< Farawa 41 >

1 Bayan shekaru biyu cif, Fir’auna ya yi mafarki. A mafarkin, ya ga yana tsaye kusa da Nilu,
Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron’ i Neily izy.
2 sai ga shanu bakwai masu ƙiba mulmul, suka fito daga kogin, suna kiwo a cikin kyauro.
Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin’ ny bararata.
3 Bayansu, sai ga waɗansu shanu bakwai, munana, ramammu, suka fito daga Nilu, suka tsaya kusa da waɗancan masu ƙiban, a bakin kogin.
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan’ ireo ombivavy teo amoron’ i Neily.
4 Shanun nan da suke munana ramammu, suka cinye shanu bakwai nan masu ƙiba mulmul. Sai Fir’auna ya farka.
Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
5 Ya sāke yin barci, sai ya yi mafarki na biyu; ya ga kawuna bakwai na dawa, ƙosassu masu kyau, suka yi girma a kara guda.
Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
6 Bayansu, sai ga waɗansu kawuna bakwai na dawa, suka fito sirara waɗanda iskar gabas ta sa suka yanƙwane.
Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
7 Siraran dawan suka haɗiye kawuna bakwai nan ƙosassu masu kyau. Sai Fir’auna ya farka, ashe, mafarki ne.
Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
8 Da safe sai hankalinsa ya tashi, saboda haka sai ya aika a kawo dukan masu duba da masu hikima na Masar. Fir’auna ya faɗa musu mafarkansa, amma babu wanda ya iya ba shi fassararsu.
Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’ i Farao tamin’ ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’ i Farao.
9 Sai shugaban masu shayarwa ya ce wa Fir’auna, “Yau an tuna mini da kāsawata.
Dia niteny tamin’ i Farao ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
10 Sai ya ci gaba ya ce, Fir’auna ya taɓa husata da bayinsa, ya kuma jefa ni da shugaban masu tuya a cikin kurkuku a gidan shugaban masu tsaro.
Farao dia tezitra tamin’ ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin’ ny tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ ny mpanao mofo.
11 Kowannenmu ya yi mafarki a wani dare, kowane mafarki kuma ya kasance da ma’anarsa.
Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
12 To, wani saurayi, mutumin Ibraniyawa ya kasance a can tare da mu, bawan shugaban masu tsaro. Sai muka faɗa masa mafarkanmu, ya kuwa fassara mana su, yana ba wa kowane mutum fassarar mafarkinsa.
Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon’ ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
13 Abubuwan kuwa suka kasance daidai yadda ya fassara su gare mu; aka mai da ni a matsayina, ɗaya mutumin kuwa aka rataye shi.”
Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
14 Sai Fir’auna ya aika a kawo Yusuf, aka kuwa kawo shi da sauri daga kurkuku. Sa’ad da ya yi aski, ya kuma canja tufafinsa, sai ya zo gaban Fir’auna.
Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
15 Fir’auna ya ce wa Yusuf, “Na yi mafarki, kuma babu wanda ya iya fassara shi. Amma na ji an ce sa’ad da ka ji mafarki, kana iya fassara shi.”
Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
16 Yusuf ya amsa wa Fir’auna ya ce, “Ba ni ne da iyawar ba, Allah zai iya ba wa Fir’auna amsar da yake nema.”
Ary Josefa dia namaly an’ i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’ i Farao.
17 Sa’an nan Fir’auna ya ce wa Yusuf, “A cikin mafarkina, na ga ina tsaye a bakin Nilu,
Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron’ i Neily aho;
18 sai ga shanu bakwai masu ƙiba mulmul, suka fito daga kogin, suna kiwo a cikin kyauro.
koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin’ ny bararata ireny.
19 Bayansu kuma, sai ga waɗansu shanu bakwai suka fito ƙanjamammu, munana, ramammu. Ban taɓa ganin irin munanan shanu haka a cikin dukan ƙasar Masar ba.
Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ ny tany Egypta rehetra.
20 Ramammun shanun nan munana, suka cinye shanun nan bakwai masu ƙiba da suka fito da fari.
Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
21 Amma ko bayan da suka cinye su, babu wanda zai iya faɗa cewa sun yi haka; suna nan dai munana kamar yadda suke a dā. Sai na farka.
Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin’ ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
22 “Har yanzu kuma, a cikin mafarkina na ga kawuna bakwai na dawa ƙosassu masu kyau, suna girma a kara guda.
