< Ayuba 38 >

1 Sa’an nan Ubangiji ya amsa wa Ayuba. Ya ce,
Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
2 “Wane ne wannan da yake ɓata mini shawarata da surutan wofi?
Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?
3 Ka sha ɗamara kamar namiji; zan yi maka tambaya, za ka kuwa amsa mini.
Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4 “Kana ina lokacin da na aza harsashen duniya? Gaya mini, in ka sani.
Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Wane ne ya zāna girmanta? Ba shakka ka sani! Wane ne ya ja layin aunawa a kanta?
Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 A kan me aka kafa tushenta, ko kuma wa ya sa dutsen kan kusurwarta,
Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 yayinda taurarin safe suke waƙa tare dukan mala’iku kuma suka yi sowa don farin ciki.
Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?
8 “Wane ne ya rufe teku a bayan ƙofofi, lokacin da ya burtsatso daga cikin ciki.
Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9 Lokacin da na yi wa gizagizai riga na kuma naɗe su a cikin duhu sosai,
Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10 sa’ad da na yi masa iyaka na sa masa ƙofofi da wurin kullewa.
Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11 Sa’ad da na ce ga iyakar inda za ka kai, ga inda raƙuman ruwanka za su tsaya?
Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
12 “Ko ka taɓa ba safiya umarni ko kuma ka sa asuba ta fito,
Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
13 don ta kama gefen duniya ta kakkaɓe mugaye daga cikinta?
Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14 Ƙasa ta sāke siffa kamar laka da aka yi wa hatimi; ta fito a fili kamar riga.
Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
15 An hana mugaye haskensu, hannun da suka ɗaga an karya shi.
Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
16 “Ko ka taɓa tafiya zuwa maɓulɓulan teku, ko kuma ka taɓa zuwa cikin zurfin lungun teku?
Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?
17 Ko an taɓa nuna maka ƙofar mutuwa? Ko ka taɓa ganin ƙofar inuwar duhun mutuwa?
Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
18 Ko ka gane fāɗin duniya? Gaya mini, in ka san wannan duka.
Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
19 “Ina ne hanyar zuwa gidan haske? Kuma a ina duhu yake zama?
Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?
20 Ko za ka iya kai su wurarensu? Ka san hanyar zuwa wurin da suke zama?
Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
21 Ba shakka ka sani, gama an riga an haife ka a lokacin! Ka yi shekaru da yawa kana rayuwa.
Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!
22 “Ka taɓa shiga rumbunan dusar ƙanƙara ko ka taɓa ganin rumbunan ƙanƙara
Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
23 waɗanda nake ajiya domin lokacin wahala, domin kwanakin yaƙi da faɗa?
Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
24 Ina ne hanyar zuwa wurin da ake samun walƙiya, ko kuma inda daga nan ne ake watsa iskar gabas zuwa ko’ina cikin duniya?
Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?
25 Wane ne ya yanka hanyar wucewar ruwa, da kuma hanyar walƙiyar tsawa
Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
26 don ba da ruwa a ƙasar da ba kowa a wurin jeji inda ba mai zama ciki
Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
27 don a ƙosar da wurin da ya bushe a sa ciyawa ta tsiro a can?
Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28 Ruwan sama yana da mahaifi? Wa ya zama mahaifin raɓa?
Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?
29 Daga cikin wane ne aka haifi ƙanƙara? Wane ne ya haifi jaura daga sammai
Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?
30 lokacin da ruwa ya zama da ƙarfi kamar dutse, lokacin da saman ruwa ya daskare?
Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.
31 “Za ka iya daure kyakkyawar kaza da’ya’yanta? Ko za ka iya kunce igiyoyin mafarauci da kare da zomo?
Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
32 Za ka iya tattara taurari bisa ga lokacinsu ko kuma ka bi da beyar da’ya’yanta zuwa waje?
Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?
33 Ka san dokokin sammai? Ko za ka iya faɗar dangantakar Allah da duniya?
Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?
34 “Za ka iya tsawata wa gizagizai ka kuma rufe kanka da ambaliyar ruwa?
Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35 Kai ne kake aika walƙiya da tsawa zuwa inda suke zuwa? Ko suna zuwa wurinka su ce, ‘Ga mu nan mun zo?’
Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Wane ne yake cika zuciya da hikima ko kuma yake ba zuciya ganewa?
Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
37 Wane ne yake da hikimar iya ƙirga gizagizai? Wane ne zai iya karkato bakunan tulunan sammai
Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
38 sa’ad da ƙura ta yi yawa ta daskare a wuri ɗaya?
Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
39 “Za ka iya farauto wa zakanya nama, ka kuma kawar wa zakoki yunwarsu.
Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
40 Lokacin da suka kwanta cikin kogunansu, ko kuma lokacin da suke a wurin ɓuyansu?
Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?
41 Wane ne yake ba hankaka abinci lokacin da’ya’yansa suke kuka ga Allah, kuma suna yawo don rashin abinci?
Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?

< Ayuba 38 >