< Ƙidaya 3 >

1 Waɗannan su ne zuriyar Haruna da Musa a lokacin da Ubangiji ya yi magana da Musa a kan Dutsen Sinai.
Ary izao no taranak’ i Arona sy Mosesy tamin’ ny andro nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2 Sunayen’ya’yan Haruna su ne, Nadab ɗan fari, da Abihu, da Eleyazar da Itamar.
Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 Waɗannan su ne sunayen’ya’yan Haruna, shafaffun firistocin da aka naɗa domin su yi aiki firist.
Ireo no anaran’ ny zanakalahin’ i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
4 Amma Nadab da Abihu suka fāɗi suka mutu a gaban Ubangiji a Hamadar Sinai a sa’ad da suka ƙona turare da haramtacciyar wuta a gabansa. Ba su kuwa da’ya’ya; saboda haka Eleyazar da Itamar kaɗai suka yi aiki firist a zamanin mahaifinsu Haruna.
Fa maty teo anatrehan’ i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah tany an-efitr’ i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’ i Arona rainy.
5 Ubangiji ya ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
6 “Ka kawo mutanen Lawi, ka kuma gabatar da su ga Haruna firist, don su taya shi aiki.
Ento ny firenen’ i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’ i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7 Za su yi wa Haruna da dukan al’umma aikace-aikace a Tentin Sujada, ta wurin yin aikin tabanakul.
Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
8 Za su lura da dukan kayayyakin Tentin Sujada, suna cika hakkin Isra’ilawa ta wurin yin aiki a tabanakul.
Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
9 Ka ba da Lawiyawa ga Haruna da’ya’yansa; su ne za su zama Isra’ilawan da za a ba da su ɗungum gare shi.
Ary homenao an’ i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo.
10 Ka naɗa Haruna da’ya’yansa su yi aiki firistoci; duk wanda ya yi shisshigi a wuri mai tsarki kuwa dole a kashe shi.”
Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
11 Ubangiji ya kuma ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
12 “Ga shi na ɗauki Lawiyawa daga cikin Isra’ilawa a maimakon ɗan fari na kowace mace a Isra’ila. Lawiyawa nawa ne,
Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely ho solon’ ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 gama duk’ya’yan fari nawa ne. Lokacin da karkashe duk’ya’yan fari a Masar, na keɓe wa kaina kowane ɗan fari a Isra’ila, ko mutum, ko dabba. Za su zama nawa. Ni ne Ubangiji.”
satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14 Ubangiji ya yi magana da Musa a Hamadar Sinai ya ce,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay ka nanao hoe:
15 “Ka ƙidaya Lawiyawa bisa ga iyalansu da kabilarsu. Ka ƙidaya kowane ɗan jinjiri mai wata ɗaya ko fiye.”
Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
16 Saboda haka Musa ya ƙidaya su duka, kamar yadda maganar Ubangiji ta umarta.
Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin’ i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17 Ga sunayen’ya’yan Lawi, Gershon, Kohat da Merari.
Ary izao no zanakalahin’ i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 Ga sunayen mutanen Gershon, Libni, da Shimeyi
Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 Sunayen mutanen Kohat kuwa su ne, Amram, Izhar, Hebron da Uzziyel.
Ary ny zanakalahin’ i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
20 Dangin Merari su ne. Mali da Mushi. Ga kabilan Lawiyawa bisa ga iyalansu.
Ary ny zanakalahin’ i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon’ ny Levita, araka ny fianakaviany.
21 A wajen Gershonawa, kabilarsa su ne Libniyawa, da Shimeyiyawa; waɗannan su ne mutanen Gershom.
Avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon’ ny Gersonita.
22 Jimillar dukan jarirai maza daga wata ɗaya zuwa gaba da haihuwa su kai 7,500.
Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
23 Kabilar Gershonawa za su yi sansani ta fuskar yamma, a bayan tabanakul.
Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 Eliyasaf ɗan Layel shi ne shugaban iyalan Gershonawa.
Ary ny lohan’ ny fianakavian’ ny Gersonka dia Efiasafa, zanak’ i Laela.
25 A Tentin Sujada, Gershonawa su ne za su lura da mazauni da tabanakul da kuma tentin, abubuwan rufensa, labule a ƙofar Tentin Sujada,
Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Gersona eo amin’ ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
26 da labulen filin da yake kewaye da tabanakul da kuma bagade, da igiyoyi, da kuma kowane abin da ya danganci aikinsu.
ary ny fefi-lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 Kabilar Kohat su ne, Amramawa da Izharawa da Hebronawa da Uzziyelawa; waɗannan su ne kabilar Kohatawa.
Ary avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Amramita sy ny fokon’ ny Jizarita sy ny fokon’ ny Hebronita ary ny fokon’ ny Ozielita; ireo no fokon’ ny Kehatita.
