahaifi yake yin wa ɗa da yake fariya da shi.
Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
13 Mai albarka ne mutumin da ya sami hikima, mutumin da ya sami fahimi,
Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
14 gama ta fi azurfa riba tana kuma da amfani fiye da zinariya.
Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
15 Ta fi lu’ulu’u daraja; ba a kwatanta abin da ka fi sha’awa da ita.
Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
16 Tsawon rai yana a cikin hannunta na dama; a hannunta na hagu kuwa akwai arziki da bangirma.
Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
17 Hanyoyinta hanyoyi ne masu daɗi, dukan hanyoyinta kuma salama ne.
Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
18 Ita itacen rai ne ga waɗanda suka rungume ta; waɗanda suke riƙe da ta za su zama masu albarka.
Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
19 Ta wurin hikima Ubangiji ya kafa harsashin duniya, ta wurin fahimi ya shirya sammai inda suke;
Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 ta wurin sani aka rarraba zurfafa, gizagizai kuma suka zubo raɓa.
Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.
21 Ɗana, ka riƙe sahihiyar shari’a da kuma basira, kada ka bar su su rabu da kai;
Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
22 za su zama rai a gare ka, abin adon da zai gyara wuyanka.
Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
23 Sa’an nan za ka bi hanyarka lafiya, ƙafarka kuwa ba zai yi tuntuɓe ba;
Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24 sa’ad da ka kwanta, ba za ka ji tsoro ba; sa’ad da ka kwanta, barci zai yi maka daɗi.
Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
25 Kada ka ji tsoron masifar da za tă faru farat ɗaya ko lalacin da yakan auka wa mugaye,
Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
26 gama Ubangiji zai zama ƙarfin halinka zai kuwa kiyaye ƙafarka daga fāɗawa a tarko.
Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27 Kada ka ƙi yin alheri ga duk wanda ya dace, sa’ad da kana iya yin haka.
Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;
28 Kada ka ce wa maƙwabcinka “Ka yă dakata sai gobe,” idan kana iya taimakonsa yanzu.
Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
29 Kada ka shirya kome da zai cuci maƙwabcinka, wanda yake zama da aminci kusa da kai.
Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30 Kada ka zargi mutum ba dalili, sa’ad da bai yi laifi ba.
Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31 Kada ka ji kishin mai tā-da-na-zaune-tsaye ko ka yi sha’awar aikata ayyukansu.
Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
32 Gama Ubangiji yana ƙyama mai aikata mugunta amma yakan rungumi adalin da ya amince da shi.
Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.
33 La’anar Ubangiji tana a gidan mugaye, amma yakan albarkaci gidan adali.
Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.
34 Yakan yi wa masu girman kai ba’a amma yakan yi wa mai sauƙinkai alheri.
Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
35 Masu hikima sukan sami kyakkyawan suna, amma wawaye sukan ƙara wa kansu shan kunya.
Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.

< Karin Magana 3 >