< Farawa 2 >

1 Ta haka aka gama yin sammai da duniya da dukan abubuwan da suke cikinsu.
Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Kafin kwana ta bakwai, Allah ya gama aikin da yake yi, saboda haka a kwana ta bakwai, ya huta daga dukan aikinsa.
Ary tamin’ ny andro fahafito dia vitan’ Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’ ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Allah kuwa ya albarkaci kwana ta bakwai, ya kuma mai da ita mai tsarki, saboda a kanta ne ya huta daga dukan aikin halittar da ya yi.
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy.
4 Wannan shi ne asalin tarihin sammai da duniya sa’ad da aka halicce su. Sa’ad da Ubangiji Allah ya yi duniya da sammai,
Ary izao no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy, dia tamin’ ny nanaovan’ i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5 babu tsiro a duniya kuma ganyaye ba su tsira a busasshiyar ƙasa ko ba, gama Ubangiji Allah bai aiko da ruwan sama a kan duniya ba tukuna, babu kuma wani mutumin da zai nome ƙasar,
Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
6 amma dai rafuffuka suna ɓullo da ruwa daga ƙasa suna jiƙe ko’ina a fāɗin ƙasa.
nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ ny tany ka nandena ny tany rehetra.
7 Sa’an nan Ubangiji Allah ya yi mutum daga turɓayar ƙasa, ya kuma hura numfashin rai cikin hancinsa, mutumin kuwa ya zama rayayyen taliki.
Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
8 To, fa, Ubangiji Allah ya yi lambu a gabas, a Eden, a can kuwa ya sa mutumin da ya yi.
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
9 Ubangiji Allah ya kuma sa kowane irin itace ya tsira daga ƙasa, itace mai kyan gani, mai amfani kuma don abinci. A tsakiyar lambun kuwa akwai itacen rai da kuma itacen sanin abin da yake da kyau da abin da yake mugu.
Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10 Akwai wani kogi mai ba da ruwa ga lambun wanda ya gangaro daga Eden, daga nan ya rarrabu, ya zama koguna huɗu.
Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
11 Sunan kogi na fari, Fishon. Shi ne yake malala kewaye da dukan ƙasar Hawila, inda akwai zinariya.
Ny anaran’ ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
12 (Zinariyar wannan ƙasa kuwa tana da kyau, akwai kuma kayan ƙanshi da duwatsun da ake kira onis a can ma.)
ary tsara ny volamena amin’ izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
13 Sunan kogi na biyu, Gihon. Shi ne ya malala kewaye da ƙasar Kush.
Ary ny anaran’ ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 Sunan kogi na uku Tigris. Wannan ne ya malala ya bi ta gefen gabashin Asshur. Kogi na huɗu kuwa shi ne Yuferites.
Ary ny anaran’ ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’ i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
15 Ubangiji Allah ya ɗauko mutumin ya sa shi cikin Lambun Eden domin yă nome shi, yă kuma lura da shi.
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
16 Ubangiji Allah ya umarci mutumin ya ce, “Kana da’yanci ka ci daga kowane itace a cikin lambun,
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana ihany;
17 amma kada ka ci daga itacen sanin abin da yake mai kyau da abin da yake mugu, gama a ranar da ka ci shi, lalle za ka mutu.”
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
18 Ubangiji Allah ya ce, “Bai yi kyau mutumin yă kasance shi kaɗai ba. Zan yi masa mataimakin da ya dace da shi.”
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
19 To, Ubangiji Allah ya yi dukan namun jeji da dukan tsuntsayen sama daga ƙasa. Ya kawo su wurin mutumin don yă ga wanda suna zai kira su; kuma duk sunan da mutumin ya kira kowane mai rai, sunansa ke nan.
Ary tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’ aina rehetra, dia izany no anarany.
20 Saboda haka mutumin ya sa wa dukan dabbobi, da tsuntsayen sama da dukan namun jeji sunaye. Amma ba a sami mataimakin da ya dace da Adamu ba.
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
21 Saboda haka Ubangiji Allah ya sa mutumin ya yi barci mai nauyi; yayinda yake barci sai ya ɗauko ɗaya daga cikin haƙarƙarin mutumin, ya kuma rufe wurin da nama.
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
22 Sa’an nan Ubangiji Allah ya yi mace daga haƙarƙarin da ya ɗauko daga mutumin, ya kuwa kawo ta wurin mutumin.
Ary ny taolan-tehezana izay nalain’ i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
23 Sai mutumin ya ce, “Yanzu kam wannan ƙashi ne na ƙasusuwana nama kuma na namana. Za a ce da ita ‘mace,’ gama an ciro ta daga namiji.”
Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ ny taolako sy nofo avy amin’ ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
24 Wannan ne ya sa mutum yakan bar mahaifinsa da mahaifiyarsa, yă manne wa matarsa, su kuma zama jiki ɗaya.
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
25 Mutumin da matarsa, dukansu biyu tsirara suke, ba su kuwa ji kunya ba.
Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.

< Farawa 2 >