< Ayuba 29 >

1 Ayuba ya ci gaba da jawabinsa,
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 “Da ma ina nan lokacin da ya wuce baya can, kwanakin da Allah yake lura da ni,
Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
3 lokacin da fitilarsa take haske a kaina na yi tafiya cikin duhu tare da haskensa.
Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
4 Kwanakin da nake tasowa, lokacin da abokantakar Allah ta sa wa gidana albarka,
Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
5 lokacin da Maɗaukaki yana tare da ni, kuma’ya’yana suna kewaye da ni,
Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
6 lokacin da ake zuba madara a inda nake takawa, duwatsu kuma suna ɓulɓulo mini man zaitun.
Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
7 “Sa’ad da na je ƙofar birni na zauna a bainin jama’a,
Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
8 matasan da suka gan ni sukan ja gefe tsofaffi kuma suka tashi tsaye;
Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9 sarakuna suka yi shiru suka rufe bakunansu da hannuwansu;
Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10 Muryar manya ta yi tsit harshensu ya manne a rufin bakunansu.
Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
11 Duk wanda ya ji ni ya yaba mini waɗanda suka gan ni kuma sun amince da ni,
Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12 domin na ceci matalauta waɗanda suka nemi taimako, da marasa mahaifi waɗanda ba su da wanda zai taimake su.
Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13 Mutumin da yake bakin mutuwa ya sa mini albarka. Na faranta wa gwauruwa zuciya.
Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
14 Na yafa adalci ya zama suturata; gaskiya ita ce rigata da rawanina.
Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
15 Ni ne idon makafi kuma ƙafa ga guragu.
Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
16 Ni mahaifi ne ga masu bukata; na tsaya wa baƙo.
Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
17 Na karya ƙarfin mugaye na ƙwato waɗanda suke riƙe da haƙoransu.
Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
18 “Na yi tunani cewa, ‘Zan mutu a cikin gidana, kwanakina da yawa kamar turɓayar ƙasa.
Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19 Jijiyoyina za su kai cikin ruwa, kuma raɓa za tă kwanta a rassana dukan dare.
Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
20 Ɗaukakata za tă kasance tare da ni garau, bakana koyaushe sabo ne a hannuna.’
Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21 “Mutane suna mai da hankali su saurare ni, suna yin shiru don su ji shawarata.
Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
22 Bayan da na yi magana, ba su ƙara ce kome ba. Maganata ta shige su.
Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
23 Sukan jira ni kamar yadda ake jiran ruwan sama. Sukan sha daga cikin maganganuna kamar mai shan ruwan bazara.
Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24 Sa’ad da na yi musu murmushi da ƙyar sukan yarda; hasken fuskata yana da daraja a gare su.
Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
25 Na zaɓar masu inda za su bi na kuma zauna kamar sarkinsu; na zauna kamar sarki a cikin rundunansu; ina nan kamar mai yi wa masu makoki ta’aziyya.
Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.

< Ayuba 29 >