< Ayuba 33 >

1 “Amma yanzu, Ayuba, ka saurari abin da zan ce; ka sa hankali ga kowane abin da zan faɗa.
Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
2 Zan yi magana; kalmomina suna dab da fitowa daga bakina.
Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
3 Abin da zan faɗa gaskiya ne daga cikin zuciyata; bakina zai faɗi gaskiyar abin da na sani.
Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
4 Ruhun Allah ne ya yi ni; numfashin Maɗaukaki ya ba ni rai.
Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
5 Ka amsa mini in za ka iya; ka yi shirin fuskanta ta.
Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
6 Ni kamar ka nake a gaban Allah; ni ma daga ƙasa aka yi ni.
Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
7 Kada ka ji tsorona, ba abin da zai fi ƙarfinka.
Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
8 “Amma ka faɗa na ji, na ji daidai abin da ka faɗa,
Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:
9 ‘ni mai tsarki ne marar zunubi; ina da tsabta kuma ba ni da laifi.
Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
10 Duk da haka Allah ya same ni da laifi; ya ɗauke ni maƙiyinsa,
He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 ya daure ƙafafuna da sarƙa; yana tsaron duk inda na bi.’
Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
12 “Amma na gaya maka, a nan ba ka yi daidai ba, gama Allah ya fi mutum girma.
He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.
13 Don me ka yi masa gunaguni cewa ba ya amsa tambayoyin mutum?
Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
14 Gama Allah yana magana, yanzu ga wannan hanya, yanzu kuma ga wata hanya ko da yake ba lalle mutum yă lura ba.
Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,
15 A cikin mafarki, cikin wahayi da dare, sa’ad da barci mai zurfi ya fāɗo a kan mutane lokacin da suke cikin barci kan gadajensu,
Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
16 mai yiwuwa yă yi musu magana a cikin kunnuwansu yă razana su da gargaɗinsa,
Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
17 don a juyar da su daga abin da yake yi da ba daidai ba a kuma hana su daga girman kai,
Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
18 don a kāre su daga fāɗuwa cikin rami, a kāre su daga hallaka ta wurin takobi.
Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
19 “Ko kuma mutum yă sha horo ta wurin kwanciya da ciwo da rashin jin daɗi cikin ƙasusuwansa,
Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;
20 yadda zai ji ƙyamar abinci, har yă ƙi son abinci mafi daɗi.
Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.
21 Naman jikinsa ya lalace ba wani abu mai kyau a ciki kuma ƙasusuwansa da suke a rufe da tsoka yanzu duk sun fito.
Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
22 Ransa yana matsawa kusa da rami, ransa kuma kusa da’yan aikan mutuwa.
Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
23 Duk da haka, in akwai mala’ika a gefensa kamar matsakanci, ɗaya daga cikin dubu, da zai gaya wa mutum abin da yake daidai gare shi,
Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
24 yă yi masa alheri yă ce, ‘Kada ka bari yă fāɗa cikin rami, na samu fansa dominsa.’
Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
25 Sa’an nan fatar jikinsa za tă zama sabuwa kamar ta jariri; za tă zama kamar lokacin da yake matashi.
Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;
26 Ya yi addu’a ga Allah ya kuwa samu alheri a wurinsa, yana ganin fuskar Allah yana kuma yin sowa don murna; Allah ya mayar da shi ya zama mai adalci.
Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.
27 Sa’an nan sai ya zo wurin, wurin mutane ya ce, ‘Na yi zunubi, na kauce wa abin da yake daidai, amma ban samu abin da ya kamata in samu ba.
Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
28 Ya fanshi raina daga fāɗawa cikin rami, kuma zan rayu in ji daɗin hasken.’
Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.
29 “Allah ya yi wa mutum duk waɗannan, sau biyu, har ma sau uku.
Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,
30 Ya juyo da ransa daga fāɗawa cikin rami, don hasken rai ya haskaka a kansa.
Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
31 “Ka sa hankali da kyau, Ayuba, ka saurare ni; ka yi shiru zan yi magana.
Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
32 In kana da abin da za ka ce, ka amsa mini; yi magana, domin ina so in’yantar da kai.
Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
33 Amma in ba haka ba, sai ka saurare ni; yi shiru, zan kuma koya maka hikima.”
Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.

< Ayuba 33 >