Ary hitako tamin’ ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara;
23 Bayansu, sai ga waɗansu kawuna bakwai suka fito, yanƙwananne sirara waɗanda iskar gabas ta yanƙwane.
ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
24 Siraran kawunan dawan nan suka haɗiye kawuna bakwai nan masu kyau. Na faɗa wannan wa masu duba, amma ba wanda ya iya fassara mini shi.”
ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin’ ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
25 Sai Yusuf ya ce wa Fir’auna, “Mafarkan Fir’auna, ɗaya ne. Allah ya bayyana wa Fir’auna abin da yake shirin yi.
Ary hoy Josefa tamin’ i Farao: Ny nofin’ i Farao dia iray ihany; izay efa hataon’ Andriamanitra no nambarany tamin’ i Farao.
26 Shanu masu kyau nan, shekaru bakwai ne, kawunan dawa bakwai ƙosassun nan kuwa shekaru bakwai ne; mafarkan iri ɗaya ne.
Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
27 Shanun nan ramammu, munana, da suka zo daga baya, shekaru bakwai ne, haka ma kawuna dawan nan shanyayyu da iskar gabas ta yanƙwane. Shekaru ne bakwai na yunwa.
Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
28 “Haka yake kamar yadda na faɗa wa Fir’auna cewa Allah ya nuna wa Fir’auna abin da yake shirin yi.
Izany dia ilay efa nolazaiko tamin’ i Farao teo hoe: Izay efa hataon’ Andriamanitra no asehony amin’ i Farao.
29 Shekaru bakwai na yalwar abinci suna zuwa a dukan ƙasar Masar,
Indro, hisy fito taona zina indrindra eran’ ny tany Egypta rehetra;
30 amma shekaru bakwai na yunwa za su biyo bayansu. Tsananin yunwar za tă sa a manta da dukan isashen abincin da aka samu a ƙasar Masar, yunwa kuwa za tă rufe dukan ƙasar.
ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
31 Ba za a tuna da isashen abincin da aka samu a ƙasar ba, domin yunwar da za tă biyo baya za tă zama da tsanani ƙwarai.
ary ny fahavokarana eo amin’ ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
32 Dalilin da aka ba wa Fir’auna mafarkan nan kashi biyu kuwa shi ne cewa Allah ya riga ya ƙaddara al’amarin. Allah zai aikata shi, ba da daɗewa ba.
Ary naverina indroa ny nofin’ i Farao, satria efa voatendrin’ Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’ Andriamanitra faingana.
33 “Yanzu fa, bari Fir’auna yă nemi mutum mai basira da kuma hikima, yă sa shi yă shugabanci ƙasar Masar.
Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
34 Bari Fir’auna yă naɗa komishinoni a kan ƙasar don su karɓi kashi ɗaya bisa biyar na girbin Masar a lokacin shekaru bakwai na yalwar abinci.
Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin’ ny vokatry ny tany Egypta amin’ ny taon-jina fito.
35 Ya kamata su tara dukan abincin waɗannan shekaru masu kyau da suke zuwa, su yi ajiyar hatsin a ƙarƙashin ikon Fir’auna, don a ajiye a birane don abinci.
Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ ny anaran’ i Farao ho fihinana any amin’ ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
36 Ya kamata a adana abincin nan don ƙasar, kāriya shekaru bakwai na yunwa, domin a yi amfani da shi a lokacin shekarun yunwan da za su zo wa Masar, saboda kada ƙasar ta lalace da yunwa.”
Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin’ ny tany ho amin’ ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho simban’ ny mosary ny tany.
37 Shirin ya yi wa Fir’auna da kuma dukan hafsoshinsa kyau.
Ary sitrak’ i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
38 Saboda haka Fir’auna ya tambaye su, “Za mu iya samun wani kamar wannan mutum, wannan wanda Ruhun Allah yake cikinsa?”
Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?
39 Sai Fir’auna ya ce wa Yusuf, “Da yake Allah ya ba ka sanin dukan waɗannan, babu wani mai basira da kuma hikima kamar ka.
