< Ayuba 30 >

1 “Amma yanzu suna yi mini ba’a waɗanda na girme su, waɗanda iyayensu maza ba su isa su zama karnukan kiwon garken tumakina ba.
Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
2 Ina amfani ƙarfin hannuwansu gare ni, tun da ba su da sauran kuzari?
Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?
3 Duk sun rame don rashi da yunwa, suna yawo a gaigayar ƙasa a kufai da dare.
Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
4 A cikin jeji suna tsinkar ganyaye marasa daɗi, jijiyoyin itacen kwakwa ne abincinsu.
Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.
5 An kore su daga cikin mutanensu, aka yi musu ihu kamar ɓarayi.
Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
6 An sa dole su zauna a kwazazzabai da kuma cikin kogunan duwatsu da kuma cikin ramummuka cikin ƙasa.
Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7 Suka yi ta kuka kamar dabbobi a jeji, suka taru a ƙarƙashin sarƙaƙƙiya.
Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.
8 Mutane marasa hankali marasa suna, an kore su daga ƙasar.
Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.
9 “Yanzu kuma’ya’yansu maza su suke yi mini ba’a cikin waƙa na zama abin banza a gare su.
Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
10 Suna ƙyamata suna guduna; suna tofa mini miyau a fuska.
Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
11 Yanzu da Allah ya kunce bakana ya ba ni wahala sun raba ni da mutuncina.
Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
12 A hannun damana’yan tā-da-na-zaune-tsaye sun tayar; sun sa tarko a ƙafafuna, sun yi shirin hallaka ni.
Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
13 Sun ɓata mini hanyata; sun yi nasara cikin hallaka ni, ba tare da wani ya taimake su ba.
Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
14 Suka nufo ni daga kowane gefe; suka auko mini da dukan ƙarfinsu.
Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany.
15 Tsoro ya rufe ni; an kawar mini mutuncina kamar da iska, dukiyata ta watse kamar girgije.
Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
16 “Yanzu raina yana ƙarewa; kwanakin wahala sun kama ni.
Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho.
17 Dare ya huda ƙasusuwana; ina ta shan azaba ba hutawa.
Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
18 A cikin girman ikonsa Allah ya zama kamar riga a jikina; ya shaƙe ni kamar wuyan rigata.
Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
19 Ya jefa ni cikin laka, na zama ba kome ba sai ƙura da toka.
Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
20 “Na yi kuka gare ka ya Allah, amma ba ka amsa mini ba. Na tashi tsaye, amma sai ka dube ni kawai.
Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
21 Ka dube ni ba tausayi; Ka kai mini hari da ƙarfin hannunka.
Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.
22 Ka ɗaga ni sama ka ɗora ni a kan iska; ka jujjuya ni cikin hadari.
Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
23 Na san za ka sauko da ni ga mutuwa zuwa wurin da kowane mai rai zai je.
Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.
24 “Ba shakka ba mai ɗora hannu a kan mutumin da yake cikin wahala. Lokacin da ya yi kukan neman taimako a cikin wahalarsa.
Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?
25 Ashe ban yi kuka domin waɗanda suke cikin damuwa ba? Ko zuciyata ba tă yi baƙin ciki domin matalauta ba?
Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
26 Duk da haka sa’ad da nake begen abu mai kyau, mugun abu ne ya zo; Sa’ad da nake neman haske, sai duhu ya zo.
Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
27 Zuciyata ba tă daina ƙuna ba; ina fuskantar kwanakin wahala.
Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28 Na yi baƙi ƙirin, amma ba rana ce ta ƙona ni ba. Na tsaya a cikin mutane, na kuma yi kuka don taimako.
Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.
29 Na zama ɗan’uwan diloli, na zama abokan mujiyoyi.
Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa.
30 Fatar jikina ta yi baƙi tana ɓarewa; jikina yana ƙuna da zazzaɓi.
Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.
31 Garayata ta zama ta makoki, sarewata kuma ta zama ta kuka.
Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.

< Ayuba 30 >