< Ezekiyel 42 >

1 Sai mutumin ya kai ni wajen arewa zuwa cikin filin da yake waje ya kuma kawo ni ɗakunan da suke ɗaura da filin haikalin da yake a gefen arewa.
Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin’ ny efi-trano tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano eo amin’ ny avaratra,
2 Tsawon ginin da yake fuskantar arewa kamu ɗari ne fāɗinsa kuma kamu hamsin.
dia ho eo anoloan’ ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
3 A gaban kamu ashirin na filin da yake can ciki da kuma a gaban daɓen filin da yake waje, akwai rumfuna a jere waɗanda suke fuskantar juna hawa uku-uku.
Tandrifin’ ny roa-polo hakiho amin’ ny kianja anatiny sady tandrifin’ ny lampivato amin’ ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin’ ny trano fahatelo ambony indrindra.
4 A gaban ɗakunan akwai hanya a can ciki mai fāɗin kamu goma, tsawonta kuma kamu ɗari. Ƙofofinsu suna wajen arewa.
Ary teo anoloan’ ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.
5 Ɗakunan da suke bisa ba su da fāɗi, gama mataki hawan benen ya cinye wuri fiye da a ɗakunan da suke a hawa na ƙasa da na tsakiya.
Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
6 Ɗakunan da suke a hawa na uku ba su da ginshiƙai, yadda filayen suka kasance da su, saboda haka suka matsu fiye da waɗanda suke a hawa na ƙasa da na tsakiya.
Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin’ ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
7 Akwai katanga wadda take waje, wadda ta yi hannun riga da ɗakunan filin waje; ta miƙe a gaban ɗakunan, tsawonta kamu hamsin ne.
Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin’ ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan’ ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
8 Yayinda tsawon jerin ɗakunan da suke a gefe kusa da filin da yake waje kamu hamsin ne, tsawon jerin ɗakunan da suke a gefen da yake kurkusa da wuri mai tsarki kamu ɗari ne.
Fa ny lavan’ ireo efi-trano izay teo amin’ ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan’ ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
9 Ɗakunan da suke can ƙasa suna da ƙofar shiga a wajen gabas in za a shiga cikinsu daga filin da yake waje.
Ary teo ambanin’ ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin’ ireo avy eo amin’ ny kianja ivelany.
10 A wajen kudu a ta katangar filin da yake waje, kusa da filin haikali da yake ɗaura da katangar waje, akwai ɗakuna
Ary nisy efi-trano koa teo amin’ ny sakan’ ny ampiantanin’ ny kianja teo amin’ ny atsinanana, tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano.
11 da hanya a gabansu. Waɗannan sun yi kama da ɗakunan da suke wajen arewa; tsawonsu da fāɗinsu duk iri ɗaya ne, da irin mafita ɗaya da kuma yadda aka shirya su. Sun yi kama da ƙofofin da suke wajen arewa
Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin’ ny efi-trano teo amin’ ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin’ ny an’ ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin’ ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
12 haka ma ƙofofin ɗakunan a wajen kudu. Akwai ƙofa a farkon hanyar da ta yi hannun riga da ɗayan katangar da ta miƙe wajen gabas, inda za a iya shiga ɗakunan.
ary tahaka ny varavaran’ ny efi-trano eo amin’ ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin’ ny fiandohan’ ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan’ ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin’ ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
13 Sai ya ce mini, “Ɗakunan arewa da na kudu waɗanda suke fuskantar filin haikali ɗakunan firistoci ne, inda firistocin da suke kusaci Ubangiji za su ci hadayu mafi tsarki. A can za su ajiye hadayu mafi tsarki, hadayu na gari, hadayu na zunubi da hadayu na laifi, gama wuri mai tsarki ne.
Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan’ ny kianja voatokana, dia efi-trano masìna, hihinanan’ ny mpisorona izay manatona an’ i Jehovah ny zavatra masìna indrindra; any no hametrahany izay zavatra masìna indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masìna io fitoerana io.
14 Da zarar firistoci suka shiga wuri mai tsarki, ba za su fita zuwa filin da yake waje ba sai sun tuɓe rigunan da suka yi hidima da su, gama waɗannan masu tsarki ne. Za su sa waɗansu riguna kafin su kusaci wuraren da mutane suke.”
Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin’ ny fitoerana masìna ho any amin’ ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masìna izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masìna ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
15 Da ya gama auna filin da yake cikin haikali, sai ya fitar da ni ta ƙofar gabas ya auna dukan filin kewaye.
Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin’ ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
16 Ya auna gefen gabas da karan awo; ya samu kamu ɗari biyar.
Norefesiny tamin’ ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volatara fandrefesana.
17 Ya auna gefen arewa da karan awon; ya samu kamu ɗari biyar.
Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volotara fandrefesana.
18 Ya auna gefen kudu da karan awon; ya samu kamu ɗari biyar.
Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton’ ny volotara, raha amin’ ny volotara fandrefesana.
19 Sa’an nan ya juya zuwa gefen yamma ya auna shi da karan awon, ya samu kamu ɗari biya.
Nitodika nankany amin’ ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton’ ny volotara tamin’ ny volotara fandrefesana.
20 Ta haka ya auna dukan kusurwoyi huɗu. Filin yana da katanga kewaye da shi, tsawon kamu ɗari biyar, fāɗin kuma kamu ɗari biyar don yă raba wuri mai tsarki daga wuri marar tsarki.
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton’ ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masìna sy ny tsy masìna.

< Ezekiyel 42 >