28 Jimillar dukan jarirai maza daga wata ɗaya ko fiye, 8,600 ne. Kohatawa ne suke lura da wuri mai tsarki.
Ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Kohatawa za su yi sansani a kudu da tabanakul.
Ny fokon’ ny zanak’ i Kehata dia hitoby eo amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely.
30 Shugaban kabilar Kohatawa shi ne Elizafan ɗan Uzziyel.
Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ ny Kehatita dia Elisafana, zanak’ i Oziela.
31 Su ne da hakkin kula da akwatin alkawari, tebur, wurin ajiye fitila, bagade, kayayyakin wuri mai tsarki da ake amfani da su a sujada, labule, da kuma kome da ya danganci aikinsu.
Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 Babban shugaban Lawiyawa shi ne Eleyazar ɗan Haruna, firist. An naɗa shi a kan waɗanda suke kula da wuri mai tsarki.
Ary ny lehiben’ ny lohan’ ny Levita dia Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, izay lehiben’ ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerana masìna.
33 Kabilar Merari su ne Maliyawa da Mushiyawa; waɗannan su ne kabilar Merari.
Avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Malita sy ny fokon’ ny Mosita; Ireo no fokon’ i Merary.
34 Jimillar dukan jarirai maza daga wata ɗaya ko fiye, 6,200 ne.
Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
35 Shugaban iyalan Merari shi ne Zuriyel ɗan Abihayil. Za su yi sansani arewa da tabanakul.
Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ i Merary dia Zoriela, zanak’ i Abihaila; ireo no hitoby eo amin’ ny lafiny avaratra amin’ ny tabernakely.
36 Kabilar Merari ne aka sa su lura da katakan tabanakul, sandunanta, dogayen sandunanta, tarukanta, dukan kayan aiki da kowane abin da ya danganci aikinsu,
Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Merary dia ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37 da ginshiƙai kewaye da filin tare da rammuka da turaku da igiyoyinsu.
ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
38 Musa da Haruna da’ya’yansu za su yi sansani gabas da tabanakul, wajen fitowar rana; a gaban Tentin Sujada. Su ne da hakkin lura da wuri mai tsarki a madadin Isra’ilawa. Duk wani wanda ba ya wannan aiki, ya kuma kusaci wuri mai tsarki, za a kashe shi.
Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
39 Jimillar Lawiyawan da Musa da Haruna suka ƙidaya bisa ga umarnin Ubangiji bisa ga danginsu, haɗe da kowane jariri daga wata ɗaya ko fiye, 22,000 ne.
Ny tontalin’ izay nalamina avy tamin’ ny Levita, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah, avy tamin’ ny fokony, ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
40 Sai Ubangiji ya ce wa Musa, “Ƙidaya dukan’ya’yan fari na Isra’ilawa maza daga wata ɗaya da kuma fiye ka kuma rubuta sunayensu.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 Ka ɗauko mini Lawiyawa a maimakon dukan’ya’yan fari na Isra’ilawa, haka ma na dabbobi na Lawiyawa, a maimakon’ya’yan fari na dabbobin Isra’ilawa. Ni ne Ubangiji.”
Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny biby fiompin’ ny Zanak’ Isiraely.
42 Haka Musa ya ƙidaya’ya’yan fari na Isra’ilawa, yadda Ubangiji ya umarce shi.
Dia nalamin’ i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
43 Jimillar’ya’yan fari maza daga wata ɗaya da kuma fiye, da aka rubuta bisa ga sunayensu, 22,273 ne.
Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
44 Sai Ubangiji ya kuma yi magana da Musa ya ce,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
45 “Ka ɗauki Lawiyawa a maimakon dukan’ya’yan fari na Isra’ila, dabbobin Lawiyawa kuma a maimakon dabbobinsu. Lawiyawa za su zama nawa. Ni ne Ubangiji.
Alao ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 Don a fanshi’ya’yan fari 273 na Isra’ilawa da suka fi Lawiyawa yawa,
Ary ny amin’ ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47 ka karɓi shekel biyar domin kowannensu, bisa ga ma’aunin shekel na tsattsarkan wuri, wanda yake da nauyin gera ashirin.
dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
48 Ka ba wa Haruna da’ya’yansa kuɗin fansar da ya haura kai na’ya’yan farin Isra’ilawa.”
Dia homenao an’ i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr’ ireo mihoatra isa ireo.
49 Haka, Musa ya karɓi kuɗin fansar waɗanda suka haura yawan Lawiyawa.
Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 Daga’ya’yan fari na Isra’ilawa, ya karɓi azurfa masu nauyin shekel 1,365, bisa ga ma’aunin shekel na tsattsarkan wuri.
tamin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masìna;
51 Sa’an nan Musa ya ba da kuɗin fansar ga Haruna da’ya’yansa, yadda maganar Ubangiji ta umarce shi.
dia nomen’ i Mosesy an’ i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’ i Jehovah, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

< Ƙidaya 3 >