< Firistoci 6 >

1 Ubangiji ya ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “In wani ya yi zunubi bai kuma yi aminci ga Ubangiji ba, wato, ta wurin yin wa abokin zamansa karya game da ajiyar da abokin ya ba shi amana, ko a kan wani alkawarin da suka yi wa juna, ko kuwa a kan yă cuci abokin,
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’ i Jehovah, fa mandainga amin’ ny namany ny amin’ izay nampitehirizina azy, na amin’ ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin’ izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
3 ko kuma idan ya sami abin da ya ɓace amma ya yi ƙarya cewa bai samu ba. Ko ya yi rantsuwar ƙarya a kan duk irin abubuwan da akan aikata na laifi,
na nahita izay zavatra very ka mandainga amin’ izany sady mianian-tsy tò ny amin’ izay mety ho fahotan’ ny olona,
4 sa’ad da mutum ya yi irin laifin nan, ya kuwa tabbata mai laifi ne, to, sai yă komar da abin da ya ƙwace, ko abin da ya samu ta hanyar zalunci, ko abin da aka ba shi ajiya, ko abin da ya tsinta.
satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin’ ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
5 Zai mai da abin da ya yi rantsuwar ƙarya a kai. Zai mayar wa mai abin da abinsa a yadda yake, har yă ƙara kashi ashirin bisa ɗari na abin. A ranar da zai yi hadaya don laifinsa, a ranar ce zai mayar wa mai abin da abinsa.
na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin’ ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
6 A matsayin hakki kuwa, dole yă kawo wa firist, wato, ga Ubangiji, hadaya rago marar lahani kuma wanda aka kimanta tamaninsa daga garke don laifinsa.
Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an’ i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona.
7 Ta haka firist zai yi kafara dominsa a gaban Ubangiji, za a kuwa gafarta masa irin laifin da ya yi.”
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
8 Ubangiji ya ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
9 “Ka ba Haruna da’ya’yansa maza wannan umarni, ‘Waɗannan su ne ƙa’idodi don hadaya ta ƙonawa. Hadaya ta ƙonawa za tă kasance a bagade dukan dare, sai da safe, kuma dole a bar wutar tă yi ta ci a bisa bagaden.
Mandidia an’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin’ ny fatana eo an-tampon’ ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon’ ny alitara hirehitra eo.
10 Sa’an nan firist zai sa rigunarsa ta lilin da kuma rigar lilin da ake sa a ciki, sa’an nan yă kwashe tokan hadaya ta ƙonawa da wuta da ta ci a kan bagaden, yă sa kusa da bagaden.
Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.
11 Sa’an nan yă tuɓe waɗannan rigunan yă sa waɗansu, sa’an nan yă ɗauki tokar yă kai waje da sansani zuwa inda yake da tsabta.
Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ ny toby amin’ izay fitoerana madio.
12 Dole a bar wutar da take bisa bagaden tă yi ta ci; kada tă mutu. Kowace safiya firist zai ƙara itacen wuta, yă shirya hadaya ta ƙonawa a bisa wutar yă kuma ƙone kitsen hadaya ta salama a kansa.
Ary ny afo eo ambonin’ ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
13 Dole a bar wutar tă ci gaba da ci a bisa bagade; kada tă mutu.
Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ ny alitara ka tsy havela ho faty.
14 “‘Waɗannan su ne ƙa’idodi domin hadaya ta gari.’Ya’yan Haruna za su kawo ta a gaban Ubangiji, a gaban bagaden.
Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’ i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah eo anoloan’ ny alitara.
15 Firist zai ɗiba garin hadayar mai laushin wanda aka zuba masa mai da kuma turare cike da tafin hannu. Zai ƙona wannan a bisa bagaden, hadaya ce mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji don tunawa.
Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin’ ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
16 Haruna da’ya’yansa maza za su ci sauran, amma za a ci shi ba tare da yisti ba a tsattsarkan wuri; za su ci shi a harabar Tentin Sujada.
Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
17 Ba za a toya shi da yisti ba; na ba su yă zama rabonsu daga cikin hadayun da ake ƙonawa da wuta, abu ne mafi tsarki, kamar hadaya don zunubi da laifi.
Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho Ahy izany; masìna dia masìna izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
18 Kowane ɗa namiji cikin zuriyar Haruna zai iya cinsa. Wannan rabonsa ne na kullum na hadayar da aka yi ga Ubangiji da wuta. Wannan madawwamiyar doka ce cikin zamananku duka. Duk abin da ya taɓa hadayun zai tsarkaka.’”
Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.
19 Ubangiji ya kuma ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
20 “Wannan ne hadayar da Haruna da’ya’yansa maza za su kawo ga Ubangiji a ranar da za a naɗa su firistoci, humushin garwan gari mai laushi a matsayin hadaya ta gari na kullum, rabinsa da safe, rabinsa kuma da yamma.
Izao no fanatitr’ i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’ i Jehovah amin’ izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan’ andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
21 A shirya shi da mai a kwanon tuya, a kawo shi kwaɓaɓɓe sosai, a miƙa shi hadaya ta gari dunƙule-dunƙule don ƙanshi mai daɗi ga Ubangiji.
Amin’ ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
22 Duk wanda aka naɗa daga’ya’yan Haruna yă zama firist a madadinsa, shi ne zai miƙa wannan hadayar ga Ubangiji. Zai ƙone hadayar ƙurmus. Wannan za tă zama dawwammamiyar farilla ce har abada.
Ary ilay mpisorona avy amin’ ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an’ i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
23 Kowace hadaya ta gari ta firist, za a ƙone ta ƙurmus, ba za a ci ba.”
fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin’ ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
24 Ubangiji ya ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
25 “Faɗa wa Haruna da’ya’yansa maza, ‘Waɗannan su ne ƙa’idodi domin hadaya don zunubi. Za a yanka hadaya don zunubi a gaban Ubangiji a inda ake yankan hadaya ta ƙonawa; dole tă kasance mai tsarki.
Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.
26 Firist da ya miƙa ta zai ci, za a ci ta a tsattsarkan wuri, a harabar Tentin Sujada.
ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
27 Duk abin da ya taɓa wani sashe na naman, zai zama da tsarki, kuma in wani jini ya ɗiga a riga, dole ka wanke shi a tsattsarkan wuri.
Ho masìna izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan’ ny ràny, dia hosasanao eo amin’ izay fitoerana masìna izay ipitihany.
28 Dole a farfashe tukunyar lakar da aka dafa naman a ciki; amma in an dafa a tukunyar tagulla, sai a kankare tukunyar, a kuma ɗauraye da ruwa.
Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.
29 Kowane namiji a iyalin firistoci zai iya ci; gama abu ne mafi tsarki.
Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masìna dia masìna izany.
30 Amma duk wata hadaya don zunubi wadda aka kawo jininta cikin Tentin Sujada don a yi kafara a Wuri Mai Tsarki, ba za a ci ba. A maimako haka za a ƙone ta ɗungum.
Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.

< Firistoci 6 >