< Hosiya 7 >

1 a duka sa’ad da zan warkar da Isra’ila, zunuban Efraim za su tonu za a kuma bayyana laifofin Samariya. Suna ruɗu, ɓarayi sukan fasa su shiga gidaje,’yan fashi sukan yi fashi a tituna;
Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’ i Efraima sy ny faharatsian’ i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
2 amma ba su gane cewa na tuna da dukan ayyukan muguntarsu ba. Zunubansu sun kewaye su; kullum suna a gabana.
Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.
3 “Suna faranta wa sarki zuciya da muguntarsu, shugabanni kuma da ƙarairayinsu.
Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka.
4 Dukansu mazinata ne suna ƙuna kamar matoya wadda mai gashin burodi ba ya bukata yă tura mata wuta daga cuɗe kullu har kumburinsa.
Samy mpaka vadin’ olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5 A ranar bikin sarkinmu shugabanni sukan bugu da ruwan inabi, yă yi cuɗanya da masu ba’a.
Tamin’ ny andron’ ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ ny fanafanan’ ny herin’ ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ ny mpaniratsira ny mpanjaka.
6 Zukatansu suna kamar matoya; sukan kusace shi da wayo. Muguwar aniyarsu takan yi ta ci dukan dare; da safe sai ta ƙuna kamar harshen wuta.
Fa entin’ ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin’ ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
7 Dukansu suna da zafi kamar matoya; suna kashe masu mulkinsu. Dukan sarakunansu sukan fāɗi, kuma babu waninsu da yake kira gare ni.
Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
8 “Efraim yana cuɗanya da al’ummai; Efraim waina ne mai fāɗi da ba a juye ba.
Efraima dia miharoharo amin’ ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
9 Baƙi sun tsotse ƙarfinsa, amma bai gane ba. Gashi kansa ya cika da furfura, amma bai lura ba.
Lanin’ ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
10 Girmankan Isra’ila ya ba da shaida a kansa, amma duk da haka bai dawo ga Ubangiji Allahnsa ko yă neme shi ba.
Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’ i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.
11 “Efraim yana kama da kurciya, marar wayo, marar hankali, yanzu yana kira ga Masar, yanzu yana juyewa ga Assuriya.
Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
12 Sa’ad da suka tafi, zan jefa ragata a kansu; zai janye su ƙasa kamar tsuntsayen sararin sama. Sa’ad da na ji suna tafiya tare, zan kama su.
Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ ny fiangonany.
13 Kaitonsu, domin sun kauce daga gare ni! Hallaka za tă aukar musu, domin sun tayar mini! Na ƙudura in cece su amma suna faɗar ƙarya a kaina.
Lozan’ ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
14 Ba sa yin mini kuka da zuciyarsu amma suna ihu a kan gadajensu. Sukan taru wurin ɗaya don hatsi da ruwan inabi amma su juya mini baya.
Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
15 Na horar da su na kuma ƙarfafa su, amma sun ƙulla mini maƙarƙashiya.
Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
16 Ba sa juya ga Mafi Ɗaukaka; suna kama da tanƙwararren baka. Za a kashe shugabanninsu da takobi saboda banzan maganganunsu. Saboda wannan za a wulaƙanta su a ƙasar Masar.
Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ ny tany Egypta.

< Hosiya 7 >