Ary hoy koa Farao tamin’ i Josefa: Satria efa nampahafantarin’ Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
40 Za ka shugabanci fadata, kuma dukan mutanena za su zama a ƙarƙashinka. Da sarauta kaɗai zan fi ka girma.”
koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
41 Saboda haka Fir’auna ya ce wa Yusuf, “Ga shi na sa ka zama shugaban dukan ƙasar Masar.”
Ary hoy indray Farao tamin’ i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
42 Sa’an nan Fir’auna ya zare zoben sarauta daga yatsarsa, ya sa shi a yatsan Yusuf. Ya sanya masa rigar lallausan lilin, ya kuma sa masa sarƙar zinariya a wuyansa.
Dia nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tànan’ i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
43 Ya sa shi ya hau keken yaƙi a matsayi mai binsa na biyu, mutane kuwa suka yi shela a gabansa suna cewa, “A ba da hanya!” Ta haka ya sa shi shugaba a kan dukan ƙasar Masar.
dia nampitaingeniny teo anatin’ ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
44 Sa’an nan Fir’auna ya ce wa Yusuf, “Ni ne Fir’auna, amma in ba tare da umarninka ba, ba wanda zai ɗaga hannu ko ƙafa a cikin dukan Masar.”
Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
45 Fir’auna ya ba wa Yusuf suna Zafenat-Faneya, ya kuma ba shi Asenat’yar Fotifera firist na On, ta zama matarsa. Yusuf kuwa ya zaga dukan ƙasar Masar.
Ary nataon’ i Farao hoe Zafenata-panea no anaran’ i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
46 Yusuf yana zuwa shekara talatin sa’ad da ya shiga hidimar Fir’auna sarkin Masar. Yusuf kuwa ya fita daga gaban Fir’auna, ya zaga ko’ina a Masar.
Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta. Dia niala teo anatrehan’ i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
47 A shekaru bakwai na yalwa, ƙasar ta ba da amfani mai yawa.
Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin’ ny taon-jina fito.
48 Yusuf ya tattara dukan abincin da aka samu a waɗannan shekaru bakwai na yalwa a Masar, ya kuma yi ajiyarsu a cikin birane. A kowane birni, ya sa abincin da aka nome a kewayensa.
Dia namory ny hanina rehetra tamin’ izany fito taona izany teo amin’ ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin’ ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin’ ny tanàna.
49 Sai Yusuf ya tara hatsi da yawan gaske, kamar yashi a bakin teku, har sai da ya kāsa iya auna shi, gama ba a iya aunawa.
Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
50 Kafin shekarun yunwa su zo, Asenat’yar Fotifera, firist na On, ta haifa wa Yusuf’ya’ya maza biyu.
Ary nisy zazalahy roa naterak’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin’ i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
51 Yusuf ya ba wa ɗansa na fari suna Manasse ya ce, “Gama Allah ya sa na mance dukan wahalata da dukan gidan mahaifina.”
Ary ny anaran’ ny lahimatoa dia nataon’ i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ ny raiko.
52 Ya ba wa ɗansa na biyu suna Efraim ya ce, “Gama Allah ya wadata ni cikin wahalata.”
Ary ny anaran’ ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ ny tanin’ ny fahoriako.
53 Shekaru bakwai na yalwa a Masar suka zo ga ƙarshe,
Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin’ ny tany Egypta;
54 sai shekaru bakwai na yunwa suka soma shigowa, kamar yadda Yusuf ya faɗa. Aka yi yunwa ko’ina amma ban da ƙasar Masar. Don akwai abinci.
dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain’ i Josefa; ary nisy mosary tany amin’ ny tany rehetra; nefa eran’ ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
55 Sa’ad da dukan Masar ta fara jin yunwa, sai mutane suka yi wa Fir’auna kuka don abinci. Sai Fir’auna ya ce wa dukan Masarawa, “Ku tafi wurin Yusuf, ku kuma yi abin da ya faɗa muku.”
Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin’ i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin’ ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin’ i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
56 Sa’ad da yunwa ta bazu a dukan ƙasar, sai Yusuf ya buɗe gidajen ajiya, ya kuma sayar da hatsi ga Masarawa, gama yunwa ta yi tsanani a dukan Masar.
Ary ny mosary dia tany amin’ ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin’ ny Egyptiana.
57 Dukan ƙasashe kuwa suka zo Masar don saya hatsi daga Yusuf, gama yunwa ta yi tsanani a dukan duniya.
Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin’ i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin’ ny tany rehetra.

< Farawa 41 >