< Makoki 2 >

1 Yadda Ubangiji ya rufe Diyar Sihiyona da gizagizan fushi! Ya jefar da darajar Isra’ila daga sama zuwa ƙasa; bai tuna da wurin ɗora ƙafafunsa ba a ranar fushinsa.
Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan’ ny Tompo rahona amin’ ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin’ ny tany ny reharehan’ ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ ny andro fahatezerany!
2 Ubangiji ya hallakar da wurin zaman Yaƙub ba tausayi; A cikin fushinsa kuma zai rurrushe kagaran Diyar Yahuda. Ya ƙasƙantar da mulki da masu mulki.
Nolevonin’ ny Tompo ny fonenan’ i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan’ i Joda zanakavavy ka nazerany tamin’ ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,
3 A cikin zafin fushi ya fasa kowane ƙaho na Isra’ila. Ya janye hannun damansa sa’ad da maƙiyi ya zo. Ya yi ƙuna a cikin Yaƙub kamar wuta mai ƙone duk abin da yake kusa da ita.
Nokapainy tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan’ ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an’ i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
4 Kamar abokin gāba, ya ɗana bakansa; hannun damansa na shirye. Kamar maƙiyi, ya kashe duk wanda idonsa ya ji daɗin gani; ya zuba fushinsa kamar wuta a kan tenti na Diyar Sihiyona.
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ ny lain’ i Ziona zanakavavy.
5 Ubangiji kamar maƙiyi ne; ya hallaka Isra’ila. Ya hallaka wurarenta duka ya kuma hallaka kagaranta. Ya ƙara yawan makoki da baƙin ciki wa Diyar Yahuda.
Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan’ i Joda zanakavavy.
6 Ya rushe haikalinsa kamar lambu; ya hallaka wurin yi masa sujada. Ubangiji ya sa Sihiyona ta manta da bukukkuwanta da kuma ranakunta na Asabbaci; a cikin zafin fushinsa ya watsar da sarki da firist.
Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon’ i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
7 Ubangiji ya ƙi bagadensa ya kuma yi wofi da haikalinsa. Ya ba maƙiyinta fadodinta; suka yi sowa a cikin gidan Ubangiji kamar a ranar da ake yin biki.
Ny alitarany narian’ ny Tompo, ny fitoerany masìna nolaviny; Natolony ho eo an-tànan’ ny fahavalo ny mandan’ ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon’ i Jehovah toy ny amin’ ny fotoam-pivavahana ireny.
8 Ubangiji ya ƙuduri niyya yă rushe bangon da yake kewaye da Diyar Sihiyona. Ya auna da igiyar awo bai fasa hallaka ta ba. Ya sa katanga da katanga duk suka lalace.
Jehovah ninia handrava ny mandan’ i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.
9 Ƙofofinta sun nutse a cikin ƙasa; ya kakkarya ƙarafanta. Sarakunanta da’ya’yan sarakunanta duk an kai su bauta cikin waɗansu ƙasashe, babu sauran doka, annabawa kuma ba su samun wahayi daga wurin Ubangiji.
Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.
10 Dattawan Diyar Sihiyona sun zauna shiru a ƙasa; suka kuma sa rigar buhu.’Yan matan Urushalima suka sunkuyar da kawunansu ƙasa.
Mipetraka amin’ ny tany ny loholon’ i Ziona zanakavavy ka mangìna; Nasiany vovoka ny lohany, misikìna lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin’ ny tany.
11 Idanuna sun dushe don yawan kuka, raina na cike da baƙin ciki; zuciyata ta karaya domin mutanena sun hallaka, domin yara da jarirai suna suma a kan hanyoyi a cikin birni.
Pahina ny masoko azon’ ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin’ ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
12 Suna ce wa uwayensu, “Ina burodi da ruwan inabi?” Yayinda suke suma kamar mutanen da aka ji masu ciwo a cikin birni, sa’ad da suke mutuwa a hannuwan uwayensu.
Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
13 Me zan ce miki? Da me zan kwatanta ki, ke Diyar Urushalima? Da me zan misalta ki, yadda zan iya yi miki ta’aziyya, Ke Budurwa Diyar Sihiyona? Ciwonki yana da zurfi kamar teku. Wane ne zai iya warkar da ke?
Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
14 Wahayin annabawanki ƙarya ne kuma marasa amfani; ba su tona zunubanki ba yadda za su iya ceto ki daga bauta ba. Sun yi miki annabcin ƙarya marar amfani.
Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.
15 Duk masu wucewa suna yi miki tafi na reni; suna yi wa Diyar Urushalima tsaki suna kaɗa kai suna cewa, “Wannan ne birnin da aka ce kyakkyawa ne, mai farantawa dukan duniya rai?”
Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin’ i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian’ ny tany rehetra?
16 Maƙiyanki duka suna ta surutu game da ke; suna tsaki suna cizon haƙora suna cewa, “Mun hallaka ta. Wannan ce ranar da muke jira; yau mun gan ta.”
Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
17 Ubangiji ya yi abin da ya shirya; ya cika maganarsa, wadda ya umarta tun daɗewa. Ya jefar da ke ba tausayi, ya bari maƙiya sun yi nasara da ke, ya ɗaukaka ƙahon maƙiyanki.
Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin’ ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
18 Zuciyar mutane ta yi kuka ga Ubangiji. Ya bangon Diyar Urushalima, bar hawayenki su zuba kamar rafi dare da rana; kada ki huta, kada idanunki su huta.
Ny fonao mitaraina amin’ ny Tompo: Ry mandan’ i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman’ alina toy ny riaka; Aza mangìna, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.
19 Ki tashi, ki yi kuka cikin dare, dare na yi sai ki fara kuka; kina buɗewa Ubangiji zuciyarki. Ki ɗaga hannuwanki gare shi domin rayukan’ya’yanki, waɗanda suka suma don yunwa a kan kowane titi.
Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ ny alina hatramin’ ny filatsahan’ ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an’ ny ain’ ny zanakao madinika, izay anan’ ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
20 “Ka duba, ka gani ya Ubangiji. Wane ne ka taɓa yi wa haka? Ko ya kamata uwaye su ci’ya’yansu,’ya’yan da suka yi reno? Ko ya kamata a kashe firistoci da annabawa a cikin haikalin Ubangiji?
Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin’ ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin’ ny fitoera-masin’ i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany?
21 “Matasa da tsofaffi duk suna kwanciya a cikin ƙurar tituna; an karkashe matasa da’yan matana da takobi. Ka kashe su a ranar fushinka; ka kashe su ba tausayi.
Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon’ ny sabatra, Novonoinao tamin’ ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
22 “Kamar yadda kake yin gayyata a ranar biki, haka kake kawo mini tsoro a kowane gefe. A ranar fushin Ubangiji ba mai tserewa ba wanda zai tsira; maƙiyina ya kashe waɗanda na yi renonsu, na kuma lura da su.”
Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin’ ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin’ ny fahavaloko.

< Makoki 2 >