< Karin Magana 22 >

1 An fi son suna mai kyau fiye da wadata mai yawa; tagomashi kuma ya fi azurfa ko zinariya.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
2 Mawadaci da matalauci suna da abu guda. Ubangiji ne Mahaliccinsu duka.
Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
3 Mai basira kan ga damuwa tana zuwa yă nemi mafaka, amma marar azanci kan yi ta tafiya yă kuma sha wahala.
Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4 Sauƙinkai da tsoron Ubangiji sukan kawo wadata da girmamawa da kuma rai.
Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5 A hanyoyin mugu akwai kaya da tarko, amma duk wanda ya kiyaye ransa kan kauce musu.
Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6 Ka hori yaro a hanyar da ya kamata yă bi, kuma sa’ad da ya tsufa ba zai bar ta ba.
Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
7 Mawadaci yakan yi mulki a kan matalauci, mai cin bashi kuwa bawan mai ba da bashi ne.
Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
8 Duk wanda ya shuka mugunta yakan girbe wahala, za a kuma hallaka sandar fushinsa.
Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
9 Mai bayarwa hannu sake shi kansa zai sami albarka, gama yakan raba abincinsa da matalauta.
Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.
10 Ka hori mai ba’a, hatsaniya kuwa za tă yi waje; fitina da zargi kuma za su ƙare.
Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11 Duk mai son tsabtar zuciya wanda kuma jawabinsa mai alheri ne zai zama aminin sarki.
Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.
12 Idanun Ubangiji na lura da sani, amma yakan ƙi kalmomin marar aminci.
Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.
13 Rago kan ce, “Akwai zaki a waje!” Ko kuma “Za a kashe ni a tituna!”
Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho.
14 Bakin mazinaciya rami ne mai zurfi; duk wanda yake a ƙarƙashin fushin Ubangiji zai fāɗa a ciki.
Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.
15 Wauta tana da yawa a zuciyar yara, amma sandar horo zai kore ta nesa da su.
Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16 Duk wanda yake danne matalauta don yă azurta kuma duk wanda yake kyauta ga mawadata, dukansu kan talauta.
Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17 Ka kasa kunne ka kuma saurara ga maganganu masu hikima; ka yi amfani da abin da nake koyarwa,
Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18 gama yana da daɗi sa’ad da ka kiyaye su a zuciyarka ka kuma kasance da su a shirye a leɓunanka.
Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao.
19 Domin dogarawarka ta kasance ga Ubangiji, ina koya maka yau, har kai ma.
Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah.
20 Ban rubuta maka maganganu talatin ba, maganganun shawara da sani,
Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
21 ina koya maka gaskiya da kalmomin da za ka dogara a kai, saboda ka iya ba da amsa daidai ga duk wanda ya aike ka?
Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao?
22 Kada ka zalunci matalauta a kan suna matalauta kada kuma ka ƙwari wanda ba shi da mai taimako a gaban shari’a,
Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
23 gama Ubangiji zai yi magana dominsu zai kuwa washe waɗanda suka washe su.
Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.
24 Kada ka yi abokantaka da mai zafin rai, kada ka haɗa kai da wanda ba shi da wuya ya yi fushi,
Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,
25 in ba haka ba za ka koyi hanyoyinsa ka kuma sa kanka a tarko.
Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao.
26 Kada ka zama mai ɗaukar lamuni ko ka ba da jingina saboda bashi;
Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
27 gama in ka kāsa biya za a ƙwace gadon da kake kwanciya a kai ma.
Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
28 Kada ka matsar da shaidar kan iyakar da kakanninka suka kafa.
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao.
29 Kana ganin mutumin da yake da gwaninta a cikin aikinsa? Zai yi wa sarakuna hidima; ba zai yi hidima wa mutanen da ba su iya ba.
Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.

< Karin Magana 22 >