< Yoshuwa 16 >

1 Rabon da aka ba wa Yusuf ya fara tun daga Urdun kusa da Yeriko, gabas da ruwan Yeriko, sai ya miƙe zuwa jeji, ya haura har zuwa cikin ƙasar tudu na Betel.
Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,
2 Ya ci gaba daga Betel (wato, Luz), ya zarce zuwa sashen Arkitawa na Atarot,
dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,
3 ya sauka zuwa yammancin bakin iyakar Yalfetiyawa har zuwa yankin Bet-Horon wanda yake cikin kwari. Ya zarce kuma zuwa Gezer, ya gangara ya yi ƙarshe a Bahar Rum.
dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.
4 Wannan ne yankin da aka ba wa Manasse da Efraim zuriyar Yusuf gādonsu.
Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.
5 Yankin Efraim ke nan bisa ga iyalansu. Iyakar ƙasarsu ta gādo ta kama daga Atarot Addar a gabas zuwa Bet-Horon,
Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
6 ta wuce zuwa Bahar Rum. Daga Mikmetat a arewa kuwa iyakar ta karkata gabas zuwa Ta’anat Shilo, ta wuce zuwa Yanowa a gabas.
Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
7 Sai ta gangara daga Yanowa zuwa Atarot da Na’ara, ta bi ta Yeriko, ta kuma fito ta Urdun.
dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
8 Daga Taffuwa kuma iyakar ta bi yamma zuwa kwazazzaban Kana, ta ƙarasa a Bahar Rum. Wannan shi ne gādon mutanen Efraim bisa ga iyalansu.
Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,
9 Gādon ya kuma haɗa da dukan garuruwa da ƙauyuka waɗanda aka keɓe wa mutanen Efraim daga cikin gādon mutanen Manasse.
mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.
10 Ba su kori Kan’aniyawan da suke zama a Gezer ba, don haka Kan’aniyawa suna zama tare da mutanen Efraim har wa yau; amma Kan’aniyawa suka zama masu yin aikin dole.
Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.

< Yoshuwa 16 >