< Irmiya 52 >

1 Zedekiya yana da shekara ashirin da ɗaya sa’ad da ya ci sarauta. Ya yi mulki a Urushalima shekara goma sha ɗaya. Sunan uwarsa Hamutal,’yar Irmiya, wanda yake zaune a Libna.
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia avy any Libna.
2 Sarki Zedekiya ya aikata abin da yake mugu a gaban Ubangiji kamar yadda Sarki Yehohiyakim ya yi.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon’ i Joiakima.
3 Al’amarin ya zama da muni ƙwarai a cikin Isra’ila da Yahuda, don haka Ubangiji ya husata har ya sa aka kai mutanen bautar talala. Zedekiya kuwa ya tayar wa Sarkin Babilon.
Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.
4 A kan rana ta goma ga watan goma, a shekara ta tara ta mulkin Zedekiya, Sarkin Yahuda, sai Nebukadnezzar, Sarkin Babilon, ya zo yaƙi da Urushalima tare da dukan sojojinsa. Suka kewaye ta da yaƙi, suka gina katanga kewaye da ita.
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’ i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
5 An kewaye birnin da yaƙi har shekara ta goma sha ɗaya ta mulkin Zedekiya.
Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin’ ny fahiraika ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Zedekia mpanjaka.
6 A kan rana ta tara a watan huɗu na wannan shekara, yunwa ta tsananta ƙwarai a birnin. Mutane suka rasa abin da za su ci.
Ary tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ ny olona tompon-tany.
7 Sai aka huda katangan birnin, sojojin kuwa suka gudu, suka fita daga cikin birnin da dare ta hanyar ƙofar da take tsakanin bango biyu, kusa da gonar sarki, sa’ad da Babiloniyawa suke kewaye da birnin. Sojojin suka nufi wajen Araba.
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
8 Amma sojojin Babiloniyawa suka runtumi sarki Zedekiya, suka ci masa a filayen Yeriko. Dukan sojoji suka yashe shi.
Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
9 Da aka kama Zedekiya, sai aka kai shi wurin Sarkin Babilon a Ribla a ƙasar Hamat, a nan ne Sarkin Babilon ya yanke masa shari’a.
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
10 Sarkin Babilon ya kashe’ya’yan Zedekiya a idonsa. Ya kuma kashe dukan shugabannin Yahuda a Ribla.
Ary ny mpanjakan’ i Babylona namono ny zanakalahin’ i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
11 Sa’an nan ya ƙwaƙule idanun Zedekiya, ya kuma sa masa ƙuƙumi, aka kai shi Babilon inda aka sa shi a kurkuku har ran da ya mutu.
Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
12 A kan rana ta goma ga watan biyar a shekara ta goma sha tara ta sarautar Nebukadnezzar, Sarkin Babilon, sai Nebuzaradan shugaban matsara da kuma ɗan majalisar sarki, ya zo Urushalima.
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahasivy ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, mpanompon’ ny mpanjakan’ i Babylona,
13 Sai ya ƙone haikalin Ubangiji, da gidan sarki, da dukan gine-gine masu alfarman da suke Urushalima.
ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
14 Sojojin Babiloniyawa da suke tare da shugaban matsara, suka rushe dukan katangan Urushalima.
Ary ny manda rehetra manodidina an’ i Jerosalema dia noravan’ ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben’ ny mpiambina.
15 Sa’an nan Nebuzaradan shugaban matsara ya kwashe waɗansu matalauta, da sauran mutane da aka bari a birnin, da waɗanda suka gudu zuwa wurin Sarkin Babilon, da sauran masu sana’a, ya kai su bautar talala a Babilon.
Ary ny sasany tamin’ ny olona malahelo mbamin’ ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’ i Babylona mbamin’ ny vahoaka maro be sisa dia nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo avokoa.
16 Amma ya bar waɗansu matalauta na gaske a ƙasar don su yi aiki a gonakin inabi, da sauran gonaki.
Nefa ny olona malahelo dia namelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
17 Babiloniyawa kuwa suka farfasa ginshiƙan tagulla, da dakalai, da babbar kwatarniya, waɗanda suke a haikalin Ubangiji. Suka kwashe tagulla duka suka kai Babilon.
