< Nehemiya 7 >
1 Bayan an sāke gina katangar na kuma sa ƙofofi a wurarensu, sai aka naɗa masu tsaro, da mawaƙa, da Lawiyawa.
Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
2 Na sa ɗan’uwana Hanani tare da Hananiya shugaban fada aikin riƙon Urushalima, domin shi Hananiya mutum mai mutunci ne, mai tsoron Allah fiye da yawancin mutane.
dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ ny tao an-dapa, hitandrina an’ i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3 Na ce musu, “Kada a buɗe ƙofofin Urushalima da sassafe sai rana ta fito sosai. Yayinda matsaran ƙofofi suna aiki, a kulle ƙofofin a sa musu sakata kafin matsaran su tashi, wajen fāɗuwar rana. Ku kuma naɗa mazaunan Urushalima a matsayin masu tsaro, waɗansunsu a wuraren aiki, waɗansun kuma kusa da gidajensu.”
Koa hoy izaho tamin’ ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’ i Jerosalema mandra-pahafanan’ ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’ izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
4 Birnin Urushalima kuwa tana da fāɗi da girma, amma mutanen da suke zama a cikinta kaɗan ne, ba a kuma gina gidaje da yawa ba tukuna.
Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
5 Sai Allahna ya sa a zuciyata in tara manyan gari, shugabanni da talakawa don a rubuta su bisa ga iyalansu. Na sami littafin asali na waɗanda suka fara dawowa. Ga abin da na tarar an rubuta a ciki.
Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
6 Waɗannan su ne mutanen yankin da suka dawo daga zaman bautar da Nebukadnezzar sarkin Babilon ya kame (sun dawo Urushalima da Yahuda, kowanne zuwa garinsa.
Izao no lehilahy amin’ izany tany izany, izay niakatra avy tamin’ ny fahababoana, dia ireo nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7 Sun dawo tare da Zerubbabel, da Yeshuwa, da Nehemiya, da Azariya, da Ra’amiya, da Nahamani, da Mordekai, da Bilshan, da Misfar, da Bigwai, da Nehum da kuma Ba’ana). Ga jerin mutanen Isra’ila.
dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
8 Zuriyar Farosh mutum 2,172
Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
ny taranak’ i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
11 ta Fahat-Mowab (ta wurin Yeshuwa da Yowab) 2,818
ny taranak’ i Pahatamoaba, dia avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
ny taranak’ i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
ny taranak’ i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
ny taranak’ i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
ny taranak’ Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
ny zanak’ i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
ny taranak’ i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
ny taranak’ i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
21 ta Ater (ta wurin Hezekiya) 98
ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
ny taranak’ i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
ny taranak’ i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
ny taranak’ i Harifa dia roa ambin’ ny folo amby zato;
ny taranak’ i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
26 Mutanen Betlehem da na Netofa 188
Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
29 na Kiriyat Yeyarim, Kefira da na Beyerot 743
ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
30 na Rama da na Geba 621
ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
ny mponina tany amin’ ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
ny zanak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
37 na Lod, da na Hadid, da na Ono 721
ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
39 Ga zuriyar Firistoci. Zuriyar Yedahiya (ta wurin iyalin Yeshuwa) 973
Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
ny taranak’ Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
43 Ga zuriyar Lawiyawa. Zuriyar Yeshuwa da Kadmiyel (ta wurin Hodeba) 74.
Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny zanak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
44 Mawaƙa. Zuriyar Asaf mutum 148.
Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak’ i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
45 Ga zuriyar Matsaran Ƙofofi. Zuriyar Shallum, Ater, Talmon, Akkub, Hatita da Shobai 138.
Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
46 Ma’aikatan haikali. Zuriyar Ziha, Hasufa, Tabbawot,
Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
47 da ta Keros, da ta Siya, da ta Fadon,
ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Sia, ny taranak’ i Padona,
48 da ta Lebana, da ta Hagaba, da ta Shalmai,
ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay,
49 da ta Hanan, da ta Giddel, da ta Gahar,
ny taranak’ i Hanana, ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara,
50 da ta Reyahiya, da ta Rezin, da ta Nekoda,
ny taranak’ i Reaia, ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda,
51 da ta Gazzam, da ta Uzza, da ta Faseya,
ny taranak’ i Gazama, ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea,
52 da ta Besai, da ta Meyunawa, da ta Nefussiyawa,
ny taranak’ i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
53 da ta Bakbuk, da ta Hakufa, da ta Harhur,
ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakafa, ny taranak’ i Harora,
54 da ta Bazlit, da ta Mehida, da ta Harsha,
ny taranak’ i Bazlita, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
55 da ta Barkos, da ta Sisera, da ta Tema,
ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
56 da ta Neziya, da kuma ta Hatifa.
ny taranak’ i Nezia, ny taranak’ i Hatifa.
57 Ga zuriyar bayin Solomon. Zuriyar Sotai, da ta Soferet, da ta Ferida,
Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny zanak’ i Perida,
58 da ta Ya’ala, da ta Darkon, da ta Giddel,
ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
59 Shefatiya, Hattil, Fokeret-Hazzebayim, da Amon.
ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amona.
60 Zuriyar ma’aikatan haikali da ta bayin Solomon su 392.
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
61 Waɗansu sun hauro daga garuruwan Tel-Mela, Tel-Harsha, Kerub, Addon da Immer, amma ba su iya nuna cewa iyalansu su zuriyar Isra’ila ce ba,
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ ny Isiraely na tsia, izy):
62 zuriyar Delahiya, Tobiya, da Nekoda 642.
ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
63 Na wajen firistoci kuwa su ne, Zuriyar Hobahiya, da ta Hakkoz, da ta Barzillai (wani mutumin da ya auri’yar Barzillai mutumin Gileyad, aka kuma kira shi da wannan suna).
Ary ny avy tamin’ ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Hobaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
64 Waɗannan ne aka nemi sunayensu a cikin tarihin asalin iyalai, amma ba a same su a ciki ba, saboda haka aka hana su shiga cikin firistoci, sun zama kamar marasa tsarki.
Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
65 Sai gwamna ya umarce su kada su ci wani abinci mafi tsarki, sai akwai firist da zai nemi nufin Ubangiji ta wurin Urim da Tummim.
Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
66 Yawan jama’ar duka ya kai mutum 42,360,
Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
67 ban da bayinsu maza da mata 7,337. Suna kuma da mawaƙa maza da mata 245.
afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
68 Akwai dawakai 736, alfadarai 245
ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
69 raƙuma 435, da kuma jakuna 6,720.
ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
70 Waɗansu shugabannin iyalai suka ba da kyautai domin taimakon aiki. Gwamna ya ba da darik 1,000 na zinariya, kwanoni 50, da riguna 530 don firistoci.
Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.
71 Waɗansu shugabannin iyalai sun ba da darik 20,000 na zinariya da mina 2,200 na azurfa don aiki.
Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ ny rakitra hanaovana ny asa.
72 Jimillar da sauran mutane suka bayar ta kai darik 20,000 na zinariya, minas 2,000 na azurfa, da riguna sittin da bakwai don firistoci.
Ary izay nomen’ ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
73 Firistoci, da Lawiyawa, da matsaran ƙofofi, da mawaƙa, da ma’aikatan haikali tare da waɗansu mutane da kuma sauran mutanen Isra’ila, suka zauna a garuruwansu. Da wata na bakwai ya zo, Isra’ilawa kuwa sun riga sun zauna a garuruwansu,
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin’ ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.