< Makoki 5 >

1 Ka tuna, ya Ubangiji, abin da ya faru da mu; duba, ka ga kunyar da muka sha.
Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2 An ba wa baƙi gādonmu, gidajenmu kuma aka ba bare.
Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena.
3 Mun zama marayu marasa ubanni, uwayenmu kamar gwauraye.
Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
4 Dole mu sayi ruwan da muke sha; sai mun biya mu sami itace.
Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
5 Masu fafararmu sun kusa kama mu; mun gaji kuma ba dama mu huta.
Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
6 Mun miƙa kanmu ga Masar da Assuriya don mu sami isashen abinci.
Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7 Kakanninmu sun yi zunubi kuma ba sa nan yanzu, mu ne aka bari muna shan hukuncinsu.
Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
8 Bayi suna mulki a kanmu, kuma ba wanda zai’yantar da mu daga hannuwansu.
Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.
9 Muna samun burodi a bakin rayukanmu domin takobin da yake a jeji.
Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10 Fatar jikinmu ta yi zafi kamar murhu, muna jin zazzaɓi domin yunwa.
Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary.
11 An yi wa mata fyaɗe a cikin Sihiyona, da kuma budurwai a cikin garuruwan Yahuda.
Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda.
12 An rataye’ya’yan sarakuna da hannuwansu; ba a ba wa dattawa girma.
Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
13 Samari suna faman yin niƙa; yara kuma suna fama da ƙyar da nauyin kayan itace.
Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
14 Dattawan sun bar ƙofar birnin, samari sun daina rera waƙa.
Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
15 Farin ciki ya rabu da zuciyarmu; rayuwarmu ta zama makoki.
Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
16 Rawani ya fāɗi daga kanmu. Kaiton mu gama mun yi zunubi!
Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
17 Domin wannan zuciyarmu ta yi sanyi; domin waɗannan abubuwa idanunmu sun dushe
Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
18 gama Tudun Sihiyona ya zama kufai, sai diloli ke yawo a wurin.
Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.
19 Ya Ubangiji, kai ne mai iko har abada; kursiyinka ya dawwama cikin dukan zamani.
Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
20 Don mene ne kake mantawa da mu koyaushe? Me ya sa ka yashe mu da jimawa?
Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?
21 Ka sāke jawo mu gare ka, ya Ubangiji, don mu komo; ka sabunta kwanakinmu su zama kamar yadda suke a dā
Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
22 sai dai in ka ƙi mu gaba ɗaya kana fushi da mu fiye da yadda za a iya aunawa.
Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?

< Makoki 5 >