< Makoki 3 >

1 Ni ne mutumin da ya ga azaba ta wurin bulalar fushin Ubangiji.
Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
2 Ya kore ni, ya sa na yi tafiya a cikin duhu maimakon a cikin haske;
Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.
3 ba shakka, ya juya mini baya, yana gāba da ni sau da sau, dukan yini.
Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
4 Ya sa fatar jikina da naman jikina sun tsufa ya kuma karya ƙasusuwana.
Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5 Ya yi mini kwanton ɓauna ya kuma kewaye ni da baƙin ciki da kuma wahala.
Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6 Ya sa na zauna a cikin duhu kamar waɗanda suka mutu da jimawa.
Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
7 Ya kewaye ni yadda ba zan iya gudu ba; Ya daure ni da sarƙa mai nauyi.
Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
8 Ko lokacin da nake kira don neman taimako, ba ya jin addu’ata.
Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
9 Ya tare hanyata da tubula na duwatsu; ya sa hanyata ta karkace.
Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
10 Kamar beyar da take a laɓe tana jira, kamar zaki a ɓoye,
Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
11 ya janye ni daga kan hanya ya ɓatar da ni ya bar ni ba taimako.
Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12 Ya ja kwarinsa ya sa in zama abin baratarsa.
Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13 Ya harbi zuciyata da kibiyoyin kwarinsa.
Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.
14 Na zama abin dariya ga mutanena duka; suna yi mini ba’a cikin waƙa dukan yini.
Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Ya cika ni da kayan ɗaci ya gundure ni da abinci mai ɗaci.
Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16 Ya kakkarya haƙorana da tsakuwa; ya tattake ni cikin ƙura.
Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.
17 An hana ni salama; na manta da ko mene ne ake kira wadata.
Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18 Saboda haka na ce, “Darajata ta ƙare da kuma duk abin da nake begen samu daga wurin Ubangiji.”
Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.
19 Na tuna da azabata da kuma sintiri, da na yi ta yi da ɗacin rai.
Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20 Na tuna su sosai, sai kuma na ji ba daɗi a raina.
Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21 Duk da haka na tuna da wannan na kuma sa bege ga nan gaba.
Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22 Domin ƙaunar Ubangiji ba mu hallaka ba; gama jiyejiyanƙansa ba su ƙarewa.
Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23 Sababbi ne kowace safiya; amincinka kuwa mai girma ne.
Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24 Na ce wa kaina, “Ubangiji shi ne nawa; saboda haka zan jira shi.”
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25 Ubangiji mai alheri ne ga waɗanda suke da bege a cikinsa, ga kuma wanda yake neman shi;
Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
26 yana da kyau ka jira shiru domin samun ceton Ubangiji.
Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
27 Yana da kyau mutum yă sha wuya tun yana yaro.
Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
28 Bari yă zauna shiru shi kaɗai, gama haka Ubangiji ya sa yă yi.
Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29 Bari yă ɓoye fuskarsa cikin ƙura kila akwai bege.
Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30 Bari yă ba da kumatunsa a mare shi, yă kuma bari a ci masa mutunci.
Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31 Gama Ubangiji ba ya yashe mutane har abada.
Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32 Ko da ya kawo ɓacin rai, zai nuna tausayi sosai, ƙaunarsa tana da yawa.
Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.
33 Gama ba haka kawai yake kawo wahala ko ɓacin rai ga’yan adam ba.
Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
34 Bai yarda a tattake’yan kurkuku a ƙasa ba,
Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,
35 ko kuma a danne wa mutum hakkinsa a gaban Maɗaukaki,
Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,
36 ko kuma a danne wa mutum shari’ar gaskiya ashe Ubangiji ba zai ga irin waɗannan abubuwa ba?
Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
37 Wane ne ya isa yă yi magana kuma ta cika in ba Ubangiji ne ya umarta ba?
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?
38 Ba daga bakin Maɗaukaki ne bala’i da abubuwa masu kyau suke fitowa ba?
Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
39 Don mene ne wani mai rai zai yi gunaguni sa’ad da aka ba shi horo domin zunubansa?
Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?
40 Bari mu auna tafiyarmu mu gwada ta, sai mu kuma koma ga Ubangiji.
Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
41 Bari mu ɗaga zuciyarmu da hannuwanmu ga Allah na cikin sama, mu ce,
Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42 “Mun yi zunubi mun yi tawaye ba ka kuwa gafarta ba.
Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
43 “Ka rufe kanka da fushi, ka fafare mu; ka karkashe mu ba tausayi.
Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44 Ka rufe kanka da gajimare don kada addu’armu ta kai wurinka.
Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45 Ka mai da mu tarkace da juji a cikin mutane.
Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.
46 “Dukan maƙiyanmu suna ta yin mana magana marar daɗi.
Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47 Muna cika da tsoro, da lalatarwa da hallakarwa.”
Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48 Hawaye na kwararowa daga idanuna domin an hallaka mutanena.
Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.
49 Idanuna za su ci gaba da kwararowa da hawaye, ba hutawa.
Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
50 Har sai in Ubangiji ya duba daga sama ya gani.
Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
51 Abin da nake gani yana kawo mini baƙin ciki domin dukan matan birnina.
Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
52 Maƙiyana suna farauta ta ba dalili kamar tsuntsu.
Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
53 Sun yi ƙoƙari su kashe ni a cikin rami suka kuma jajjefe ni da duwatsu;
Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54 ruwaye suka rufe kaina, sai na yi tunani cewa na kusa mutuwa.
Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
55 Na yi kira ga sunanka, ya Ubangiji, daga rami mai zurfi.
Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
56 Ka ji roƙona, “Kada ka toshe kunnuwanka ka ƙi jin roƙona na neman taimako.”
Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57 Ka zo kusa lokacin da na kira ka, kuma ka ce mini, “Kada ka ji tsoro.”
Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
58 Ya Ubangiji, ka goyi bayana; ka fanshi raina.
Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
59 Ya Ubangiji, ka ga inda aka yi mini ba daidai ba. Ka shari’anta, ka ba ni gaskiya!
Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60 Ka ga zurfin ramakonsu, da duk mugun shirin da suke yi mini.
Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
61 Ya Ubangiji, ka ji zaginsu, da duka mugun shirin da suke yi mini
Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62 Abin da maƙiyana suke yin raɗa a kai game da ni duk yini.
Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
63 Dube su! A zaune ko a tsaye, suna yi mini ba’a cikin waƙoƙinsu.
Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
64 Ka ba su abin da ya dace su samu, ya Ubangiji, domin abin da hannuwansu suka yi.
Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
65 Ka sa yana ta rufe zuciyarsu, kuma bari la’anarka ta bi su.
Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
66 Ka fafare su cikin fushi ka hallaka su daga cikin duniya ta Ubangiji.
Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.

< Makoki 3 >