Ary ireo andry varahina teo amin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia novakivakin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
18 Suka kwashe tukwanen ƙarfe, da manyan cokula, da hantsuka, da daruna, da tasoshin ƙona turare, da kayayyakin tagulla waɗanda ake amfani da su domin hidimar haikali.
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin’ ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
19 Suka kuma kwashe ƙananan kwanonin sha, da farantan wuta, da daruna, da tukwane, da alkukai, da tasoshin ƙona turare, da kwanonin miƙa hadayar sha. Duk abin da yake na zinariya da azurfa, shugaban matsara ya kwashe.
Ary nentin’ ny lehiben’ ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin’ ny lehiben’ ny mpanapaka avokoa,
20 Tagullar da sarki Solomon ya yi wa haikalin Ubangiji da ita, wato, ginshiƙai biyu, da ƙaton kwano mai suna Teku na tagulla, da bijimai goma sha biyu, waɗanda suke ɗauke da kwatarniya, da dakalai, ta fi ƙarfin a auna.
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin’ ny folo, Izay teo ambanin’ ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah; ny varahina tamin’ izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
21 Tsawon kowane ginshiƙi kamu goma sha takwas ne, kewayensa kuwa kamu goma sha biyu ne, kaurinsa kuma huɗu ne. Kowannensu yana da rami a ciki.
Fa ny andry, dia valo ambin’ ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
22 A kan kowane ginshiƙi, an yi masa dajiyar tagulla, tsayinta kamu biyar. A bisa kan kowace dajiya akwai raga da siffofin rumman na tagulla kewaye da dajiyar. Ginshiƙi na biyu ma haka yake da siffofin rumman.
Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon’ ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
23 Akwai siffofin rumman tasa’in da shida da ake gani a gefen. Dukan siffofin rumman da suke a kan ragar kewaye, guda ɗari ne.
Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
24 Shugaban matsara kuma ya ɗauki Serahiya babban firist, da Zefaniya wanda yake biye da babban firist, da mutum uku masu tsaron ƙofar, ya tafi da su.
Ary ny lehiben’ ny mpiambina nisambotra an’ i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
25 Daga cikin birnin kuma ya ɗauki shugaban sojojin, da mutum bakwai’yan majalisar sarki, da magatakardan shugaban sojojin wanda yakan tara sojojin ƙasar, da mutane sittin na ƙasar, waɗanda aka same su a birnin, ya tafi da su.
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ izay mpitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin’ ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
26 Nebuzaradan shugaban matsara ya tafi da waɗannan mutane wurin Sarkin Babilon a Ribla,
dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
27 Sarkin Babilon kuwa ya kashe su a Ribla a ƙasar Hamat. Haka aka tafi da mutanen Yahuda bautar talala, daga ƙasarta.
Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
28 Wannan shi ne yawan mutanen da Nebukadnezzar ya kai su bauta. A shekara ta bakwai ta sarautarsa, ya tafi da Yahudawa 3,023;
Izao no olona izay nentin’ i Nebokadnezara ho babo tamin’ ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
29 a shekara ta goma sha takwas ta sarautar Nebukadnezzar, ya tafi da Yahudawa daga Urushalima 832;
tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
30 a shekara ta ashirin da uku ta sarautarsa, Nebuzaradan shugaban matsara ya tafi da Yahudawa 745. Jimillarsu duka 4,600 ne.
tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’ izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
31 A shekarar da Ewil-Merodak ya zama Sarkin Babilon, sai ya nuna wa Yehohiyacin Sarkin Yahuda alheri. Ya fisshe shi daga kurkuku. Wannan ya faru ran ashirin da biyar ga watan goma sha biyu a shekara ta talatin da bakwai bayan da aka kai Yehohiyacin bauta.
Ary tamin’ ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
32 Ewil-Merodak ya nuna wa Yehohiyacin alheri, ya ba shi matsayi na daraja fiye da waɗansu sarakunan da aka kai su bautar talala a Babilon tare da shi.
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ ireo mpanjaka namany tao Babylona.
33 Yehohiyacin ya tuɓe tufafin kurkuku, ya riƙa cin abinci kullum a teburin sarki, har dukan sauran kwanakin ransa.
Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
34 Kowace rana akan ba shi kyauta bisa ga umarnin sarkin Babilon, saboda bukatarsa. Haka aka yi masa har rasuwarsa.
Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan’ andro isan’ andro tamin’ ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.

< Irmiya 52 >